50 – Mifohaza ry matory fa re ny feon’ny Mpamory

1. Mifohaza, ry matory,
Fa re ny feon’ny Mpamory
Miantso izao tontolo izao,
Miaingà, ry vovontany,
Fa he! Jesosy avy any,
An-danitra hitsara anao.
Ry mbola velona!
Ry ao am-pasana!
Mitsangàna!
Miandrandrà ny lanitra,
Fa ny aty dia tapitra!

2. Kristy Tompo avy any,
Ka dia mangovitra ny tany
Fa be ny voninahiny
Na ny ratsy na ny tsara
Hanatrika Ilay Mpitsara,
Miandry ny anjarany,
Zarainy roa izao
Ny tafavory ao;
Ka ny tsara
Horaisiny ao aminy,
Ny ratsy dia ariany.

3. Jeso ô! izahay mifaly,
Na dia be ny mampijaly
Sy mahaketraka aty:
Hianao mahay manova
Ny fahorianay ho lova
Mahafinaritra ery.
Ry fasa-maizina ô!
Ry fahavaloko!
Aiza moa
Ny herinao, ny sabatrao?
Jesosy no Mpandresy izao

49 – Mba jereo ny Tompontsika avy ao an-danitra

1. Mba jereo ny Tompontsika
Avy ao an-danitra
Indro avy amin-kery
Ao amin’ny rahona .
:,: Haleloia ! :,:
Ambarao ny heriny.

2. ‘Zay rehetra fahavalo
Efa resiny tokoa;
Mifalia, ry anjely!
Mihobia, ry olona!
:,: Haleloia ! :,:
Ambarao ny lazany.

3. Fony mbola teto Izy,
Satro-tsilo nentiny;
‘Zao ny satro-bolamena
Mendrika ny lohany;
:,: Haleloia ! :,:
Ambarao ny derany.

4. Voaeso mafy Izy.
Be ny fahoriany
Fa izao, asandratra Izy
Ambarao ny hajany!
Ao amin’ny rahona.
:,: Haleloia ! :,:
He, ny voninahiny !

48 – Hevero ry mpanota ô ny andro fitsarana

1. Hevero ry mpanota ô,
Ny andro fitsarana!
Hiverina ny Tomponao
Hamaly fahotana;
Ny lanitra hahorana,
Ny tany dia hodorana,
Fa avy Ilay Mahery.

2. Trompetra no ho velona
Hotsofin’ny anjely;
Hisokatra ny fasana,
Hivory izay niely;
Ny maty dia hatsangana,
Isika koa hakarina
Hanatrika ny Tompo.

3. Ny boky hovelarina,
Fa io no manambara
Ny asa izay miafina,
Handraisana anjara
Ka aza mba mihevitra
Hahazo mihodivitra,
Fa fantatry ny Tompo.

4. Ry Tompo ô! Hazoninay
Ny tenim-panekena,
Ka mba arovy izahay
Hitana famonjena:
Ny ranao sy ny Fanahinao
No tokinay raha avy izao
Ny andro fitsarana.

47 – Ry Ziona, mihainoa

1. Ry Ziona, mihainoa!
Injay feo mafy mampifoha
Ny ampakarina izao.
Mbola alim-be ihany,
Fa ny fotoana no lany,
Ka avy ny malalanao.
Antsoiny hianao,
Alao ny jironao
Ka velomy;
Dia miaingà hivoaka,
Hitsena ny Mpampakatra!

2. He, Ziona ravoravo,
Fa reny izao ny antso avo,
Ka velona ny hobiny:
Indro, avy Kristy Tompo.
Hanafaka anay mpanompo,
Halainy hampakariny.
He, faly re ny fo!
Avia, Tompo ô!
O, hosana!
Mihaingo izao hitsena Anao,
Ry Kristy, ny malalanao!

3. Hira, hoby, fiderana
Asandratray mba hitsenana
Anao, Jesosy Tompo ô!
Tsy mba misy mitomany,
Fa mirana izay mankany
Am-pampakaram-badinao
Mahafinaritra
Ny hiran-danitra!
Haleloia!
Ilaozanay ny trano lay,
Miakatra ny dianay.

46 – O! ry Mpanefa ny toky rehetra

1. O! ry Mpanefa ny toky rehetra,
Moa ho ela vao tonga ny fetra?
Tena andrasanay ny fihavianao:
:,: Aza ela, re! :,:

2. He! lzahay, fa vahiny mandalo
Indro manenjika ny fahavalo;
Koa henoy re ny senton’ny olonao:
:,: Aza ela, re! :,:

3. He! Ny voavotrao dia miandry,
Na izahay na ireo nodimandry;
Tompo, tsinjovy ny fasan’ny olonao:
:,: Aza ela, re! :,:

4. Ary ny zavatra eto an-tany
Samy miara-misento ihany,
Ka manantena ny mba hihavianao:
:,: Aza ela, re! :,:

5. Mbola ho ela va Ilay antenaina?
Tsia, fa akaiky izao ny maraina;
Koa andrandrao sy antsoy ny Tompo hoe:
:,: Aza ela, re !:,:

6. « Tsy mba ho ela, fa faingana Aho,
Ary hanafaka ny mitalaho ».
« Eny, avia, faingàna, ry Tompo ô! »
‘.: Aza ela, re! :,:

45 – He, tonga ho antsika ny Tompo mora fo

1. He, tonga ho antsika
Ny Tompo mora fo,
Mpamonjy, havantsika,
Ilay mamindra fo !
Andeha mba hifaly
Isika ry zareo :
Nahazo Mpampifaly,
Ka manandrata feo !

2. Hajao ny Tompontsika,
Mpanjaka lehibe
Andriamanitsika,
Mpanala rofy be ;
Avia mba hidera
Ry mino tsara fo !
Avia manatera
Ny saotra ao am-po !

3. Ry Tompo Zanahary
Mihira izahay,
Fa teny mahafaly
No tonga ho anay !
Ny andro famonjena
No andro sitrakay,
Fanahy manantena
No ifalianay !

4. Ry Tomponay, mandraisa
Ny haja entinay
Tsy volamena anefa
Fa saotra aterinay !
Ry Jeso Tompo soa,
Isaoranay Hianao !
Fa lehibe tokoa
Ny fitiavanao !

44 – Indro Jeso, mba vohay

1. Indro Jeso, mba vohay,
Mba vohay !
Avy ho sakaizanao
Ka vohay !
Lay Malala fahizay
Sady sitraky ny Ray,
Tonga ho anao indray,
Ka vohay !

2. Indro Jeso, mba vohay,
Mba vohay !
Tompo tia ka mba hajao,
Mba vohay !
Honina aminao ety,
Ho sakaiza hatrery,
Ho anao mandrakizay,
Ka vohay !

3. Indro Jeso, mba vohay,
Mba vohay !
Mbola tia ka mba vohay,
Ka vohay !
Tena tia ka tsy mandao,
Raha ela sao dia lao !
Moa holavinao izao ?
Mba vohay !

4. Eo am-baravaranao,
Mba vohay !
Tsy manao an-ditra izao,
Ka vohay !
He ! mandona mora re,
Na dia Tompo lehibe !
Efa niandry ela be,
Ka vohay !

43 – Manenoa, ry farara

1. Manenoa, ry farara!
Horohoroy, ry tany
Ka miantsoa ny maty,
Fa akaiky ny Mpitsara;
:,: Indro Kristy:,:
Avy amin-drahona!

2. Ny feony no hampifoha
Ny any am-pasana;
Ny teniny no hamory
Ny velona rehetra;
:,:Samy handray:,:
Ny valin’ny nataony.

3. Ny tsy mino hilazany:
« Mialà voaozona,
Mandehana, mitoera
Ao amin’ny maizina »
:,: Ry mpanota:,:
Any ny anjaranao.

4. Fa ny mino hilazany:
« Avia, notahina,
Mandrosoa, mankanesa
Ho amin’ny mazava »
:,:Io, ry mpino:,:
Indro ! ny anjaranao.

42 – Vohay ny varavaram-po

1. Vohay ny varavaram-po
Ilay Mpanjaka manan-jo !
Mpamonjy izao tontolo izao
No tonga hanasoa anao !

2. Ny teny fanasana atao
Mitondra tena aim-baovao,
Ny fahoriana manjo
Afahan’ny famindrampo.

3. Mba mihainoa, maneke
Fa sambatra izay mandre,
Ka anjakan’ny Tompo to
Izay feno antra, mora fo.

4. Ny andron’aina mitatao
No mahafaly fo izao,
Mamiratra sy manome
Fanantenana lehibe !

5. Ny vavahady mba vohay !
Finaritra izay mandray,
Fa tonga Ilay Mpanjaka soa
Hanao ny asany tokoa.

6. Sokafanay ny fo izao
Ry Jeso, mba hidiranao !
Ny fahasoavanao anie
Hanananay harena be !

7. Atolotray, ry Tompo ô,
Mba hahatamana Anao ny fo ;
Ny famonjena vitanao
No iankinanay izao !