1. Mandrosoa, ry mpanarato,
Aza ketraka izao!
Mandrosoa tsy miato,
Jeso re no herinao.
Ka ny jentilisa maro,
Havana sy tapaka,
Mba toroy ampahafantaro
An’Ilay Mpanafaka!
2. Mandrosoa, ry mpanarato,
Miezaha fatratra,
Ka na iza hisahato,
Aza mba matahotra.
Notolorana adidy
Hianao, ka miasà!
Na ho mamy na mangidy,
Aza fay na mba mandà!
3. Mandrosoa, ry mpanarato,
Ao an-drano lalina!
Misy ve hitora-bato ?
Anehoy fitiavana!
Raha kivy ny mpanota
Noho ny haratsiny,
Ento any Gologota
Amin’ny Mpamonjiny.
4. Mandrosoa re no baiko
lzay mifehy ahy izao,
Ka ny tena sy ny aiko
Raiso, Tompo, ho Anao!
He, afoiko manontolo
lzay ananako izao,
Ary raisonao daholo
Mba ho voninahitrao!