1. Ry mana-manjo!
Akaiky anao,
Ny Tompo, Ilay be fiantrana
2. Ka Izy anie
Hitahy anao,
Hanafaka ny mampahory.
3. Ny ory aty
Ho faly ary,
Ka aza mba be alahelo.
4. Ny Tomponao re
Hanefa tokoa
lzay hataky ny malahelo.
5. Ny lapany ao
Voavoatra ho anao
Honenanao mandrakizay re.