582 – Ry Jeso ô tahio izahay aty am-pandehananay

1. Ry Jeso ô! Tahio izahay
Aty am-pandehananay,
Ny hadalanay avelao,
Ny fonay koa ovay ho vao:

Fiv : Arovy re ny olonao,
Ny lalanay mba hazavao.

2. Ny aizim-be alehanay,
Mamely koa ny rafinay,
Tsy fantantray izay hanjo,
Ka be ny tahotra ao am-po:
Arovy, sns…

3. Mikasa mafy izahay
Ho tsara, nefa fantatray
Fa raha tsy ambininao,
Tsy misy azonay atao:
Arovy, sns…

4. Mba tano mafy izahay
Ambara- pahafatinay,
Dia ento ao an-danitrao
lzahay ho faly Aminao:
Arovy, sns…

590 – Kristy Tsitoha, Tomponay mahery

1. Kristy Tsitoha, Tomponay mahery,
Mba mitodiha re ny olom-bery,
Ka mamonje anay izay mania;
O, mba avia!

2.He, Hianao kiadin’ny mivalo,
Ka mba reseonao ny fahavalo;
Ny ta-hanimba ny Anao sakano
Izahay tantano!

3. Ny fiangonanao ampiadano,
Ny tanindrazanay re mba tohano,
Ny tena sy fanahinay tahio,
Ampifalio!

4. Ny asanao, ry Zana-Janahary,
Dia mankalaza Anao miharihary,
Ka izahay midera Anao Mpamonjy
Fa voavonjy!

588 – Tompo Mpamindra fo mahery sy tsitoha

1. Tompo Mpamindra fo!
Mahery sy Tsitoha
‘Zay nidina taty
Hamonjy ny mania;
Mivavaka Aminao
sy mitalaho izahay
Ny gadranay tapaho
hanafaka anay’

2.Tompo ô! Manjakà
Amin’ny olonao;
Faingàna, iantrao
Ireo izay narovanao;
Miondreha, mijere,
Izahay miandrandra Anao;
Ny herinao anie
Hatafinao ireo.

3. Tompo Mpanova fo,
Mpampionona tokoa.
Midina ka ampio
Izahay hahery izao.
Toky mamy loatra
No omena anay:
Hatrany ankoatra,
Arovinao izahay.

587 – Jehovah Tompo no itokiako

1. Jehovah Tompo no itokiako,
Fa mampitombo ny fifaliako;
Ny fo sy saiko miankina Aminy,
Izay ilaiko omen’ny teniny,
Ka tena aiko ny toroheviny.

2. Ampio aho, Jehovah Tompo ô!
Fa mitalaho izao ny zanakao,
Omeo hery hitanako ny to,
Mba tsy ho very ny rakitra ao am-po;
Hianao irery no iankinako.

3. Ry Kristy Tompo, mba mamonje anay
Mba ho mpanompo mazoto izahay,
Mpiasa tsara ankasitrahanao,
Izay manambara ny fitiavanao
Ka hiafara eo anatrehanao.

586 – Jesosy Kristy Tompo ô hianao no antenaiko

1. Jesosy Kristy Tompo ô!
Hianao no antenaiko;
Tsy misy Mpamonjy toa Anao,
Ry Heriko sy Aiko,
Fa tsy mba misy olona
Mahafaka ny heloko,
Tsy zakako nyentako,
Ry Jeso ô!
Hianao anefa tokiko.

2. Ny otako dia lehibe,
Ny foko dia ory!
Mpamonjy Ô, vonjeo re!
Ny heloko esory.
Ny Rainao tsara ilazao,
Fa izaho no navotanao,
Ka mba havela heloka,
Dia azoko
Ny fiadanana ao am-po.

3. Finoa-marina ao am-po
No aoka mba homenao,
Mba hanandramako tokoa
Ny tsirom-pamonjenao,
Mba hitiavako Anao
Sy ireo rahalahinao;
Raha avy ny fotoako,
O, mba vonjeo!
Ka mba reseo ny rafiko.

4. Ny saotra, dera, ho Anao,
Ry Raiko be fiantra,
Sy ho Anao, ry Kristy Ô,
Mpamonjy ny rnahantra,
Anao, Fanahy Masina,
Izay te na Mpampionona!
Izaho mba omeonao
Ny aim-baovao,
Haharitra ho olonao!

584 – Arovy ny fanahinay Andriamanitra

1. Arovy ny fanahinay,
Andriamanitra!
Tariho ny fanahinay (in-2)
Hanaraka Anao. (in-3)

2. Hianao no hiankinanay,
Fa tsara Hianao;
Ka mamelà ny helokay (in-2)
Fa diso izahay. (in-3)

3. lzahay hiantso Anao,
Andriamanitra!
Ka henoy ny fivavaka (in-2)
Ataonay Aminao. (in-3)

4. Mitsinjova ny mpanota
Mahantra indrindra,
Fa Jeso, Ilay Mpanavotra (in-2)
No maty nisolo. (in-3)

583 – Mba tarihonao Tompo ô izahay

1. Mba tarihonao,
Tompo ô! Izahay,
Fantatray fa mpivahiny
Izahay ankehitriny;
Any Aminao
No honenanay.

2. Mafy ny manjo,
Reraka ao am-po;
Na dia be ny ady aza,
Tsy ho ketraka ny fonay;
Any Aminao
No halehanay.

3. Alahelo be
Ranomaso koa
Azon’ny fakam-panahy,
Saiky resin’ny devoly;
Fa ny sandrinao
Iankinanay.

4. Any Aminao
No honenanay;
Ry Mpitari-dàlan-tsara;
Mba tarihonao izahay re,
Hahatongavanay
Any Aminao.

597 – Ô ry Jesosy Mpamonjy mahery

1. Ô ry Jesosy Mpamonjy mahery!
Izaho maniry indrindra Anao,
Fa reraka aho ka mila ho very;
Ny foko saronan’ny ratsy izao:

Fiv : Ry Tompo, tsilovy,
Ny lalan’ny saiko,
Ka mba arovy
Ny fo sy ny aiko!

2. Efa hanafotra ahy ny rano,
Faingàna, Jesosy, vonjeonao re!
Ho difotra aho, ry Tompo, ka tano,
Diovy, afaho ny foko anie!
Ry Tompo, tsilovy, sns…

3. Efa akaikin’ny lalina aho,
Ka mila ho voa, hilentika ao;
Ry Tompo malala, ny foko tanjaho,
Ka mba hazavao hahalala Anao:
Ry Tompo, tsilovy, sns…

4. Aiza izao Hianao, ry Mpamonjy,
Ry Tokin’ny ory sy reraka ô,
No tsy mampiseho ny herin’ny vonjy
Hanafaka ahy, izay ory am-po?
Ry Tompo, tsilovy, sns…

5. Ô, ry Jesosy, izay naharara
Ny onja namely ny sambo tarý
Anivon’i Genesareta ho tsara
Toneo ny onjan’ny foko atý!
Ry Tompo, tsilovy, sns…