313 – Miantrà ny firenena, ry Jesosy Tomponay !

1. Miantrà ny firenena,
Ry Jesosy Tomponay!
Ambarao ny famonjena
lzay nataonao fahizay;
Asehoinao ny hery
Namonjenao marobe;
:,: Ry Mpamonjy olom-bery!
Mamonje indray anie.:,:

2. Mba heveronao ny Nosy
Itoeranay izao;
Iantraonao, ry Jesosy,
Ny tsy mahalala Anao;
Iantrao ‘reo faritany
Anjakan’ny aizim-be,
:,: Mba ho tonga faingana any
Ny mazava lehibe.:,:

3. Be ny tany tsy voasa,
Vitsy ny mpanomponao;
Koa izahay mpiasa
Ao an-tanimbolinao
Mba omeo fo minia
Hankatò ny teninao,
:,: Ka aoka mba hikely aina
lzahay hiasa ao.:,:

4. Mankanesa, ry mpitory!
Ao an-tany lavitra ao,
Be tsy mahalala akory
An’i Jeso Tomponao,
He, ny fahantrany, indrisy!
He, ny hadalan’ny ao!
:,: Fa ny olona tsy misy
Hampianatra azy izao.:,:

5. Ny harena anomezo
Sy ny fahendrena koa.
Eny, Kristiana! Aelezo
lzay rehetra mahasoa;
Mankanesa re ‘zay tia
Ny Mpamonjy lehibe;
:,: Miantrà ka manampia
Ny mahantra marobe.:,: