348 – Andriamanitra tahio ny mihaino

1. Andriamanitra
Tahio ny mihaino
Ny tsy manao vava-poana
Hahazo ny iriny.
Andriamanitra
Ho masoandrony;
Ka ny Fanahy Masina
Mpitari-dalana.

2. Ny Anaran’i Jeso
No voninahiny;
Ny hamarinan’i Kristy
No fihaingoany.
Tiavo Jesosy,
Ry mino ny teny!
Katsaho fihavanana,
Ry tsy mino rehetra!

330 – Sambatra ny mankato

1. Sambatra ny mankato
Izay lazain’ny Tompon’aina,
Sy manaiky eram-po
Fa hanolotra sy saina,
Ka mitandrina ny didy
Toy ny zava-tsarobidy.

2. Sambatra izay mandà
Raha taomina hanota,
Ka dia halatsa-dra
Tsy mba mety resin’ota,
Tsy ekeny ny mpanimba,
Na ireo mpanazimba.

3. Sambatra ny olona
Izay misaina ao am-pony
Andro aman’alina
Ny lazainao, ry Mpamonjy;
Fa ataonao toy ny hazo
Maitso tsara, tsy malazo.

329 – Saotra, dera no homena

1. Saotra, dera no homena
Ho Anao Mpanavotray,
Ianao nanetry tena
Mba hanandratra anay !
Mba tariho, Tompo ô,
Ny fanahy sy ny fo ;
Tianay ny hiara-dia
Aminao ka tsy hania !

2. Raha ory sy mijaly
Eto aza izahay,
Tsy ho kivy fa hifaly
Amin’ny anjaranay,

Ianao ry Tomponay
No mba iankinanay,
Ka inoanay homena
Ho anay ny famonjena !

328 – Mba tahio Jeso ô!

1. Mba tahio Jeso ô!
Hira, hataka sy teny;
Mba tarihonao ny fo
Hanarahanay ireny;
Hianao no Tompon’aina,
Sady mendrika hoderaina.

2. Izahay mpanomponao
Hody ao an-tokantrano,
Faly mAnao,
Ka vimbino sy tantano;
Aza avela ho irery
Izahay, fandrao ho very.

3. Saotra no atolotray,
Raha mbola aty an-tany;
Ao an-danitra indray
Dia dera tsy ho lany
Nohatao sy hohiraina
Ho Anao, ry Tompon’aina.

337 – Ry Jehovah, Tompo ô!

1. Ry Jehovah, Tompo ô!
Tompo masina sy to,
Azonay ny teninao
Mampandre ny antranao
Aoka harahinay
Ka ho masina aminay,
Mba hanao ny sitrakao
Izahay mpanomponao.:,:

2. Hody izahay izao
Amin’ny Anaranao;
Mitoera aminay
Ao an-tokantranonay,
Mba ho velona aminao
Izahay navotanao;
Be ny fahavalonay,
Ka arovy izahay:,: