146 – Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray

1. Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray !
Anao ny fandresena
ry Mpanjakanay !
Ny fasana nivoha
noho ny herinao,
Ny Anaranao tsitoha
tsy voatana tao !

Fiv : Anao ny dera,
ry Zanaky ny Ray !
Anao ny fandresena
ry Mpanjakanay !

2. Ianao nandresy,
lao re ny fasana,
Ny fanjakan’ny ota
koa ho lasana !
Ny herin’i Satana vato nikodia ;
Ny Anaranao nandresy
haharitra doria !
Anao ny dera, sns…

3. He, ravo aho !
Izy no santatra
Izaho koa hifoha
mba ho sambatra !
Ny fandresen’i Jeso
lovako tokoa,
Ny Anarany Tsitoha
hanangana ahy koa !
Anao ny dera, sns…

145 – Efa velona tokoa

1. Efa velona tokoa
Hianao, ry Tomponay!
Ka ny herinao tsy toha,
No manjaka hatrizay;
Fa ny fasana, ny ota,
Noresenao avokoa,
:,: Zay no tokinay mpanota,
Tanjakay sy hery koo.:,:

2. Efa velona tokoa,
Hianao, ry Tomponayl
Lasa nanamboatra koa,
Fitoerana ho anay;
Tany tsy mba misy ota.
Tsy hidiran’ny manjo.
:,: Tany soa sy madio,
Maharavoravo fo.:,:

3. Efa velona tokoa,
Hianao, ry Tomponay!
Ka misolo vava koa
Sy mifona ho anay;
Ny Fanahinao Omena,
Mba hitari-dalana;
:,: He! Ny sentonay dia renao,
jeso tena Havana.:,:

4. Efa velona tokoa,
Hianao, ry Tomponay!
Ary mbola ho avy koa;
Avy mba handray anay,
Maminay, ry Tompo tsara!
Hiara-monina aminao;
:,: Eny, tena manan-jara
Zay mby eo akaikinao.:,:

143 – Vita izao ny fandresena

1. Vita izao ny fandresena,
Haleloia!
Jeso Kristy no hobina,
Haleloia!
Azo re ny famonjena,
Haleloia!
Verinay tary Edena,
Haleloia!

2. Ka izao dia arahabaina,
Haleloia!
‘Lay Mpanjakanay hajaina,
Haleloia!
Ka na zovy mitaraina,
Haleloia!
Misy vonjy azo maina,
Haleloia!

3. Betlehema niandohana,
Haleloia!
Kalvary niafarana,
Haleloia!
Fasana tsy nahatana,
Haleloia!
Toro teo ‘lay menarana,
Haleloia!

4. Saro-bidy re ny rany!
Haleloia!
Ny fitiavany tsy lany,
Haleloia!
Ny fatoranay vahany,
Haleloia!
Ka hobionareo, ry tany,
Haleloia!

142 – Tafatsangana tokoa

1. Tafatsangana tokoa
Haleloia
Jeso Kristy Tompo soa !
Haleloia
Maty nefa velona !
Haleloia
Mihirà ry olona !
Haleloia

2. Foana ny fasana
Haleloia
Indro, Jeso velona !
Haleloia
Toky tsy mamitaka
Haleloia
Mihirà ry olona !
Haleloia

3. Andro lehibe tokoa,
Haleloia
Andro fihobiana,
Haleloia
Afaka ny tahotra !
Haleloia
Mihirà ry olona !
Haleloia

4.Haja, laza, aterinay !
Haleloia
Jeso ô, Mpanjakanay,
Haleloia
Raiso re ny saotranay
Haleloia
Raiso koa ny tenanay !
Haleloia

141 – Efa resy izao na dia ny fasana aza

1. Efa resy izao
na dia ny fasana aza,
Ka asandrato re
ny hira sy ny feo,
Jesosy nampikoy
Lay rafy ‘zay nandoza,
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

2. Lasa ilay tahotrao,
ry foko ‘zay malemy,
Fa torotoro ‘zao
ny fahavalonao,
Tsy nahatohitra
ny sandrin’i Jesosy;
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

3. Efa lasa tokoa
ny ozona rehetra,
Nasehon’i Jeso,
miharihary izao,
Ny fitiavany
izay tsy misy fetra.
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

4. Kristy no santatra:
ny lalana mankany
Ho ao an-tranon-dRay,
mivoha tsara izao.
Ny fifaliana
manerana ny tany.
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

5. Kristy no fiainana:
izay matahotra Azy
Omeny tanjaka,
fanahy, fo vaovao.
Ka ataony velona,
mpandresy tahaka Azy,
Ry fahafatesana ô!
Aiza moa ny herinao?

144 – O! Avia mba hidera

1. O! avia, mba hidera,
Andro Jobily anio;
Ka faingàna, manatera,
Saotra, laza, ka hobio.
Indro tonga ny anjely,
Ka ny vato mikodia,
Tantaraina mba hiely
Velona (in-3) ny Tomponao.

2. Ifalio ny famonjena,
Andro Jobily anio;
Afaka ny firenena,
Voavonjy androtr’io.
Gaga teo ny mpanakora
Sy ny rafy marobe,
Ka miaiky moramora:
Velona (in-3) ny Tomponao.

3. Mba venteso re ny hira,
Andro Jobily anio;
Resy ny mpaniratsira,
Ka ny tahotrao ario.
He! Ny fasana efa foana,
Tsy nahazona Azy tao,
Tsy naharitra hateloana:
Velona (in-3) ny Tomponao.

4. Efa resy ‘zao Satana,
Andro Jobily anio;
Ny fatoranao vahana,
Ka hobio sy ifalio!
Lay Mpamonjy nolatsaina,
Velona ho avotrao,
Io no mendrika hoderaina:
Velona (in-3) ny Tomponao.

140 – Haleloia, Haleloia!

1. Haleloia, Haleloia!
Miderà ny Tomponao.
Manandrata feo hidera
an’i Jeso Kristy ‘zao.
Fa nijaly mafy lzy,
Sady voavono koa.
Nefa indro, velona Izy
Ao an-danitra tokoa.

2. Eny, velona ny Tompo
Mba ho santatsika koa,
Ka ho velona ny mino
Sy hitsangana tokoa:
Dia handray ny lova soa,
Satro-bolamena koa.
Ka hidera ny Mparnonjy
Sy ho sambatra avokoa.

3. Haleloia, haleloia,
Haja, hery, saotra anie
No hatolotra ny Tompo,
‘Zay Mpandresy lehibe;
Hoderaina lalandava
Fa mpanjaka manan-jo:
Haleloia, haleloia,
Hoderaina eram-po.

139 – He! Vita re ny ady izao!

1. He! Vita re ny ady izao!
Ny ota efa resy re,
Ny feo mifaly no atao.
Haleloia!

2. Fahafatesana no tao,
Fa Kristy naharesy izao
Ny fandreseny no derao,
Haleloia!

3. Ny andro nijaliana e!
Nisolo fifaliam-be,
Ka mihirà izay mandre:
Haleloia!

4. Ny gadra voatapany,
Ny efitra efa ravany;
Ka miderà ny heriny:
Haleloia!

5. Ry Tompo ô! Ny fiainanao,
Mamelona ny olonao,
Ka hoderaina Hianao,
Haleloia!

138 – ‘Ty no andro maharavo

1. ‘Ty no andro maharavo
Ora fifalianay
Lay Mpanarina ny lavo
No niady ho anay !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

2. Azonao ny fandresena,
Ry Mpamonjy velona,
Vitanao ny famonjena
Tafatsangana Hianao !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

3. Resinao ny fahotana
Voavoha ny fasanao !
Torotoro re Satana
Afaka ny olonao !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

4. Ry Mpandresy fandozana,
Raisonao ny hajanay !
Ry Mpamonjy, mitantàna,
Tano ho Anao ‘zahay !
:,: Haleloia, haleloia,
Ho Anao Mpanjakanay !:,:

137 – Vita izao ny fandresena

1. Vita izao ny fandresena
Haleloia, haleloia
Azo koa ny famonjena,
Haleloia;
Resy re ny fasana
Sy ny fahafatesana
Fahavalo farany,
Fa Jeso nitsangana,
Tonga fanafahana;
Haleloia (in-3)

2. To izao izay nambara:
Haleloia, haleloia
Fa ny fatotra nivaha:
Haleloia.
Foana ny fasana.
Jeso re nitsangana
Tamin-kery lehibe
Ka torio ry mino e!
Eran-tany mba ho re:
Haleloia (in-3)

3. Dia venteso ny hosana:
Haleloia, haleloia
Aoka tsy hihambahamba:
Haleloia.
Fa efa velona tokoa
Lay Mpamonjy tsy mba roa
Zay nisolo voina anao;
Izy no nisantatra
Ny fiainan-tsambatra:
Haleloia (in-3)