682 – Hianao, Jehovah Tompo

1. Hianao, Jehovah Tompo,
No itokiako,
Ka tsy matahotra aho
Fa manana Anao.
Ry harambato mafy,
Izay ao mandrakizay,
Ny foko tsy hanahy
Fa miankina aminao.

2. Mitsoka mafy loatra
Ny rivo-daza re,
Kanefa tsy hihoatra
Ny fefy lehibe.
Ry Aron’ny tanora,
Ry Tokin-dehibe
Ho heriko isan’ora
Ny herinao anie!

3. Raha tonga re ny fetra,
Ny andro tapitra,
Haneno ny trompetra,
Hihovitrovitra.
Kanefa matokia,
Ry foko, fa Jeso
Hitantana ny dia
Ho eo anilanao.