678 – Hajao ny olo-masina

1. Hajao ny olo-masina
Mpanaraka ny Tomponao,
Miely sy manerana
lzao tontolo izao,
Ireo dia tonga ohatra,
Ka tokony harahinao,
Na efa olon-dehibe,
Na zaza hianao;
Tanteraka ny sasany,
Ka efa nody amin-dRay;
Ny sasany dia mbola aty
Milasy amin-day.

2. Ka betsaka ny isany,
Na aty, na ao an-danitra;
Ny Rainy kosa dia iray, Andriamanitra;
Ireo maro namanao
Miantso koa maka anao
Hiaraka hiezaka
Hankao an-danitra;
Ka dia miezaha re,
Ka aza kivy hianao;
Jereo ao aloha ao
Ny loka ho anao.