532 – Ry Jeso lohan’ny mpandefitra

1. Ry Jeso lohan’ny mpandefîtra,
Nilaozanao ny voninahitrao
Mba hahatonga anay mpiavona
Hanetry tena eo imasonao !

2. Ry tsy miavonavona am-po,
Izaho te-hianatra aminao
Mba hitsaharan’ny fanahiko,
Fa mampiadam-po ny entanao !

3. Ny fietrenao ry Voahombo ô,
No iakaram-boninahitra ;
Ny tany sy ny lanitra vaovao
Hataonao lovan’ny mpandefitra !

4. Mifandefera sy mifanajà,
Ry samy voavela heloka !
Miraisa hazofijaliana,
Hiraisantsika voninahitra.

533 – Iray ny Ray Tsitoha

1. Iray ny Ray Tsitoha,
Mpitia olombelona;
Iray ny Tompo soa,
Iray ny rano velona,
Iray ny vavahady
Izay hidirana;
Ny rafy sy ny ady
Dia iombonana.
Iray ny fahantrana
Ilaozantsika aty,
Iray ny fanjakana
Alehantsika ary.

2. Ry zana-janahary,
Ry voavela heloka,
Miraisa hina ary,
Ka mifandraisa tanana;
Mifamelà isika,
Fa samy meloka;
Mifanajà isika,
Fa samy zanaka.
Ry jeso be fitia,
Ampio ny olonao
Mba ho mpifankatia
Manahaka Anao.

535 – Finaritra ny manome

1. Finaritra ny manome
Ireo mahantra marobe
Ka mahafoy fananana
Hiantra ny tsy manana.
Izao no asa mahasoa
Izay manendrika tokoa;
Ny manome an-tsitrapo
Hitsinjo olona ory fo.

2. Ry olon’ Andriamanitra!
Mba mihetseha fatratra
Hamonjy sy hanafaka,
Hanampy ireo madinika.
Izay mamokin-tanana
Malain-kiantra namana,
Izay mihirim-belona
Tsy hanarn-piadanana.

3. Ny vola izay nafoinao
Dia tsy mba very foana izao
Fa ny mahantra no mandray
Ka lasan’i Jehovah Ray,
Ireo kamboty mba vangio,
Mpitondratena mba jereo;
Izao no fivavahana
Izay madio sy masina.

536 – Mifankatiava tsara

1. Mifankatiava tsara
Jeso no mampihavana,
Fa Izy no alalantsika
Amin’ Andriamanitra.

2. Mifankatiava tsara
Mba hahatsara antsika,
Fa fototry ny didiny
Sady anton’ny lalàny.

3. Hitsahatra finoana,
Mbamin’ny fanantenana,
Nefa ny fitiavana
Haharitra mandrakizay.

4. Mifankatiava tsara,
Tsy maharatsy namana,
Ary tsy mahatezitra
An’Andriamanitra koa.

529 – Jesosy no Mpiandry tsara maty tia

1. Jesosy no Mpiandry tsara maty tia,
Ny rany nampiray antsika olony ;
Fa izy no mandidy hampifankatia
Izay te-ho olony.

2. Ka manahafa Azy Tomponao, ry mino,
Tsarovinao ny didy izay natolony,
Fa tiany hifankatia isika mpino,
Fa samy olony.

3. Tsarovy fa iray tampo izao isika ;
Tsarovy re fa samy mpiantafika ;
Miraisa hina mba hiaraka tafita
Ho ao an-danitra.

4. Ka aza mba mijery arina an-tava ;
Mifanaraha tsara sy mifamelà,
Fa aza tia fotsiny amin’ny vava ;
Dia aza mifandà.

5. Mifankatiava ary mifanaova soa ;
Mifandefera tsy hiavona am-po ;
Vonoy re ny lolompo sy fosa koa,
Ka aoka ho tso-po.

6. Morà fo, mihavàna, maleme fanahy,
Ka aza mety hanaratsy namana ;
Mifankatiava re, toy ny mpirahalahy
Miara-dàlana.

7. Ka mivavaha re ho an’ny rahalahy,
Hiraisantsika tsara fa iray manjo ;
Ny fo izay tia tsy mba mampiahiahy,
Horaisin’i Jeso.

534 – Misy didy tena tsara

1. Misy didy tena tsara
‘Zay nomen’ny Tompo hoe :
Mba mifankatiava tsara
Hianareo ’zay mino e,
:,:Ka miraisa !:,:
‘Zao no didy lehibe

2. Tonga Jeso mba hanompo
Sy mba hampihavana ;
Tsy mpanaraka ny Tompo
‘Zay tsy tia namana
:,:Ka tadiavo:,:
‘Zay ho fampiraisana !

3. Fa iray tokoa ny Loha
Dia Jesosy Zanaka
Endriky ny Ray Tsitoha,
Izay halaina tahaka.
:,:Tsy ho resy:,:
Raha miray ny tafika !

4. Jeso no Ilay foto-kazo,
Tena voaloboka
Ka ny sampana halazo
Raha tafasaraka.
:,:Ikambano:,:
Ka aza mba mihataka !

531 – Ry Jeso loharanon’aina

1. Ry Jeso loharanon’aina
Izay foto-pahasoavana,
Ny fonay toy ny tany maina,
Fenoy fitiavana !
Ahidino ao ny tena aina
Mba hampifankatia anay,
Fandrao ho tonga very maina
Ny fitiavanao anay !

2. Ny hasomparana levony
Soloy fitiavana !
Ny lolom-po ampijanony
Ho tia fihavanana !
Ny fo malaky mankahala
Ovay ho tia namana !
Ampianaro hahalala
Ny didim-pitiavana

3. Toroy sy ampianaro
Ny fitiavanao zahay !
Mpiandry tsara o, velaro
Ny fonao mba ho hitanay !
Mba ho tarafiny tokoa
Ny fonay mbola maizina
Ka samy hifanisy soa
Sy hifamela heloka !

530 – Fitiavana ranovelona

1. Fitiavana rano velona,
Loharano lalina;
Ka miafina ao anatiny
Ny fiainan-danitra!

2. Fitiavana no nirahina
Avy tamin-Jehovah ;
O, mba raisonao, dia ho fantatrao
Ny fahasambarana.

3. Fitiavana didy tokana
Ary didy lehibe ;
Mitoera ao, hitoeranao
Amim-piadanam-be.