749 – Ny taom-baovao dia tonga indray

1. Ny taom-baovao dia tonga indray
Ho fiantsoanao anay
Mba hanolaranay Anao
Ny tenanay voavatrao.

2. Fa maro be, ry Tomponay!
Ny zava-tsoa nomena anay
Tamin’izao taon-dasa izao,
Izay isaoranay Anao.

3. Ny mafy izay manjo anay,
Tsy tonga foana aminay,
Fa mba ho fitahianao
Izay miankina aminao.

4. Ka enga anie ny otanay,
Izay mitambesatra aminay,
No hibebahanay izao,
Hanaovanay ny sitrakao.

5. Ny taom-baovao diavinay,
Ny taona teo tafitanay,
Ka dia ny fitarihanao
No mba irinay aminao.

748 – Havaozy Tompo ô!

1. Havaozy Tompo ô!
Izao rehetra izao
Ka aoka mba ho hita ao
Ny voninahitrao
Ry Tompo Mpanasoa.
Levony avokoa.
Ho fongotra tsy hisy re
Ny ratsy marobe.

2. Izao taona vaovao
Diavinay izao
Ho fanavaozan-dehibe
Ny tenanay anie!
Ka ny fiainanay
Izay ratsy hatrizay;
Ovay hatramin’ny anio
Ho tsara sy madio.

3. Havaozy , Tompo ô!
Ny Fiangonanao
O! akambano ho iray,
Hiray mandrakizay.
Ry Tompo be fitia,
Tongava, mamangia;
Mba tanteraho aminay
Ny fanavaozanao.

747 – Haleloia! Sambasamba!

1. Haleloia! Sambasamba!
Hitanay ny taom-baovao;
Avy izahay, Jehovah!
Mba hifaly aminao:
Fihirana no atao,
Saotra vavaka
No atolotray Anao,
Ry Mpamelona!

Fiv : Haleloia! Sambasamba!
Faly izahay izao;
Haleloia! Sambasamba!
Hitanay ny taom-baovao.

2. Lasana ny andro maro,
Be ny zavatra natao,
Na ny mety, na ny diso,
Samy efa fantatrao;
Aoka anie ny tsininay
Hovonoinao,
Fa ny mety vitanay
Mba haharitra:
Haleloia, sns…

3. Ka ny taom-baovao, Jehovah!
Aoka hanomezanao
Fahendrena ny mpitondra,
Hahasoa ny olonao;
Ka ny Fiangonana
Hamasinonao
Mba handroso marina
Hahalala Anao:
Haleloia, sns…

4. Mitsingerina ny taona,
Fohy andro izahay,
Vetivety dia hihaona
Aminao, ry Tomponay!
Enga ka ho hitanay
Ao an-danitra
Ny Sabata tsara izay
Tsy ho tapitra:
Haleloia, sns…

746 – Mifalia ry sakaiza !

1. Mifalia ry sakaiza
Fa nahazo taom-baovao ;
Zanahary no mitaiza
Ka isaory sy hajao !
Mihirà sy mihobia,
Jeso Tompo no derao ;
Miravoa, mifalia,
Velona aina ianao !

Fiv : Mifalia ry sakaiza
Fa nahazo taom-baovao ;
Zanahary no mitaiza
Ka isaory sy hajao !

2. Izao no andro mampifaly,
Andro lehibe anio,
Dia hira mahafaly
No hatao ankehitrio ;
Zanahary no mitàna,
Mifalia ianao !
Tonon-kira hoe : Hosana
No hatao aty izao
Mifalia, sns…

3. He Hosana, he Hosana,
Ho Anao ry Tompo ô !
Fihirana, fiderana
No asandratray izao !
Dera, saotra, hery, laza,
Ho Anao Mpanjakanay !
Ho Anao anie ny haja,
Raiso ho Anao izao !
Mifalia, sns…

752 – O, ry Jesosy ny Anaranao

1. O, ry Jesosy ny Anaranao
Manatsika ahy izao hanatona,
Hanolotra ny foko ho Anao
Mpamonjy tia sy Mpamelona !

2. Manatona aho ka miondrika
Hanoroka ny tongo-masinao
Izaho olona tsy mendrika
Ka mba havaozy Tompo, ho Anao !

3. Antsoiko isan’andro Ianao,
Ry toky tsara mahafatra-po,
Ka amin’ny Anara-masinao
No anankinako izay hanjo !

4. Raha Io no entiko mangataka
Hisokatra amiko ny lanitra,
Ka dia ho azoko malalaka
Ny zava-tsoa izay maharitra !

5. Mamirifiry izao tontolo izao
Tsy misy tena fitsaharana ;
Fa fiereko ny Anaranao
Ka ahitako fiadanana !

6. O, ry Anaran’i Jesosiko,
Ry paradisa aty an-tany ô !
Ry voninkazo mampifaly fo ;
Ry tohan’aina ao an-dalako,

7. Iriko andro aman’alina
Ny hanana Anao ho ao am-po ;
Ho tokiko raha mbola velona
Sy amin’ny hahafatesako !

750 – Dera, laza ry Mpanjaka

1. Dera, laza ry Mpanjaka
No atolotray Anao,
Noho Ianao nitahy
Tratranay ny taom-baovao !

2. Andro maro izay no lasa,
Be ny soa hitanay ;
Fitahia-mahagaga
Azo taminao ry Ray !

3. Marobe ny ratsy vita,
Lehibe ny helokay,
Ka tsy mendrika hiantso
Ny Anaranao izahay !

4. Miantrà ry Zanahary
Mamelà ny helokay
Ka sasao ny ran’i Jeso
Mba hadio izahay !

5. Aoka re ny andro sisa
Hanompoanay Anao ;
Atanjaho ry Jehovah
Izahay mpanomponao !