150 – He! Tsara ny fonenanao

1. He! Tsara ny fonenanao,
Andriamanitra ô!
Ziona tendrombohitrao,
Tanàna masina;
Ka iza no hiakatra ao?
Izay Izay mahitsy fo,
Izay madio tanana,
Izay manao ny to.
Ka mino ny Mpanavotra, (in-3)
Ireo hiakatra ao.

2. Mba misandrata faingana,
Ry varavarana!
Hidiran’ny Mpanjakanay
Be voninahitra.
Moa iza izao Mpanjaka izao?
Andriamanitra
Mahery sy mandresy koa,
Mpanjaka masina;
He, Izy ‘Lay Mpanjakanay (in-3)
Be voninahitra.

3. Miantranoa, Tompo ô!
Mba hifalianay;
Voavoatra ny tranonao,
Midira aminay;
Jehovah no Mpanjakanay
Mpanjaka tianay;
Ny hery; voninahitra,
Sy ny fisaorana,
Anao tokoa, ry Tomponay! (in-3)
Mandrakizay doria.


(Tiona 1 – Ratany)

(Tiona 2 – Sankey)

149 – Efa lasa Jeso Tompo

1. Efa lasa Jeso Tompo,
Hanamboatra izao
Fitoera-mahafaly
Iza re no tsy hankao?

Fiv : Fa ao ankoatr’i Jordana,
Ao an-danitra ao ambony
Misy fitsarahan-tsara
Ho an’ny madio.

2. Tany tsy idiran’ota,
Tany masina sy soa,
Ka izay rehetra hankany
Dia ho masina avokoa:
Fa ao, sns…

3. Fa izay matoky tena,
Ny tsy mety mino koa,
Tsy avelany hankany,
Fa ho laviny tokoa:
Fa ao, sns…

4. Ny mandao, ny fomba ratsy
Ny mahazo fo vaovao,
Ny navotan’i Jesosy,
Dia izy no hankao:
Fa ao, sns…

5. Ry mpanota saiky very!
Mibebaha re anio;
Maniria hovonjena,
Ka ny fahotana ario:
Fa ao, sns…

147 – Lasa ny Mpanavotsika

1. Lasa ny Mpanavotsika,
Ao an-danitra ary,
Mba hanoman-trano tsara,
Hitoerantsika ao.
:,: Mifalia,:,:
Ho tafiditra ao tokoa.

2. Lasa ny Mpisorontsika
Ao an-danitra ary
Ho Mpisolo vava koa
Ho an’olo-marobe.
:,: Matokia,:,:
Tsy ho very Hianao.

3. Lasa ny Mpanjakantsika
Ao an-danitra ary,
Mba handray ny fanjakana
Mety ho anjarany.
:,: Mihobia,:,:
Asandrato re ny feo.

148 – Ry varavaran-danitra ô!

1. Ry varavaran-danitra ô!
Ampandrosoy ny Tomponao,
Fa fandresena lehibe,
No efa vitany taty.

2. Moa iza izao Mpanjaka izao?
Mpandresy iza re izao?
Ny lazany manerana
Ny tany sy ny lanitra.

3. Io no Kristy Mparnonjy soa
Nisolo olo-meloka,
Ka satro-boninahitra
No mendrika ny lohany.

4. Anjaranao, ry foko ô!
Hanompo sy hanaraka
‘Lay Kapiteny lehibe
Nialoha ao an-danitra ao.

5. Ry Kristy ô! Mpanavotray!
Irinay mba ho hita koo
Izany voninahitrao
Sy ny fiandriananao.

6. Raha tapitra ny andronay,
Vohay ny varavaranao,
Ny trano namboarinao
Honenanay mandrakizay.

160 – Kristy Mpanjaka

1. Kristy Mpanjaka
Mendrika hoderaina
Izy no mitàna
Antsika ho velona aina
Derao, derao
Ilay Mpanjakanao !

2. Kristy Mpanjaka
Mendrika ho hajaina
Izy no mifona
Ho antsika novonjena
Hajao, hajao
Ilay Mpanjakanao !

3. Kristy Mpanjaka
Mendrika ny hibiana
Izy no hitsena
Ny olo-notahiana
Hobio, hobio
Ilay Mpanjakanao !

159 – Satrohy voninahitra

1. Satrohy voninahitra
Anjely masina ô !
Ilay voasatro-tsilo teo
Dia Jeso, Jeso, Jeso
Tompo tokana !

2. Ry afa-pahoriana,
Izay ao an-dapany !
Nombany tao an-dalana,
Ka saotra, laza, hery,
Aoka ho Azy re !

3. Taranaky ny lavo ô,
Izay natsangany
Ekeo Izy eram-po
Ka saotra, laza, hery,
Aoka ho Azy re !

4. Ry firenena marobe
Ambany lanitra
Miankohofa maneke
Fa Jeso, Jeso, Jeso
No Mpanjaka re !

158 – Raha afaka entana aho aty

1. Raha afaka entana aho aty
Ka tody any an-danitra ary
Ny hanakaiky Ilay Tompo tia
No hifaliako mandrakizay

Fiv : Satriko re ny hanome
Saotra tokoa eran’ny fo
An’Ilay maty fa velona indray
Hatrehiko ao anilan’ny Ray

2. ‘Ndrey ny haren’izao antrany izao
Izay handovako ilay tany vaovao !
Fa ny hahita ny tavany ao
No hiadanako mandrakizay
Satriko re, sns…

3. Hava-malala hihaonako ao,
Hobin-tra-bonjy hiaraha-manao
Mamy indrindra anefa izao ;
Kristy hatrehiko  mandrakizay
Satriko re, sns…

157 – Hobio, ry tra-bonjy

1. Hobio, ry tra-bonjy
Fa indro ny Mpamonjy
Miakatra indray
Tsinjovy Izy any
Mandray ny fanjakany
Ao an-kavanan-dRay

2. Ny hiran’ny anjely
Manako sy miely
Ary an-danitra ;
Injay, ny Ray Tsitoha
Miarahaba koa
Mandray ny Zanaka

3. O, miangà, ry foko
Fa aza mitoloko
Aty an-tany izao ;
Miandrandrà, jereo
Ilay voahombo teo !
Tsitoha Izy ao

4. Naharitra ny mafy
Niady sy nihafy
Ny Tomponao taty
Tahafonao izany,
Fa he ! ny fanjakany
Miandry anao ery

156 – Jeso Mpanjaka tokana

1. Jeso Mpanjaka tokana
Na aiza misy olona
Ny fanjakany hanerana
Ny tany sy ny lanitra

2. Vavaka sy fisaorana
Hakarin’ny navotana
Haharitra tsy tapitra
Hanolo-boninahitra

3. Ny firenen-drehetra anie
Hidera ny fitiavam-be
Ny zaza aza hanatitra
Ny hajam-boninahitra

4. Ny tany izay alehany
Dia feno fitahiany
Ny voagadra afaka
Miadana ny reraka

5. Izao rehetra izao anie
Hanatitra fisaoram-be
Ho an’ny Tompo tokana
Izay Mpanjakan-danitra

155 – An-tsezam-panjakany

1. An-tsezam-panjakany
Ambony kintana
No lapan’i Jesosy
Ilay nasandratra

2. Aty an-tany iva
Anilam-pasana
No ipetrahantsika
Zoim-pahoriana

3. Kanefa mety ihany
Ny monina aty
Hiomana ho any
An-danitra ary

4. Isika tsy kamboty
Na dia nilaozany ;
Nomeny ny Fanahy
Ho solon-tenany

5. Ny fahoriantsika
Dia efa maivana
Ny fahafantesantsiky
Dia afa-tsindrona

6. Ny ain’ny Jeso Tompo
Iainantsika aty
Tsy ela dia hiseho
Indray ny tenany

7. Ka hira no venteso
Ry havany izao
Ny senton’alahelo
Mba atsaharonao !