558 – Ity fonenana ity

1. Ity fonenana ity
Tsy manam-pitsaharana ;
Maniry aho ho ary
An-koatry ny fasana,
Ny lanitra no hitodiako,
Fa tena tanindrazako.

2. Kanefa mahatahotra
Ny ranobe alehako,
Fa ny tafio-drivotra
Manohitra ny samboko,
Ny tsèlatra, ny kotrokorana,
Mamely sy mandrahona.

3. Ny sambon’ny fiainako
Mamaky onja sarotra,
Ka amin’ny alehako
Mitopatopa fatratra
Ny alondranom-pahoriana,
Kanefa tsy maninona.

4. Fa ny Mpamonjy tokana
Mitarika ny samboko;
Ny Tompon’ny fiainana
Miara-mita amiko,
Mba ho tafita aho olony,
Ka honina any Aminy.