177 – Ry Fanahy Mpanazava mitariha anay izao

1. Ry Fanahy mpanazava,
Mitariha anay izao
Hianaranay ny Teny
Zay nampanoratinao !
:.: Dia hifaly
Izahay tarihinao:.:
———————
Esprit Saint, notre lumière,
Conduis-nous maintenant
Pour que nous puissions apprendre les Écritures
que Tu as inspirées
Alors nous serons dans la joie,
de nous laisser conduire.

2. Ry Fanahy mpanazava,
Maminay ny anatrao
Fa matanjaka sy hendry
‘Zay ampianarinao !
:,: Atanjaho
Izahay mpianatrao ! :,:
———————
Esprit Saint, notre lumière,
Tes enseignements sont un délice
Ceux que tu enseignes
sont forts et remplis de sagesse
Fortifie-nous,
Nous qui sommes tes disciples.

3. Ry Fanahy mpanazava,
Aoka tsy hangia anay
Ny angano sy tantara
‘Zay hamily dia anay !
:,: Mba sakano
Tsy handavanay Anao :.:
———————
Esprit Saint, notre lumière,
Que nos cœurs ne s’attachent pas
aux fables ou aux contes
Qui peuvent nous détourner de ta voie.
Que tu les arrêtes,
Afin que nous ne Te reniions pas.

4. Ry Fanahy mpanazava,
Ny Baiboly taminao
Dia fanilo sady toky
Hanatonanay Anao ;
:,: Mba tsilovy
‘Zay miankina aminao ! :,:
———————
Esprit Saint, notre lumière,
La Bible qui nous vient de Toi
Est à la fois une lampe et une assurance
pour nous approcher de Toi.
Éclaire ceux qui s’appuient sur Toi.

179 – Ny Fanahy Masina efa tonga tokoa

1. Ny Fanahy Masina efa
tonga tokoa.
Mba homba ny mpitory
ny Teny mahasoa.
Koa mitsangana izao
andeha ry mahery fo
Hatramin’ny faran’ny tany
torio ny Teny soa.

2. Voasaron’ny aizim-pito
Ny Nosinao;
Ny ody sy ny sampy no
Notompoiny tao;
Ny fahazarana koa,
Nangeja mafy tokoa,
Kanefa tonga ny mazava:
Resy ny aizina ao.

3. Ry fanahy voatafy hery
Ny Tompo anie
Ka efa miandry anao,
Injay miteny hoe:
« Angony, eny antsoy,
Hanatona avokoa
Ny firenena eran-tany
Ho mpianatro tokoa ».

4. Tompo tia ô,
Ekeko ny antsonao;
Hafoiko ny hareko,
Ny tenako izao,
Ho vavolombelona,
Hijoro, hanafika,
Hitory sy hamafy koa:
Tafio ny herinao.

178 – Avia Fanahy ô, midina Hianao

1. Avia Fanahy ô!
Midina Hianao
Hanova ny fo vatonay
Ho tonga fo vaovao.

2. Izay afafinay.
Tondrahan-drano koa,
Tsy mety misy vokatra
Raha tsy ambininao.

3. Fenoy ny herinao
Ny fon’ny olona
Hamelona finoana
Sy fitiavana

4. Fanahy Masina ô!
Tahio ny asa atao.
Ampandrosoy ao am-po
Ny hasoavanao.

176 – Avia Fanahy Masino ô, midina eto aminay

1. Avia Fanahy Masino ô,
Midina eto aminay
Fenoy ny hasoavanao
Ny fonay noforoninao !

2. Tongava ry Mpananatro ô,
Nomen’Andriamanitra
Ho loharano velona
Hiboiboika ao am-po !

3. Sokafy ny fanahinay
Hidiram-pitiavana !
Ny tenanay malemy koa
Ampaherezonao anie !

4. Reseo ny fahavalonay
Onòny koa ny tahotray ;
Tantano ao an-dalana
Hahatraranay ny lanitra !

5. Tahio mba hitiavanay
Ny Ray sy Jeso Zanany,
Sy hitokianay Anao
Izay Fanahy Masina !

175 – Avia, Fanahy ô, fanahy Masino ô

1. Avia, Fanahy ô,
Fanahy Masino ô!
Midina eto aminay
Hitari-dalana.

2.Fa diso làlana
Ka ory izahay;
Ny sainay dia maizina,
Ny fonay ratsy koa.

3. Midina Hianao,
Ry Mpanazava anay,
Hanaisotra ny aizina
Aty anatinay!

4. Avia Mpananatro ô!
Mombà anay tokoa;
Ampahatsiarovinao!
Ny teny mahasoa,

5. Ry Mpampianatra ô!
Ampionao izahay
Ka aoka re ho marina
Izay ianaranay!

6. Mitomoera aty
Anatin’ny fonay;
Izany indrindra Tompo ô,
No angatahinay!

174 – Fanahy Masina ô ny hevitray izao

1. Fanahy Masina ô!
Ny hevitray izao
Ovay ho vao;
Vonoy ny otanay,
Diovinao ‘zahay
Ka ny fanahinay
Onenonao.

2. Fanahy Masino ô!
Tsinjovinao izao
Ny olonao;
Mpananatro ô! Ovay
Ny eritreritray;
Ny hadisoanay
Esorinao.

3. Fanahy hendry ô!
Jereo ‘zahay izao!
Ka hazavao;
Adala izahay,
Mania ny hevitray;
Dia atoroy anay
Ny lalanao.

4. Fanahy Masino ô!
Mba asehoy izao
Ny antranao;
Be tahotra izahay,
Henoy ny hatakay,
Ka ny fanahinay
Ononinao.

189 – Ô, ry Fanahy Masina ô

1. Ô, ry Fanahy Masina ô
Mba midira ao anaty fo!
Taomy ny mania
Hody avokoa;
Eny, mitahia,
Manomeza soa
Miantrà ry Tompo ô!

2. Ô, ry Mazava lehibe,
Hazavao ny teny izay ho re!
Asehoy Jesosy,
Ambarao ny vonjy;
lasao ny Nosy
Mba ho voavonjy,
Miantrà ry Tompo ô!

3. Ry Afom-pitiavana ô,
Mba levoninao ny lolom-po!
Ampiraiso dia
Ireto ondry vitsy
Mba hifankatia
Ho iray mihitsy Miantrà, ry Tompo ô!

4. Ry Mpampifaly tsara ô,
Mba omeo toky re ny fo!
Mba hanantenanay
Fa ho voavonjy,
Ary handrenesanay
Noho ny Mpamonjy,
Miantrà, ry Tompo ô!

188 – Ry Fanahin’aina

1. Ry Fanahin’aina,
mpanazava saina,
Mpampionompo,
O, mba akekezo
Ireto miambezo
Hamindranao fo!
Hazavao
Ny olonao,
Mba handraisanao tokoa
Fanomezantsoa.

2. Mba ampivavaho,
Hafanao re aho
Hankalaza Anao!
Hataka sy sento
Asandratro, ento,
Ka valionao!
Anehoy
Sy ampinoy
Ny famindrampo mamonjy
Izay te-ho tra-bonjy!

3. Ô mba amosahy
Fahazavam-panahy
Ny fisainanay,
Ka ny fo tarafo,
Andreheto afo
Ny fanahinay,
Ka ombay
Re izahay,
Raha antsoinao hanambara
Ny Filazantsara!

4. Ô ry Andon’aina!
Tany karankaina
Mba vontosinao!
Dia ho vanom-boa,
Hahavoka-tsoa
Re ny volinao!
Indrafo
Sy teny to
No harena antenaina
Hanavao ny aina.

5. Ô mba areheto
Sy ampahareto
Ny finoanay!
Izahay afaho,
Ampahatanjaho
Ny fanahinay!
Tompo ô!
Miraiki-po
Aminao ny olom-bery,
Tonga manan-kery.

6. Raha mitoloko,
Tano re ny foko
Tsy handao Anao,
ka tsilovy dia,
Tsy haniasia,
Hahatody ao
Aminao
Ny zanakao,
Ao ny lova andrandraina
Fahasambaran’aina.

187 – Ny lanitra sokafinao

1. Ny lanitra sokafinao,
Midina ry Mahery
Ampisehoy ny sandrinao,
Ry Tompo manan-kery !
He manakora izao
Ny fahavalonao
Ka maro no mandà
Ny afo masina
Narehitrao, ry Jeso !

2. O, ry Mpitia olona,
Mpanjaka voahombo,
Ny Teninao dia velona
Mahery sy mitombo !
Ampahafantaronao
Izao tontolo izao
Fa tsy mba foana
Ny ranao masina
Nalatsakao fahiny !

3. Mba ampiraiso hina re
Ny olom-boafidy
Ka akambano mafy e,
Fa lova sarobidy !
Ny fitiavana
Madio sy marina
No aoka hanavao
Ny fiangonanao
Handraisanao ny dera !

4. Ny Nosinay, ny tranonay,
Ny vava aman-tsainay
Dia mba samy havaozinao !
Ry fototry ny ainay,
Ampiononinao
Ny manina Anao !
Avia ka mamonje
Avia mampandrese
Ny olonao mahantra !