680 – Aingao ny masontsika

1. Aingao ny masontsika
Hitsinjo tany soa;
Fa ao ny Tompontsika
Manomana tokoa;
Tanàna, trano tsara,
Fiainan-tsambatra e!…
Izany no anjara
Ho an’ny mino re!

2. Ny andro fifaliana
Ho avy ka antenao;
Ny andro nihafiana
Ho foana sy handao;
Ny taona fihobiana
Homen’ny Tomponao;
Ho feno fifaliana
Izao rehetra izao

3. Ny andro maharavo
Tsy ho ela intsony izao:
Hiarina ny lavo
Handray ny tena vao.
Irio ny Tompo Avo,
Ho avy hanavao;
Ho faly izay mahazo
lzao fiainan-tsoa izao.