268 – Jesosy no Mpiandry ny fiangonanay

1. Jesosy no mpiandry
Ny fiangonanay !
Ny feon’Izy irery
No feo fantatray
Ka tsy mba vala maro
Ny Fiangonanay :
Iray tsy hay zaraina
Tapahin-Tompo iray !

2. Iray no vatolampy
Izay iorenanay,
Iray no fehizoro
izay ikambananay,
Iray no mofon’aina
Fihinanay ety,
Iray no antenaina
Ho azonay ary !

3. Tabain’ny hevi-diso
Kanefa mbola iray,
Ny saina tsy mitovy
Tsy mahazara anay !
Fisoko maromaro
Kanefa vala iray :
Ny Tompo no mpiaro
Ny fiangonanay !

4. Ny teny samy hafa,
Ny fomba tsy miray
Tsy misy maharava
Ny fikambananay !
Ny fanenjehana aza
Vao mainka mampiray
Sy mahatsara laza
Ny fiangonanay !

5.Ry Jeso hatanjaho
Ny fiangonanao ;
Ny fony halalaho
Mba hitoeranao !
Izay firaisan-tsaina
Miseho hatrety
Velomy hanan’aina
Hitohy hatrary !