353 – Mba sainonao ange sao tsy mba fantatrao

1. Mba sainonao ange,
Sao tsy mba fantatrao,
Ny zava-dehibe
Nataoko ho anao:
:,:Hevero ka lazao, lazao
Izay mba vitanao.:,:

2. Ny lapako tary,
Ny fahefako tao,
Nilaozako taty
Hanavotra aina anao:
:,:Hevero, ka lazao, lazao
lzay mba foinao.:,:

3. Heveronao ange,
Ny nisoloana anao;
Nangidy indrindra anie
Ny nahazoana anao:
:,:Hevero, ka lazao, lazao
lzay mba nentinao:,:

4. Endrey! Ny aiko koa
Nomeko ho anao:
Tsy misy zava-tsoa
Tsy foiko ho anao:
:,:Hevero, ka lazao, lazao
lzay mba taminao.:,:

5. Ry Tompo be fitia!
Endrey, ‘ty vitanao;
lzaho ‘zay mpania
Tsy mahavaly ‘zao:
:,:Ny aiko no mba raisonao
Hanao ny sitrakao.:,:

355 – Ry namako mahantra, manaram-po izao

1. Ry namako mahantra
Manaram-po izao!
Ny ota no mandratra,
Sao simba hianao;
lzay anao rehetra
Ho lasa avokoa,
Fa tsy mba misy fetra,
Ho levona avokoa.

2. Ny Tompo be fiantra
Mangora-po tokoa
Mahita anao mahantra
Fa tsy mahita soa;
Natolony ny ainy
Ho vidin’ny ainao,
Nalatsany ny rany
Mba hanadio anao.

3. Ny Tompo malahelo,
Tsy foiny hianao,
Ny feo mamelovelo
Mibitsika aminao;
Onena anao ny fony
Ka mitaraina hoe:
Ny ota ajanony.
Mba ajanony re!

354 – Ny Mpamonjy no mitady fihavanana aminao

1. Ny Mpamonjy no mitady
Fihavanana aminao,
Izy no manambitamby
Hanatonanao izao ;
Sao manjary fandatsana
Ny fifonana aminao,
Ka ny mety mihavana
Amin’ny Mpamonjy izao !

2. Dieny misy hafanana
Ka mangoraka ny fo,
Manatòna ny Mpamonjy
Sao dia mangatsiaka indray !
lzao no andro famonjena,
Ka vonjeo sao neninao ;
Ry mpanota, miverena
Izao ankehitriny izao !

3. Sao ity no toriteny
Fara-fanasana anao ;
Sao anio no fotoana
Fara-ahavelomanao !
K’aza mba misalasala
Sao manjary neninao
Raha tsy mety mahalala
Izao fotoana mety izao !

4. Indrisy be ny fahotako,
Be ny ratsy vitako !
Sao tsy raisin’ny Mpamonjy
Ny mpanota tahaka izao ?
Miverena fa ny rany
Ampy hahadio anao !
Manatòna hosasany
lzao ankehitriny izao !

352 – Fantatrao va ny Mpamonjy

1. Fantatrao va ny Mpamonjy,
llay Tompon-danitra?
Jeso, Kristy sy Mpanjaka,
Zanak’Andriamanitra,
Lay nandao ny lapan-dRainy
Feno voninahitra
Tompo tonga mba hanompo
Noho ny fitiavana.

2. Eny, zava-mahagaga
Fietrena lalina:
Saro-bidy ka tsy foiny
‘Sika olombelona.
‘Lay Mpisorona Ambony
‘Zao no Jeso sorona,
Ka manolotra ny ainy
Mba ho fanavotana.

3. Ao ny lanitra mivoha
Miantso anao hiakatra:
Aoka tsy hiroa saina,
Manapaha hevitra,
He mitsotra moramora
Mba handray ny tànany;
Mitodiha: izao no ora,
Maneke ho zanany

351 – Tsy hangina re ny hoby noho hianao ry Ziona

1. Tsy hangina re ny hoby noho hianao ry Ziona,
Fa miposaka aminao ny fahazavana soa !
Ny fanilom-pamonjena, indro fa toriana
Hanazava ny olona tokoa !

Fiv : Mivoaha, asandrato ny fanevasoanareo !
Tsenao re ny Mpanjaka fa avy aminao
Ny famonjeny sy ny lova izay atolony anao,
Satria hianao dia tsy foiny !

2. Voninahi-panjakana isaloranao,
Sy anaram-baovao no iantsoana anao !
Fampakaram-bady, fety, anaingàna anao,
Mba ho an’i Kristy, Ilay Tomponao !
Fiv : Mivoaha, asandrato, sns…

3. O, Ry mpiambina tinendry eo ambony manda,
Aza avelanao hangina re ny feonao !
Ka hijoro izao ny mino fa tsy hisy banga
Eo an-tobin’i Jeso Tomponao
Fiv : Mivoaha, asandrato, sns…

350 – Hianao ry Ray no mibaiko

1. Hianao ry Ray no mibaiko
Hanaovanay ny asanao
Ka ny handà dia zava-tsy haiko
Na sarotra aza ny atao
Ny fitoriana lalaina
Natomboky ny mpianatrao
Dia tsy azo atao very maina
Fa he, tohizanay izao.

2. Fa mbola adidin’ny mazava
Mitondra ny fanala izao,
Hiainga, handeha hampisava
Ny aizina ao an’ala ao.
‘Reo rahalahy sy rahavavy
Dia be tsy mahalala Anao
Koa indro, Tompo, aho, avy
Hitory ny Anaranao.

3. Kanefa tsy ny eto ihany
No anirahanao anay,
Fa na ny any lavitra any
Dia samy mbola adidinay.
Hiezaka, hikely aina,
Ho mafy koa ny teninao
‘Zay hany tena mofon’aina,
Ho an’izao tontolo izao.

380 – Mba mifohaza re, henoy izao

1. Mba mifohaza re, henoy izao
Ny hafatra ataon’ny Tomponao,
Ny Tompo, lzay Mpanjaka manankery,
Mikatsaka anao, ry olom-bery!

2. Dondòniny ny fo, ka hianao
Mandrindrina ny varavaranao!
Tandremo sao ho sasatra ny fony,
Sao lasa Izy ka tsy avy intsony.

3. Fa indro Izy mbola aty izao
Mitady hampiverina anao,
Ka aza lavina ny Tompo tsara,
Sao hianao ho ratsy fiafara.

4. Faingàna àry, ka ampandrosoy
Ilay Sakaiza lzay nahafoy
Ny ainy ho anao mpanota very,
Tsy misy Mpamonjy afa-tsy lzy irery.

5. lfony aminy ny helokao,
Hariany ka tsy ho hitanao,
Ka hianao, izay mendrika ho voa, .
Hatsangany ho zana-dRay Tsitoha.

6. Ka raha renao ao anaty fo
Ny fiadanana, izay mahatô
Ny famelàna ny helokao rehetra,
Dia aoka mba handrasanao ny fetra.

7. Akaiky re ny fahafahana,
Ka mba zakao ny hatrotrahana,
Ho avy faingana Jesosy Tompo
Ka dia ho afaka ady ny mpanampo.

8. Rehefa hitanao ny Tomponao
Dia afaka ny hasasaranao,
Hijanona ny sento sy taraina
Fa hobin-danitra no hohiraina.

379 – Torotoro va ny fonao

1. Torotoro va ny fonao,
Ry mpanota re izao?
Ka ifonanao tokoa
Va ny hadisoanao?
Hianao va mitomany
Ka maniry mba ho any
Amin’i Jeso, lzay nandany,
Re ny ainy ho anao?

2. Ny Fanahin’ny Mpamonjy
Moa nangatahinao
Hampandray anao ny vonjy
Hahamasina anao?
Moa fantatrao tokoa
Fa ny rany mahasoa
Dia avotra naloa
Mba hahafa-trosa anao?

3. Maro no manaiky ihany
Araka ny vavany,
Fa hanoa ny Mpamonjy,
Ka ho tena havany,
Nefa kosa mbola tia
Fomba ratsy, ka mania,
Dia tsy handray fitia
Raha ao am-parany.

4. Koa dia miangavy
Aho, ry sakaizako,
Mahereza mba hitady
Fiadanana ao am-po,
Mba hatony ny Mpamonjy,
Angatahonao ny vonjy!
Dia tsy maintsy ho tra-bonjy:
Jeso no mamindra fo.

378 – Ho aiza, ho aiza izao hianao

1. Ho aiza, ho aiza izao hianao,
Ry havako izay mbola tia
Ny fomban’ny nofo manimba anao?
Avia, ry olo-mania!
Henoy, fa miantso ny Tompo!

2. Ho aiza, ho aiza izao hianao,
Ry havako mbola tamana
Ao amin’izao fivelomana izao,
Ka fatra-pikiry hitana
lzay zavatra halan’ny Tompo?

3. Hevero fa tsy mba mahafaka anao,
Ka tsy mba heken’ ny Mpitsara
Ny fahamarinana ao aminao;
Ny an’i Jesosy no tsara,
Ka dia katsaho ny azy!

4. Ekeo ny tenin’ny Tompo izao,
Inoy ny toky nomeny,
Ka dia ho hita ny làlam-baovao,
Izay voatoron’ny teny:
Jesosy no làlana tsara.

377 – Tsy mba hisy tonga ary an-danitra

1. Tsy mba hisy tonga ary an-danitra,
Raha tsy mandrombaka tokoa;
Ny mpiady tsara izay maharitra
No handray anjara lovasoa.
Ety ary tery ny vavahady ao,
Kely sy mideza ny lalana mankao;
Nefa aza kivy, ry havako izao,
Fa izay malaina dia ho very.

2. Maro no mitady hisakana anao,
Koa mba tohero, ry sakaiza;
Mba reseo mafy ny fahavalonao,
Fetsy izy ireo ka mahaiza.
lzay rehetra mamin’izao tontolo izao
Dia avelao fa mamandrika anao;
Aoka mba Jesosy no hifalianao:
Eny, hifalianao tokoa,

3. Satroboninahitra tsy ho azonao
Raha tsy katsahinao tokoa;
Fa hevero kosa ny fifalianao,
Raha tonga ao an-dapa soa,
Fa hahita maso ny Tompo hianao,
Ka hifaly amin’Andriamanitrao,
Koa miomàna re, ry sakaiza ô!
Mba ho faly ao am-pitsarana,

4. He, ny tany soa tsy mba ho hitanao,
Marina tokoa anie izany;
Ka ny ao an-danitra tsy ho azonao.
Raha fatra-pankafy ny tany;
Raha tsy matoky ny Tompo hianao
Dia helo afo no ho anjaranao.
Koa miverena, fa ny Mpanavotrao
Vonona handray anao mihitsy.

5. Dia miangavy, mangataka aminao;
Mba modia, ry mpirenireny!
Fa ny Tomponao ta-handray anao izao
Hianao tsy sitrany ho very.
Izy dia mananty ny tanany izao,
Ka ny fonao simba mba atolorinao
Hosoloan’i Jeso fo tsara sy vaovao:
lzany mba hevero, ry sakaiza!