449 – ‘Njay reko Tompo ô!

1. ‘Njay reko Tompo ô!
‘Njay re ny feonao
Miantso ahy Hianao
hankany Kalvary;

Fiv : Tompo lehibe!
Raiso aho e;
Mba sasao ny ranao soa
Izay tao Kalvary.

2. Malemy aho e,
Ka mitaraina hoe:
Vonjeo ny aiko Tompo ô!
Vonjeo ny olonao:
Tompo lehibe! Sns

3. Ny fiadanam-po
Mandresy ny manjo;
Esorinao ny tahotro,
Ry Tompo ô vonjeo:
Tompo lehibe! sns…

4. Mpanota tsy mandà,
Ry Tompo! mamelà;
Ny fahotako lehibe
lfonako tokoa:
Tompo lehibe! sns…

5. Ny foko tsy madio
Mba diovinao, anio;
Maloto aho, Tompo ô!
Sasao ho voadio:
Tompo lehibe! sns…

6. Ny foko no sasao,
Ka diovinao izao;
Ny fahotako marobe
Levony avokoa:
Tompo lehibe! sns…

448 – Ry Tompo ô! Tariho

1. Ry Tompo ô! Tariho
Ny ondrikelinao,
Tantano sy vimbino
Hanao ny sitrakao;
Raha misy hafaliana,
Dia taomy mba ho tia;
Raha sendra fahoriana,
Sakano tsy hania.

Fiv : Ry Jeso ô tazano,
Ny lalanay izao,
Tariho sy tantano
Ho ao, am-balanao;
Anio dia mikasa
Hanolo-tena koa
Fa nenina ny lasa Hiezaka tokoa.

2. Anio ho hafaliako,
Ny foko lasanao,
Ny maminao no tiako,
Hatao ny sitrakao.
Ny androko rehetra,
Atolotro Anao;
Anao tsy misy fetra,
Ka raiso, anjakao:
Ry Jeso ô tazano, sns…

447 – Ianao ry Kristy Tompo

1. Ianao ry Kristy Tompo
No hasiniko izao,
Avy aho fa mpanompo,
Hiankohoka Aminao ;
Raiso re ny dera, saotra
Tena mendrika ho Anao
He, ny foko faly loatra,
Faly mba hanaja Anao !

2. ‘Zao no tena faniriako :
Ny ho velona aminao
Ka hitoeranao ny foko
Fa tsy holalovanao !
Eny, Tompo ô, monena,
Mba monena ao tokoa,
‘Zay no tena famonjena,
‘Zay no mahafatra-po !

3. Tsy ho orin-java-tsoa
‘Zay rehetra itoeranao,
Tena sambatra tokoa
Raha ny fo no lapanao !
Mandrosoa, fa vohako
Ho Anao ny foko ‘zao,
Eny Tompo fa vohako
Koa midira Ianao !

446 – Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko

1. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko,
Fa Hianao no tena loharanon-tsoa !
Izao tontolo izao manintona ny saiko
Hihataka Aminao, ho babony tokoa

2. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko,
Ho eo an-tananao hosakambininao,
Hohatanjahinao ny tena sy ny saiko,
Hisikina tokoa hiady ho Anao !

3. Atolotro Anao ny tenako, ry Raiko,
F’izany indrindra re no hetahetako,

Ny ran’ny Zanakao mitory ao an-tsaiko
Mba hanolorako Anao ny tenako !

445 – Jeso mora fo indrindra

1. Jeso mora fo indrindra
Tsara sady mahasoa,
Tsy miova tsy mifindra,
Tompo be fitia tokoa.
Mba iriko ho toa Azy
Tsy mba mety soso-po
Ka hionona ny foko
Raha avy ny manjo.

2. Jeso tia, nanetry tena
Sy nandefitra tokoa,
Nefa tompo be harena
Sy Mpanjaka foto-tsoa.
Mba iriko ho toa Azy
‘Zay ninia ho ory koa;
Ka ny sainy no fidiko,
Fa fiainana tokoa.

3. He manolo-tena aho,
Ho Anao, ry Tompo soa!
Ka ny heloko rehetra
Mba sasaonao avokoa.
Enga ka omenao ahy
Fo madio sy vaovao,
Mba hahaizako manefa
‘Zay rehetra sitrakao!

444 – Ry Raiko feno antra

1. Ry Raiko feno antra!
Inty ny zanakao,
Ny foko dia mahantra
Raha lavitra aminao;
Fa tany karankaina
Izao tontolo izao
Ka reraka ny aina
Mihataka aminao.

Fiv : Ry Raiko feno antra!
Inty ny zanakao,
Ny foko dia mahantra
Raha lavitra aminao.

2. Nivezivezy aho
Nikaro-java-tsoa,
Izay rehetra hita
Nandramana avokoa;
Nandany taona maro
Nanaran-tsitrapo,
Kanefa tsy nahazo
Izay mahafa-po.
Ry Raiko feno antra!, sns…

3. Mamitaka mihitsy
Izao tontolo izao,
Ny mamy dia mangidy,
Izay tena soa tsy ao;
Koa aza mba adalainy
Intsony re, ny fo!
Andeha mba ho hendry
Hatramin’ny anio.
Ry Raiko feno antra!, sns…

4. Ry Jeso, Mofon’aina
Sy ranon’aina koa
Hianao no mahatony
Izay filan’ny fo;
Hianao no mahavoky
Hianao no manome
Izay irin’ny foko,
Dia hasambaram-be
Ry Raiko feno antra!, sns…

443 – Raiso ho Anao ny foko

1. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jehovah Raiko ô !
Mitoera aty am-poko
Mba ho tompon-trano ao !
:,: O ry Raiko, O ry Raiko
Mitoera ao izao !:,:

2. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jesosy Tompo ô !
Tsy mba vola fa ny foko
No atolotro Anao !
:,: Raiso Tompo,  raiso Tompo
Fa fanati-tsitrapo ! :,:

3. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Fanahy Masina ô !
Hazavao ny ao am-poko,
Diovy ho tempolinao !
:,: Indro raiso, indro raiso
Itokàny ho Anao ! :,:

4. Tsy harindriko ny foko
Fa vohako ho Anao
Ka midira aty am-poko,
Manjakà irery ao !
:,: Eny Tompo, eny Tompo
Raiso aho ho Anao ! :,:

442 – Endrey! ‘ty fahotana

1. Endrey! ‘ty fahotana,
Mamely ao am-po
O! ady mampahana,
Ka mafy ny manjo;

Fiv : :,: Vonjeo, ry Mpiantra!
Izaho zanakao
Fa tery sy mahantra,
Miady lava izao. :,:

2. Ry Antoky ny aiko!
‘Zay mahaftra-po,
Ry toky antenaiko!
‘Zay tanjaky ny fo;
Ny tena sy fanahy
Apetraka aminao,
Ka ataovy lehilahy
Mpandresy toa Anao.
sns…

3. Izaho no Mpamonjy,
Ka matokia tokoa,
Izaho mahavonjy,
Koa antenao ny soa;
Ny sandriko mahery
No iankinonao,
Hianao dia tsy ho very,
Minoa hianao.
sns…

4. Ry Tompo manan-kery!
Ny fitiavanao
Fitia feno hery,
Ka raisiko izao;
Ny dera aman-daza
No mendrika ho Anao,
Ny foko hankalaza,
Ny voninahitrao.
sns…

441 – Raiso aho, Tompo ô

1. Raiso aho, Tompo ô,
Fa te ho mpanomponao !
Raiso koa ny androko
Ka anarano fo izao !

2. Raiso re ny tanako
Mba hanao ny asanao ;
Raiso koa ny tongotro
Ho fanirakirakao !

3. Raiso ny fahaizako
Ento mba hanaja Anao ;
Raiso koa ny volako
Ho Anao tokoa izao !

4. Raiso re ny vavako
Hampiseho ny hafatrao ;
Raiso koa ny feoko
Ho mpanandratra Anao !

5. Raiso ny fanahiko
Diovy ho tempolinao ;
Raiso aho, Tompo ô,
Ho Anao mihitsy izao !

6. Ho Anao manokana,
Ry Mpamonjy Tompo soa,
Ho Anao dia Anao tokoa :
Ho Anao mandrakizay !