FF 46 – Mba tantanonao, ry Raiko!

1. Mba tantanonao, ry Raiko
Izato làlan-janakao
Ny mifidy toa tsy haiko
Fa maniry indrindra Anao
Hitanao ny adi-tsaina
Mitambesatra ao an-doha
‘Zany tsikin’ny maraina
Toa ela vao hifoha

2. Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty làla-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako
O ! ry Tompo tena tia
Fa ity zavatra iriko
Masina amiko doria

3. Nefa, raha tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy
Atolorinao ny hery
Hampijoro izay nikoa
Ka sitranonao ny fery
Sy ny ratrako ao am-po