581 – Aiza re no hahitako izay hampionona ny fo

1. Aiza re no hahitako
Izay hampionona ny fo?
Iza re no handrandraiko,
‘Ndrao dia tolan’ny manjo?
O! ry ory sy mahantra,
Manatòna Ahy izao
He, ny foko feno antra
Hampiadana anao.

2. Aiza re no hahitako
Izay hanala tahotra?
Fa ny làlana ombako,
Mahatora- kovitra!
Aza kivy, ry mahantra:
Manatòna Ahy izao;
He, ny foko feno antra
Ampy hiafenanao.

3. Aiza re no hahitako
Izay hamela heloka?
‘Ndrisy re ity fahotako
Tena mahaketraka!
Ry sakaizako mahantra!
Mba minoa Ahy izao;
He, ny foko feno antra
Hanavotako anao.

4. Ry Jesosy ô! Malala!
Fialofako Hianao;
Izaho tsy hisalasala
Hiantoraka aminao.
Eny, manatòna Ahy
Feno fitiavana;
Aza manana ahiahy;
Izaho no mpiantoka.

577 – Jeso Sakaizanay

1. Jeso Sakaizanay,
Sakaiza rahateo!
Indreto izahay, vonjeo,
Fa be ny adinay :

Fiv : Jeso Sakaizanay,
Sakaiza rahateo!
Indreto izahay, vonjeo,
Fa be ny adinay.

2. Jeso Sakaizanay,
Sakaiza be fitia!
Tariho izahay hanao
Ny zava-tianao :
Jeso, sns…

3. Jeso Sakaizanay,
Sakaiza tsy mandao!
Na dia mpanota aza re
lzahay mpanomponao :
Jeso, sns…

4. Jeso Sakaizanay,
Sakaiza tsy mamoy,
Na ory na finaritra
Izahay ankehitrio :
Jeso, sns…

5. Jeso Sakaizanay,
Omaly sy anio,
Ka mbola ho Sakaizanay
Mandrakizay doria :
Jeso, sns…

576 – Ry Sakaizan’ ny mpanota

1. Ry Sakaizan’ ny mpanota!
Fantatrao ny zanakao,
Fa malemy, mora lavo,
Ka mangataka aminao ;
:,:Mba todiho, mba todiho
Ka henoy ny vavakay.:,:

2. Raha mitombo harena
Noho ny fanambinanao,
Na matanjaka ny tena
Noho ny fitahianao,
:,:Mba tantano, mba tantano,
Sao tsy mahalala Anao.:,:

3. Raha mamely ny devoly,
Fahavalon-janakao,
Ka mandroso manangoly
Hampisaraka aminao,
:,:Mba tazôny, mba tazôny,
Fa tsy mahatana Anao:,:

4. Raha mangirifiry mafy,
Noho ny tsorakazonao,
Ka ny havana rehetra
Tsy mahita izay hatao,
:,:Mba tsidiho, mba tsidiho,
Fa maniry indrindra Anao:,:

5. Raha tonga ilay fotoana
Hiverenana aminao,
Ka manahinahy foana
Noho ny ratsy izay natao :
:,:Mba tohano, mba tohano,
Hahatsiaro tsara Anao:,:

575 – Ry Jeso ô! Sakaiza

1. Ry Jeso ô! Sakaiza,
Mpamonjy tia anay!
Raha mbola mianjera
Ny rian-drano be ;
Mifofofofo mafy
Ny rivo-doza be,
Vimbino izahay re,
Mba tsy ho faty ao.

2. Arovy izahay re,
Ry Jeso Tomponay!
Ambara-pahalasan’
Ny loza izay manjo ;
Dia ento izahay re
Ho any aminao,
Ka raiso ny fanahy
Ho faly aminao.

3. Kanefa raha mbola
Hijanona izahay
Aty ambony tany
Ka malahelo fo,
Na misy fahavalo
Miady aminay,
Avia, Jeso Tompo!
Ampio ny olonao.

4. Tsy tambonay isaina
Ny olona aminao ;
Hiadana tokoa
Izay horaisinao ;
Fa Jeso no Sakaiza,
Anjely maro be
No hiaraka aminay ao
An-dapa rahatrizay.

574 – Aza kivy hianao

1. Aza kivy hianao
Azom-pahoriana,
Tany no fonenanao,
Misy fihafiana,
Matokia hianao.
Raha tratry ny manjo,
Jeso Tompo herinao,
Aza mety rera-po.

2. Aza kivy hianao
Noho ny manjo izao,
Raha Jeso aminao,
Afa-tahotra hianao ;
Matokia hianao.
Fa Jeso Tompo tia tokoa,
Ka izao rehetra izao
Dia mety mahasoa.

3. Aza kivy hianao
Na dia ory aza ety,
Ny Mpanjaka Tomponao
Mba nihafy koa tety ;
Matokia hianao.
Na inona mihatra izao,
Jeso Ilay Sakaizanao
Tsy mba mahafoy anao.

573 – Mahereza ry sakaiza

1. Mahereza, ry sakaiza
Vontom-pahoriana!
Matokia, aza kivy,
Kristy mialoha anao ;
:,: Matokia,:,:
Mahereza hianao.

2. Aza mba matoky tena,
Foana ny herinao ;
Tano mafy ny apinga
Izay atolony anao ;
:,: Raiso koa:,:
Ny Fanahy ho sabatrao.

3. Maizina izao ny andro,
Sarotra ny làlanao ;
Ao ambony ny mazava
Ampy hanazava anao ;
:,: Mba jereo:,:
Ilay mazava amboninao.

4. Vetivety, afa-doza,
Vita ny alehanao;
Ao an-danitra ambony
Misy hifalianao;
:,:Miravoa,:,:
Tapitra ny adinao.

571 – Raha misy mampahory

1. Raha misy mampahory,
Indro, Jeso Tomponao;
Tsy afoiny tsy akory,
Aza kivy hianao.
Raha rava ny harena,
Ka ho mafy ny manjo,
Mbola misy famonjena,
Aza mety kivy fo.

Fiv : Raha misy mampahory,
Indro Jeso Tomponao;
Tsy afoiny tsy akory
Aza kivy hianao.

2. Raha misy ady mafy,
Indro Kristy herinao ;
Raha avy ny mpandrafy,
Raiso koa ny sabatrao.
Raha tamy hanangoly
Ilay fahavalonao,
Ka mandrobo ny devoly,
Mba aingao ny vavakao.
Raha misy, sns…

3. Na marary mafy aza
Ka mangirifiry ao,
Ary na ho faty aza
Ka handao ny havanao,
Mbola misy antenaina,
Indro, Jeso avotrao ;
Famonjena avotr’aina,
Indro, raiso ho anao.
Raha misy, sns…

570 – Mafy ny alon-drano izao

1. « Mafy ny alon-drano izao,
Sady maria no manindao,
Nefa ny Tompo momba anao ;
Moa ho kivy va? »

Fiv : « Tsia, Jeso ato aminay,
Izy hampifaly ny fonay ;
Tsy mba ho kivy re izahay ;
lzy no tokinay. »

2. « Maro no efa tola sy lao
Noho ny alahelo izao ;
lsan’ireny va hianao?
Moa ho kivy va? »
« Tsia, sns… »

3. « Amin’izao fiainana izao
Tsy mba ilaozan-java-manjo,
Nefa ao Jesosy, tokin’ny fo ;
Moa ho kivy va? »
« Tsia, sns… »

4. « Raha ny Tompo aza tety
Nety ho faty tao Kalvary,
lza no tsy handefitra aty?
Moa ho kivy va? »
« Tsia, sns… »

569 – Indrisy ry sakaiza ory fo

1. Indrisy! Ry sakaiza
Ory fo!
Holazainao aiza
Ny manjo?
Jeso no Mpamonjy
Ho anao ;
Izy mahavonjy,
Ambarao,
:,: Azy, ry trabonjy!
Ny manjo Ao am-po.:,:

2. Indrisy! Ry mahantra!
Lozanao ;
Aiza ny mpiantra?
Indro ao ;
Jeso hanazava
Aizim-po.
Izy hampisava
Ny manjo ;
:,: Soa lalandava
No hatao Aminao.:,:

3. Harena be an-tany
Tsy anao,
Zava-mora lany .
Ka mandao,
Nefa, indro Jeso
Zaranao ;
Hira no venteso,
Ka derao
:,: Izay nataon’i Jeso
Ho anao Hatrizao.:,:

4. Ny lanitra mivoha
Rahateo ;
Andrandrao ny loha
Ka jereo!
Jeso Tompo soa
No ary,
Havanao tokoa
Hatrety ;
:,: Dia mazotoa
Hiditra ao Hianao.:,: