681 – Iza moa ireo mitsangana

1. Iza moa ireo mitsangana
ary an-koatra ary?
Ny Seza fiandrianana:
No eo anilany.
Haleloia! Mihobia
Fa mpandresy izay e!
Ka mitana ny rofia
Voninahi-dehibae.

2. Fahoriana mafy loatra
No nentin’izy ireo,
Kanefa tsy nitsoaka,
Nijaly, fa tsy leo.
Famonjena firenena,
Ady masina tokoa.
Nanolorany ny tena
Ho mpitory « Teny soa ».

3. O! ry mponina ao an-danitra,
Anjely marobe,
Omeo voninahitra
Ny maritiora e!
Ilay kanàna soa tokoa
No fonenany izao,
Hetaheta, sanatria
Tsy haninona azy ao.

4. Mba avia ry olombelona
Avia, ankalazao
IIay maty, nefa velona,
Jesosy Tomponao.
Dera, laza atolotray
Haleloia, haleloia!
Ho anao, Mpanjakanay,
Ho Anao doria, doria.