85 – Avelao isika izay te ho tia

1. Avelao isika
Izay te ho tia
Ny Mpanavotra antsika,
Hanaraka Azy.

2. Aoka ho fantantsika
Ny fitiavany
Sy ny anton’ny asany
Hiderantsika Azy.

3. Be ny fiantrany,
Nijery ny ory,
Tratran-dRainy nialany
Ho teraka olona.

4. Be ny fiantrany,
Nijaly ka maty
Hamonjeny ny mpanota,
Ka Izy hisaorana.

84 – He ! Be ny hasoavana

1. He ! Be ny hasoavana.
Fa tonga ny fotoana,
Ka Kristy Tompo teraka
Hamonjy sy hanavotra.

2. Ny fahotan’ny olona
Dia lova tamin-drazana;
Isika trany avokoa,
Ka very re ny aina soa.

3. Inty ny Zaza Masina e,
Izay neken’ny Rainy hoe:
« Ny Zanako Malalako,
‘Zay mamiko sy sitrako.

4. Ny dera eran-danitra
Omeo an’Andriamanitra,
‘Zay nahafoy ny Zanany
Hanavotra ny olony.

83 – Ry Jeso ô! Hianao no mahavonjy

1. Ry Jeso ô! Hianao no mahavonjy
Izay rehetra hiankina aminao;
Tonga taty hitady sy hamonjy
Izay mpanota very Hianao.

Fiv : He! Ry mpanota very aty!
:,: O! mankanesa ho any aminy.:,:

2. Na dia Zana-janahary aza,
Na dia Tompo aza Hianao,
Tsy mba nitandro hery aman-data
Fa tonga olono ory Hianao.
He! Ry mpanota, sns…

3. Tamin’ny dianao nanaovan-tsoa,
Tsy nahalala sasatra Hianao;
Fa Hianao tsy nanana tokoa
‘Zay nametrahanao ny lohanao.
He! Ry mpanota, sns…

4. Dia nolatsaina sy nalam-baraka
Sy novonoin’olon-dozabe,
Ka dia maty Hianao Mpanjaka
Ho fanavotana olo-marobe.
He! Ry mpanota, sns…

5. Ny fasanao nambenan’ny mahery,
Nefa tsy ela tao ny Tomponay
Velona indray hamonjy olom-bery,
Velon-kanao fifonan-ko anay.
He! Ry mpanota, sns…

82 – He, Zaza mahasambatra

He, Zaza mahasambatra
No omena ho antsika;
Virjina no niteraka
Ilay Andriantsika,
Izay Zanak’Andriamanitra
Nandao ny voninahitra
Hanavotra ny very;
ka saotra no aterinay,
Ry Jeso Kristy Tomponay,
Mpamonjy manan-kery’

81 – Tao an-tsahan’i Betlehema

1. Tao an-tsahan’i Betlehema
Reo mpiandry ondry re,
Novangian’ny serafima
Sy anjely marobe !

Fiv : :,: Voninahitra ho an’Andriamanitra:,:
Amin’ny avo !

2. Njay ny hiran’ny anjely
‘Zay niredona tokoa :
« Indro tonga Imanoely,
Zaza masina sy soa » !
Voninahitra, sns…

3. Nofo notafian’ny Teny,
Lanitra nilaozany !
‘Ndao isika izao hankany,
Be tokoa ny lazany !
Voninahitra, sns…

4. Voninahitra ao ambony
Ho an’Andriamanitra !
Ka ny hira no redony
Solon-java-manitra !
Voninahitra, sns…