AN 24 – Miderà ny Tomponao

:,: Miderà ny Tomponao:,:
Ry Jehovah Tomponay, tafavory izahay; avy hankalaza Anao izahay vahoakao.
Faly, ravo izahay noho ny soa azonay; tonga mba hisaotra Anao voavotrao
Saotra tsara entinay, hira no asandratray mba ho fiderana Anao Rain’izao rehetra izao
(Famaranana 🙂
Derao, derao, dera no omena Anao

AN 22 – Jehovah Tomponay ô! Ray mandrakizay

Jehovah Tomponay ô! Ray mandrakizay, Andriamanitra Mpanjakanay, manerana izao rehetra izao ny herinao. Tsy tratry ny fisainanay ny voninahitrao, an-danitra ao.

Te-hidera Anao izahay noforoninao. Kanefa tsy hainay izay vavaka ho enti-mankalaza ny fiandriananao. Fa masina sady marina, be fahendrena, Hianao Izay andohalehan’izao tontolo izao. Noho ny famindramponao izay maharitra mandrakizay, Tompo ô! mba omeo ny Fanahinao Masina, hifona sy hitaraina ho anay. Amin’ny Anaran’i Jesosy Zanakao, mba henoy ny fivavakay.:,:

Noho ny haben’ny fahasoavanao, ary noho ny fitiavanao, jereo, Tompo ô, ny Fiangonanao! Mba ampiraiso, hatanjaho, arovy izy, mba hijoro amin’ny Teninao. Ka na mafy ny tafiotra sy ny alon-dranomasina, ny Ran’ny Zanakao no hamonjy azy sy hanavotra azy. Ampitomboy ny finoany.
Ny Anaranao ankalazaina mandrakizay, sy hanefanay isan’andro nyvoadinay. Mba raiso ny fisaoranay. Henoy, henoy ny vavakay, ry Tompo ô!

AN 21 – Jehovah ô! Hianao no Vatolampy

:,:Jehovah ô! Hianao no Vatolampy iorenan’ny finoanay sy fanantenanay, Jehovah ô, Jehovah ô!:,:
Mpamonjy mora azo indrindra, ka mety mba hanavotra izay manota.
Jehovah ô, Hianao no faleha: mijere anay, ry Tompo Masina ô! Dia tafionao ny hery vaovao ny mpanomponao, ho mendrika ny asa izay atao izao, aty antranonao, noho ny fitiavanao anay. Ka ny dera aman-data, hery voninahitra anie, ho Anao mandrakizay, Jehovah Tompo ô! Jehovah ô! Jehovah ô!
Jehovah ô! Hianao no faleha: mijere anay ry Tompo Masina ô!

AN 19 – Didy vaovao no omeko anareo

Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo. Eny, aoka ho tahaka ny nitiavako anareo, no mba hifankatiavanareo koa. Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, fa mpianatro hianareo, fa mpianatro hianareo, raha mifankatia.
Izao no didiko, izao no didiko, izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo. Tsy misy manana fitiavana lehibe, lehibe noho izao: manolotra, manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.

AN 18 – Saotra, dera, an’Ilay Mpanjaka Tompo Tsara

Saotra, dera, an’Ilay Mpanjaka Tompo Tsara, dia Andriamanitra. Izy mitahy ny taona ka finaritra re ny vahoaka, fa Izy miaro ny loza tsy hitranga matetika. Ny ranonorana tonga hanatsara ny zavatra maro; izay fitahiana rehetra dia ateriny avokoa. Miderà, saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana. Izy no derao eo anatrehan’ny vahoaka maro. Miderà, saotra no atero, fa tsy mba diso fanomezana. Izy no derao re, Izy no derao eo afovoan’ny fiangonana.

AN 17 – Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho

Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra aho. Avy aiza ny famonjena ahy? Ny famonjena ahy avy amin’i Jehovah, izay namorona ny lanitra sy ny tany. Jehovah no Mpiaro anao. Ny Tompo no fialofanao eo amin’ny ankavananao. Ny masoandro tsy hamely anao amin’ny atoandro na ny volana nony alina. Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra. Hiaro ny fanahinao Izy na mivoaka na miditra, hatramin’izao ka mandrakizay; Jehovah hiaro anao amin’ny ratsy rehetra hatramin’izao ka ho mandrakizay. Haleloia! Amena.

AN 16 – Isaoranay Jehovah Tomponay

Isaoranay Jehovah Tomponay, isaoranay Andriamanitray; fa be fitia ny Tomponay, ny Tompo tia anay, Mpanjaka tia, Mpamindra fo. Deraina Hianao. Isaoranay izao, fa be fiantra Hianao, Mpanjaka be fitia. Isaoranay ny Tomponay. Ny tany aty mandray fitahiana; ny lanitra ary mamoaka ny soa, ka misy tokoa ny vokatra tsara, Jehovah Tsitoha manambina anay. Deraina ny Anaranao Andriamanitray. He! faly izahay izao manao ny hiranay! Isaoranay Andriananaharinay Mpanjaka be fitia.

AN 15 – Voninahitra amin’ny avo indrindra

Voninahitra amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra, ary fiandrianana ho Anao, ry Tompon’ny tompo! Miankohoka eo anatrehanao izahay.

:,: Derao, hobio ny Anaran’i Jehovah! Azy anie ny dera sy ny laza ety an-tany ka hatrany an-danitra! Dia hamasino izahay, ry Tompo ô, hitoeran’ny voninahitrao.:,:

Voninahitra amin’ny avo indrindra, ho an’Andriamanitra, ary fiandrianana ho Anao, ry Tompon’ny tompo! Miankohoka eo anatrehanao izahay.