FF 33 – Inty aho Jesoa !

1. Inty aho Jesoa !
Miantso ahy Hianao
Na dia tsy mendrika e
Manolo-tena izao
Hianao no nifidy
Tsy haiko ny handà
‘Ty antso sarobidy
Ry Tompo, mamelà
Ny heloko rehetra
Diovy aho, havaozy
Ho olom-baovao
Hanao ny sitrakao
Ho mendrika tokoa
Ny antsonao Jesoa.

2. Inty aho Jeso miantso ahy Hianao
Ny fahalemeko anie
Ry Tompo fantatrao
Hianao no nifidy
Sy maniraka ahy
Avy Aminao Jesoa
Ny herin’ny fanahy
Ho entiko manao
Ny asa atolotrao
Fa sarotra e ny dia
Ry Tompo manampia
Ho mendrika tokoa
Ny antsonao Jesoa

3. Inty aho Jesoa
Miantso ahy Hianao
Mba ho fahazavan’
Izao tontolo izao
Hianao no nifidy ahy
Ho fanasina
Hanefa ny adidy
Lehibe sy masina
Koa hamasino, Tompo
Fa vonona aho hanompo
Hombay ny herinao
Hitondra aim-baovao
Ho mendrika tokoa
Ny antsonao Jesoa