301 – He, sahanao, Mpamonjy ô

1. He, sahanao, Mpamonjy ô,
Izao rehetra izao
Ka be izao ny vokatra ao
Fa vitsy ny mpanao !

2. lndreto, tonga izahay
Hivavaka aminao,
Hanolotra ny tenanay
Hiasa ho Anao !

3. Ny firenena marobe
Sy nosy mba tahio,
Indrindra fa ny nosinay,
Ry Tompo ô, ahio !

4. Vimbinonao ny irakao,
Ny feony hamamio,
Indrindra fa omeonao
Ny zotom-po madio !

5. Tahio re ny olonao
Hihaino sy hanoa
Mba hahitany aminao
Ny antra mahasoa