600 – Ry Raiko ô!

1. :,:Ry Raiko ô! :,:
Izaho aty mpivahiny
Manina ny tranonao,
Ka mba tariho
Ny zanakao.

2. :,:Ry Raiko ô! :,:
Indro, Satana milofo
Mba hanangoly anay,
Ka mba vonjeo
Ny zanakao.

3. :,:Ry Raiko ô! :,:
Maizina sady malama,
Sarotra ny lalanay,
Ka mba tantano
Ny zanakao

4. :,:Ry Raiko ô! :,:
Maro ny zava-mihatra,
izay mampanahy anay
Ka mba tohano
Ny zanakao

612 – Ry Ray mpiaro lehibe

1. Ry Ray Mpiaro lehibe,
Mba mihainoa ahy e,
Ka ampio aho hanao hoe:
Hatao anie ny sitrakao!

2. lzay rehetra sitrakao
No aoka mba hatao izao,
Fa mahasoa ny tianao :
Hatao anie ny sitrakao!

3. Na sarotra aza ny hatao,
Mba manampia ny zanakao
Hanaraka ny teninao :
Hatao anie ny sitrakao!

4. Na tonga aza ny manjo,
Ka ory sy mivadi-po,
Ho toy izao no teniko :
Hatao anie ny sitrakao!

5. Mba tanterahonao tokoa
Izay kasainao hahasoa;
Ny tena sy fanahy koa;
Hatao anie ny sitrakao!

6. He, Hianao dia tsy mandao
Izay voaray ho olonao
Ka mankato ny didinao;
Hatao anie e ny sitrakao!

611 – Jehovah Ray Malala ô

1. Jehovah Ray Malala ô!
Izay ao an-danitrao,
Henoy ny fivavahako
Ataoko aminao,
Fa Jeso Kristy Zanakao
No tena sorona
lzay entiko ho aminao
Mpamela heloka.

2. Ny lalako mba hazavao,
Hianao no jiroko,
Fa maizim-pito e izao
Sy be ny kotroka;
Na misy loza aza re
Izay mampamoy fo,
Tsy misy hatahorako,
Hianao no amiko.

3. Ny fikapohana, izay
Ataonao amiko,
Dia misy fananarana
Mba hibebahako;
Ny fahafatesana, izay
Ho tonga koa izao,
Dia lalana halehako
Ho any aminao.

4. Mba raisonao ny tanako,
Tantano aho izao,
Fa zazabodo, Raiko ô!
Ampio ny zanakao;
Na tondraka ny rano re
Ka safononoka ao,
Ny faty tsy ho tahotro,
Hodiako aminao.

610 – Ny foko, ry Jehovah ô!

1. Ny foko, ry Jehovah ô!
Fidio ho lapanao;
Ekeo ho fonenanao,
Ka ao no anjakao.

2. Ny foko, ry Jesosy ô!
Sasao ho voadio;
Izay eritreri-dratsy ao
Levoninao anio.

3. Ny foko, ry Fanahy ô!
Mba hamasinonao;
Avia, Fanahy Masina ê
Ovay ho fo vaovao.

4. Ray, Zanaka, Fanahy ô!
Mpamonjy mahasoa,
Mpanafaka ahy Hianao,
Isaorako tokoa.

609 – Hianao Jehovah Tompo!

1. Hianao Jehovah Tompo!
No hatoninay izao;
Avy izahay hanompo
Sy hanao ny sitrakao,
:,:Indro raiso,
Raiso ho Anao izahay.:,:

2. Mba tantano sy arovy,
Fa malemy izahay,
He! Marary sy farofy,
Hianao no herinay,
:,:Ody aina
Hitsaboanao anay.:,:

3. Mpivahiny ka mahantra,
Entonao, Fanahy ô!
Ana sy mangetaheta,
Asehoy ny antranao;
:,:Ranon’aina
Hosotroinay izao.:,:

4. Tranonao madio no any,
Vorodamba no anay,
Fa hilaozanay ny tany,
Ka soloy ny lambanay,
:,:Lamba fotsy
Hitafianay anie.:,:

608 – He, miandrandra Anao,

1. He, miandrandra Anao,
Jehovah Tompo ô!
Ny olonao;
Henoy ny vavakay
Vonoy ny helokay
Hahafantaranay
Fa zanakao.

2. Raha hodiavinay
ny tany maizina,
Tarihonao;
Fafao, Ry jesosy
Ny ranomasinay,
Ka mba esorinao,
Ny tahotray.

3. Mba manomeza anay
Ny hasoavanao,
Ry Tompo ô
Mba hahazoanay
Ny hasambarana
Tsy mety levona,
an-danitra.

4. Tohanonao izahay,
Rahefa tapitra
Ny andronay.
Ray ô! Mba hamoray
Ny hanalana anay
Ho any aminao,
mandrakizay.

606 – O, ry Raiko Izay mpandahatra

1. O, ry Raiko Izay Mpandahatra!
Vato fantsika mafonja!
Aminao no mifahatra
Itony foko safotra onja.

Fiv : Ry Tsitoha ô! Mijere!
Ry Mpamonjy ô, mamonje!

2. He, manonja mafy loatra
Itony fiainako voafofo
Toa dia diso tafahoatra
Ireo ankaso izay milofo,
Ry Tsitoha, sns…

3. Nefa kosa tsy mamoy!
Izany foko manantena!
Fa ny masonao manjohy,
Iandrandrako famonjena.
Ry Tsitoha, sns…

605 – Jeso Hery mahavonjy

1. Jeso Hery mahavonjy
Tena Fialofana,
Fa miantra sy mamonjy
Zanak’olombelona
:,:Hery soa, hery soa,
Itokianay tokoa:,:

2. Raha misy ny tafiotra
Izay mamely mafy anay,
Ny fitiany tsy ho ritra
Tokinay mandrakizay.
:,:Tsy mandao, tsy mandao,
Iankinana hatrizay:,:

3. Raha mambomba sy miaro,
Mampitony tahotra,
Jeso Tompo tia, Mpiaro;
Resy re, ny hovitra.
:,:Fa matoky, fa matoky,
Ilay ampinga lehibe:,:

4. Tianay tokoa tokoa
Ho an-tratranao doria,
Mba hatoky ka ho soa,
Ry Mpamonjy be fitia.
:,:Tompo soa, Tompo soa,
0! hazoninay tokoa:,:

603 – He sambatra Jesosy ô

1. He, sambatra Jesosy ô,
Ny ondry vitsinao!
Fa Hianao Mpiandry soa
Maharo ny Anao.
Ny ainao no natolotrao,
Ho an’ireo ondrinao,
Ny very tadiavinao
Hiaraka Aminao.

2. Izaho voamarika
Ho isan’ny Anao,
Anefa mba matahotra
Sao dia lavinao,
Ka aoka mba hotairinao,
Ny foko, raha hitanao
Fa mila ho sondriana
Sy diso làlana.

3. Ny hafanana mahamay
No mahatrotraka,
Anefa mbola tazanay
Ny fitsaharana.
Ho avy faingana anie
Ny andro soa lehibe,
Izay hamelaranao ny lay
Handrakotra anay.

601 – Misaotra Anao, Jesosy ô!

1. Misaotra Anao, Jesosy ô!
Ny olom-boavonjy,
Fa be dia be ny indrafo
Nataonao, ry Mpamonjy.
Fa tonga ory Hianao,
Ny ainao no natolotrao
Hisolo ny mpanota.

2. Ampibebaho izahay
Ho olonao manoa;
Ny ota iverasanay
Esory avokoa.
Ny fifaliana vaovao,
No aoka mba hasolonao
Ny alahelom-ponay.

3. Ampio izahay izao
Hinoanay ny teny
Izay nolazain’ny vavanao,
Fa tanjakay ireny.
lzao, no angatahinay,
Mba hatanjaho izahay,
Hanaraka izany.