553 – Any an-danitra ambony

1. Any an-danitra ambony
Misy mijery anao ;
:,: He, feno antra ny fony,
Koa mangina izao!:,:

2. Ry rera-po mitomany,
Jeso onena anao ;
:,: Ampy ho toky izany,
Koa mangina izao!:,:

3. Na dia be ny mahory,
Izy hiaro anao
:,: Tsy ho tra-doza akory,
Koa mangina izao!:,:

4. Mba mahareta miandry,
Izy hanafaka anao ;
:,: Haka anao hodimandry,
Koa mangina izao!:,: