687 – Ny tranon’ny Raiko Trano madio

1. Ny tranon’ny Raiko Trano madio
Tsy misy mahory na zava-manjo,
Avia, ry malahelo! Hankao
Mizora, fa Izy hampiditra anao.

Fiv : :,: Sambatra re, izay tonga ao:,:
:,: Faly tokoa :,: izay tafiditra ao.

2. Mandalo izao fiainana izao,
Ka aza sondriana aty hianao
Ny ratsy izay mitaona reseo,
Ny any an-danitra no mba irio
:,: Sambatra re, sns… :,:

3. He, ao no ho hitantsika tokoa
Ny tavan’ilay Zanakondry madio;
Ny mpino tety no efa ao koa,
Maniry hihaona amintsika tokoa.
:,: Sambatra re, sns… :,:

4. Tsy misy manjo izay afa-mankao,
Na andro mahory hitseran’ny fo;
Fa any tsy misy alina koa,
Tanàna mazava, fonenana soa,
:,: Sambatra re, sns… :,:

5. Ny mino rehetra ory tety
Tafakatra any ka faly tokoa,
Mihira ny famonjen’i Jeso,
Midera ny fiandrianan’ny Ray.
:,: Sambatra re, sns… :,: