80 – He ny hoby ao an-danitra

1. He, ny hoby ao an-danitra
Fa Mpamonjy re no teraka
Io no Zanak’Andriamanitra
‘Lay tanteraka

Fiv : Mifalia (O! mifalia)
Mihobia (Sy mihobia)
Fa tonga ho anao ny Tompo tia
Ka mba hirao (Ka mba hirao)
sy lazao (sy koa lazao)
Ny famonjena azonao.

2. Zava-mahagaga fatratra
Ny fitiavan’ Andriamanitra:
Ny mpanota tafasaraka
Tonga sambatra!
Mifalia, sns…

3. O! ry tany izay asandratra
Ka vangian’ny Tompon-danitra
Inona ary no atolotra
Ny Mpanavotra
Mifalia, sns…

78 – Be ny voninahitrao Jeso Kristy Tompo

1. Be ny voninahitrao
Jeso Kristy Tompo!
Lanitra nonenanao,
Maro no hanompo.
Be ny mahasambatra,
Faly re ny fonao;
Nanam-boninahitra
Tao an-dapan-dRainao

2. Fa ny voninahitra
Efa nialanao;
Ny haren’ ny lanitra
Tsy mba nojerenao.
Teraka ho olona
Hianao nahery,
Ka avy mba hanavotra
Ny mpanota very.

3. Eny, tonga Hianao
Honina amin-tany,
‘Hahazoan’ny olonao
Soa tsy ho iany.
Sarotra ny lalanao,
Be ny zava-mafy,
Loza no nanjo Anao.
Maro no nandrafy

4. Saotra no aterinay,
Vavaka aman-dera;
Ravo ny fanahinay,
Ka avy mba hihira,
Vitanao ny asanao
Namonjenao aina,
Ka indro ny Anaranao
Velona ao an-tsaina.

77 – Tonga indray re ny Noely

1. Tonga indray re ny Noely,
Andro tsara sady soa,
Jeso Tompon’ny anjely
Nefa nietry tena koa ;
Indro tonga Zazakely
Ho sakaizanay tokoa,
Sy hamory ‘zay miely
Hody amin-dRainy koa !

2. He, ny fonay ravoravo,
Ry Noely maminay,
Fa ny Zanaky ny Avo
No nomeny ho anay !
Mba hanarina ny lavo
Sady ho fiainanay ;
Feno sy mitafotafo
‘Zany hasambaranay !

3. O ry androm-pamonjena,
Arahaba ianao,
Olo-maro sesehena
No mifaly aminao !
Avy koa mba hitsena
‘Lay Mpamonjy soa ‘zahay
Ka ny fonay no homena
An’i Kristy Havanay.

76 – Miderà anio, ry mino

1. Miderà anio, ry mino,
Ny Mpanavotra anareo !
Manandrata feo hidera
An’i Kristy Tompo soa !
Zanaky ny vehivavy
Nefa Andriananahary ;
Teraka ho olona
Mba hanavotra anareo !
Teraka any Betlehema
‘Lay Mpanavotra anareo !

2. Taitra ny mpiandry ondry
Ary koa nivadi-po
Tamin’ny anjely maro
Tonga tany aminy !
Fa isika tsy ho taitra
Fa ho faly sy ho ravo :
Sitraky ny Tompo soa
Nidina ka nankaty !
Teraka any Betlehema
Jeso Kristy Tompo soa !

3. Aza taitra, matokia,
Manatòna, mihainoa,
Mazotoa, ka avia
Maneke ny Tompo soa !
Arahaba, Tomponay ô
Tompom-pihavananay,
Teraka ho Tomponay,
Tompon’ny fiainanay,
Arahaba Tomponay,
Ry Mpanavo-dehibe !

75 – Andro malaza sady soa tokoa

1. Andro malaza sady soa tokoa
‘Lay andro ‘zay nisehoan’i Jeso:
‘Zay nantenain’ny mpaminany koa
Mba hampiseho fihavanana,

Fiv : Mifalia sy mihobia mafy,
Efa tonga ny Mpanavotrao;
Avia, ka miderà,
Derao io Zaza io,
;,: Hobio, hobio,
Fa Tompontsika io.:,;

2.Anjely maro no nihoby tao;
Mpiandry ondry nitsaoko Azy koa.
Ny olon-kendry koa nanasina Azy,
Andeha mba hankalaza Azy izao:
Mifalia, sns…

3. Dera sy haja no atolotray
Anao, ry Jeso ‘zay teraka anie:
Ka mba mandraisa ny fanatitray
Ho zava-mani-pofona tokoa:
Mifalia, sns…

74 – Tany Betlehema fahiny

1. Tany Betlehema fahiny,
Tao an-tranon’omby re;
Nisy Zazakely soa,
Tampofoan-dreniny,
Jeso Kristy Zaza io,
Zanak’i Maria madio.

2. Nahafoy ny Rainy Izy
Sy nandao ny lanitra,
Tsy nandà ny trano ratsy,
Nefa Andriamanitra:
Toe-pahantrana re
An’ny Tompo lehibe.

3. Fony Izy mbola Zaza
Dia nanaiky sy nanoa,
Ary tia reny Izy,
Sy nanetry tena koa,
Zaza Kristiana e!
Manaraha Azy re!

4. Ka ho hitantsika Izy
Noho ny fitiavany:
Fa ‘Lay Zazakely tsara
No mba Tompon-danitra,
Ka isika zanany
Dia hankany aminy.

5. Nefa tsy mba tranon’omby.
Itoerany izao,
Fa nankao an-danitra Izy.
Sy mitafy laza ao;
Ka ho sambatra any koa
Tahaka Azy ny zaza soa.

73 – Indro Zazakely zanak’i Maria

1. Indro Zazakely
Zanak’i Maria,
Tompon’ny anjely,
Nefa nankaty,
Io no Zazalahy,
Zanaky ny Ray.
Tonga mba hitahy:
Izy no anay.

Fiv : Mihirà, ry tany,
Sy ny mponina eo.
Hafalian-tsy lany,
Manandrata feo!
Jeso no deraina,
Fa Mpanjaka soa;
He! Ny fanjakany
Lehibe tokoa.

2. Zaza nantenaina
Fony ela be,
Sady Tompon’aina
Manan-kery be,
Mihirà, ry tany!
Eny, mifalia:
Hoy ny mpaminany,
Izy no Mesia:
Mihirà, ry tany, sns…

3. Jeso Zaza hendry,
Masina sy to,
Tompo voatendry,
Mpanadio ny fo,
Aoka mba hijery
Zao tontolo izao,
Zaza manan-kery,
Indro, mba hajao:
Mihirà, ry tany, sns…

72 – Teraka Jesosy Tomponay

1. Teraka Jesosy Tomponay,
Taitra ny olona fahizay,
Nisy anjely nihira teo,
Mahafinaritra, tsara feo,
Sady milaza soa aminay,
Dia hihira anio izahay

Fiv : Taona fahasambaranay,
Volana fifalianay,
Andro firavoravoana Anao,
Jesosy, Zanaka Masina ô!

2. Teraka Jesosy be fitia,
Indro kintana tonga teo,
Avy hanoro ny Zaza soa:
Faly ny Magy, fa Io tokoa,
Io no Mpanjaka mandrakizay
Dia nanaja androtr’izay:
Taona fahasambaranay, sns…

3. Teraka Jesosy Zaza soa,
Zaza Malalan’ny Ray tokoa;
Tonga hamonjy io Zaza io,
Teraka ao Betlehema anio;
Ento ‘zahay, Fanahy, hankao.
Andronay mahafaly izao:
Taona fahasambaranay, sns…

4. Sambatra manana Anao ho Ray,
Faly sy ravo tokoa izahay;
Jesosy Tompo nirahinao,
Tonga ho nofo ny Zanakao;
Teraka ho Mpanavotra anay
Avy hifaly eto ‘zahay:
Taona fahasambaranay, sns…

71 – Mihainoa, mihainoa

1. Mihainoa, mihainoa
Ny feon’anjely sambatra
Milaza fa vao teraka
Ny Zanak’Andriamanitra !
Mihainoa izao !

2. Mifalia, mifalia
Ry zanak’olombelona
Fa tonga Ilay Mpanavotra
Antsika izay nifatotra !
Mifalia izao !

3. Mba omeo, mba omeo
Ny fonao fa angatahiny !
Ny tenany natolony
Anao izay malalany !
Mba omeo izao !

4. Matokia, matokia
Ka manaraha Azy izao,
Ilay Mpamonjy be fitia
Nanetry tena ho anao !
Matokia izao !