541 – He, izany hira manako re

1. He, izany hira manako re,
Ilay zaza very tonga amin-dRay !
He, falifaly izay mandre,
Ilay efa maty velona indray !

2. lndro ny Rainy lasa nankao,
He, fa miteny : « Peratra soa,
Soloy ny lamba, kapa alao »
Ilay efa maty velona indray !

3. He, izany hoby an-tranon-dRay,
Fa voavonjy ilay nania !
Hobio, ry tany sy lanitra,
Ilay efa maty velona indray !

4. O, ry anjely an-dapa soa,
Miraisa hina hanandra-peo,
Aza mangina, fa mba lazao,
Ilay efa maty velona indray !

582 – Ry Jeso ô tahio izahay aty am-pandehananay

1. Ry Jeso ô! Tahio izahay
Aty am-pandehananay,
Ny hadalanay avelao,
Ny fonay koa ovay ho vao:

Fiv : Arovy re ny olonao,
Ny lalanay mba hazavao.

2. Ny aizim-be alehanay,
Mamely koa ny rafinay,
Tsy fantantray izay hanjo,
Ka be ny tahotra ao am-po:
Arovy, sns…

3. Mikasa mafy izahay
Ho tsara, nefa fantatray
Fa raha tsy ambininao,
Tsy misy azonay atao:
Arovy, sns…

4. Mba tano mafy izahay
Ambara- pahafatinay,
Dia ento ao an-danitrao
lzahay ho faly Aminao:
Arovy, sns…

828 – Hianao ry Kristy Tompo 447

1. Hianao ry Kristy Tompo,
No hasiniko izao,
Avy aho fa mpanompo,
Hiankohoka Aminao,
Raiso re ny dera, saotra
Tena mendrika ho Anao;
He! Ny foko faly loatra,
Faly mba hanaja Anao.
———–
C’est toi Christ Seigneur,
Que je glorifie maintenant,
Je viens comme serviteur,
Me prosterner devant toi
Reçois louanges, reconnaissances
Car Tu en es digne
Oui, mon cœur déborde de joie,
Heureux de t’honorer

2. ‘Zao no tena faniriako:
Ny ho velona aminao,
Ka hitoeranao ny foko,
Fa tsy holalovanao;
Eny, Tompo ô! Monena,
Mba monena ao tokoa,
‘Zay no tena famonjena,
‘Zay no mahafatra-po.
———–
Voici ce que je désire :
Être vivant en toi
Que tu demeures dans mon cœur
Que tu y restes,
Oui Seigneur habite en moi,
Habite pleinement en moi,
Ce qui est le signe de mon salut,
Et qui satisfait totalement

3. Tsy ho orin-java-tsoa
‘Zay rehetra itoeranao,
Tena sambatra tokoa,
Raha ny fo no lapanao,
Mandrosoa, fa vohako,
Ho Anao ny foko ‘zao
Eny Tompo fa vohako
Koa midira Hianao.
———–

Toujours comblés de biens
Ceux qui T’ont comme demeure,
Bienheureux sommes nous,
Si Tu règnes dans notre cœur
Sois le bienvenue Seigneur,
Je t’ouvre mon cœur
Oui Seigneur , je t’ouvre mon cœur

472 – Iriko e, ry Jeso, hitovy Aminao

1. Iriko e, ry Jeso,
Hitovy Aminao
lzay tsy manan-keloka
Fa masina tokoa !
Iriko e, ry Jeso,
Ho tonga toa Anao,
Namonjy sy nanafaka
Fanahy, aina koa !

2. lriko, ry Mpamonjy,
Mba ho sakaizanao !
Hiaraka ory Aminao
Ka tsy handao Anao ;
Iriko, ry Mpamonjy,
Hanara-dia Anao :
Ny hazo fijaliana
Ho entiko izao !

3. lriko, ry Mpandresy,
Hiaraka Aminao
Ho eo an-toby lehibe,
Ho miaramilanao !
Iriko, ry Mpandresy,
Hanaraka Anao,
Mitondra ny fanevanao,
Handray ny herinao !

4. lriko, ry Mpanjaka,
Ho ao an-dapanao ;
Hiara-paly Aminao
Fa tonga zanakao !
lriko, ry Mpanjaka,
Ho eo anilanao
Handray ny lova atolotrao
Mpanjaka be fitia !

590 – Kristy Tsitoha, Tomponay mahery

1. Kristy Tsitoha, Tomponay mahery,
Mba mitodiha re ny olom-bery,
Ka mamonje anay izay mania;
O, mba avia!

2.He, Hianao kiadin’ny mivalo,
Ka mba reseonao ny fahavalo;
Ny ta-hanimba ny Anao sakano
Izahay tantano!

3. Ny fiangonanao ampiadano,
Ny tanindrazanay re mba tohano,
Ny tena sy fanahinay tahio,
Ampifalio!

4. Ny asanao, ry Zana-Janahary,
Dia mankalaza Anao miharihary,
Ka izahay midera Anao Mpamonjy
Fa voavonjy!

588 – Tompo Mpamindra fo mahery sy tsitoha

1. Tompo Mpamindra fo!
Mahery sy Tsitoha
‘Zay nidina taty
Hamonjy ny mania;
Mivavaka Aminao
sy mitalaho izahay
Ny gadranay tapaho
hanafaka anay’

2.Tompo ô! Manjakà
Amin’ny olonao;
Faingàna, iantrao
Ireo izay narovanao;
Miondreha, mijere,
Izahay miandrandra Anao;
Ny herinao anie
Hatafinao ireo.

3. Tompo Mpanova fo,
Mpampionona tokoa.
Midina ka ampio
Izahay hahery izao.
Toky mamy loatra
No omena anay:
Hatrany ankoatra,
Arovinao izahay.

587 – Jehovah Tompo no itokiako

1. Jehovah Tompo no itokiako,
Fa mampitombo ny fifaliako;
Ny fo sy saiko miankina Aminy,
Izay ilaiko omen’ny teniny,
Ka tena aiko ny toroheviny.

2. Ampio aho, Jehovah Tompo ô!
Fa mitalaho izao ny zanakao,
Omeo hery hitanako ny to,
Mba tsy ho very ny rakitra ao am-po;
Hianao irery no iankinako.

3. Ry Kristy Tompo, mba mamonje anay
Mba ho mpanompo mazoto izahay,
Mpiasa tsara ankasitrahanao,
Izay manambara ny fitiavanao
Ka hiafara eo anatrehanao.

586 – Jesosy Kristy Tompo ô hianao no antenaiko

1. Jesosy Kristy Tompo ô!
Hianao no antenaiko;
Tsy misy Mpamonjy toa Anao,
Ry Heriko sy Aiko,
Fa tsy mba misy olona
Mahafaka ny heloko,
Tsy zakako nyentako,
Ry Jeso ô!
Hianao anefa tokiko.

2. Ny otako dia lehibe,
Ny foko dia ory!
Mpamonjy Ô, vonjeo re!
Ny heloko esory.
Ny Rainao tsara ilazao,
Fa izaho no navotanao,
Ka mba havela heloka,
Dia azoko
Ny fiadanana ao am-po.

3. Finoa-marina ao am-po
No aoka mba homenao,
Mba hanandramako tokoa
Ny tsirom-pamonjenao,
Mba hitiavako Anao
Sy ireo rahalahinao;
Raha avy ny fotoako,
O, mba vonjeo!
Ka mba reseo ny rafiko.

4. Ny saotra, dera, ho Anao,
Ry Raiko be fiantra,
Sy ho Anao, ry Kristy Ô,
Mpamonjy ny rnahantra,
Anao, Fanahy Masina,
Izay te na Mpampionona!
Izaho mba omeonao
Ny aim-baovao,
Haharitra ho olonao!