679 – Moa te-hiara-dia?

1. Moa te-hiara-dia?
Moa te-hiara-dia?
O! ry hava-malala,
Ho ao Kanana izao?
Eny, te-hiaradia,
Fa antsoin’ilay Mpamonjy,
Ho ao Kanana izao:

Fiv : Dera, dera, haleloia!
Dera, dera, haleloia’
An’Andriamanitsika,
Izay ao ambony ao.

2. Kristy re no làlantsika,
Vatolampy, arontsika,
Izy no mitondra antsika
Ho ao Kanana izao.
Tano izahay, ry Tompo;
Hatanjaho ny mpanompo.
Ka tsilovy ny haleha
Ho ao Kanana izao!
Dera, dera, haleloia! sns…

3. Tazana ery sahady
Perla re ny vavahady,
Volamena ny tanàna
Ery Kanana ery.
E! hahita ny Mpamonjy,
Ka hifaly fa tra-bonjy,
Sy hidera re ny vonjy
Ery Kanana ery.
Dera, dera, haleloia! sns…