812 – Ry Jeso Zokinay ô

1. Ry Jeso Zokinay ô!
Jeso malalanay,
Henoy ny vavakay izao;
Fa zandrinao izahay.

2. Batisa no nandio
Anay ho zandrinao,
Ka dia mba tahio
Hanaraka Anao,

3. Ry zokinay malala,
Arovy izahay
Fa be ny manadala,
Manimba ny fonay.

4. Ry Zokinay malala,
Trotroy ny zandrinao,
Rehefa mba hiala
Ho any aminao.