248 – Nitondra ny zaza ny reny

1. Nitondra ny zaza ny reny tao Salema,
Mba hotahin’i Jeso Kristy be indrafo;
Nolavin’ny mpianatra izy,
Nefa hoy Jesosy hoe:
« Avelao ny zaza hanatona izao »

2. Fa Ahy ny zaza ka tiako indrindra,
Mpiandry zanak’ondry Aho, ka aza mandà;
Fa raha manatona Ahy izy,
Hotahiko tsara e:
« Avelao ny zaza hanatona izao »

3. Endrey, mahagaga ny fiantran’i Kristy,
Fa indro, zazakely aza asiany soa;
Avia, manatòna Ilay Mpiandry
Zanak’ondry, ka
« Avelao ny zaza hanatona izao »

4. Ry Jesosy Tompo!
Mampanatòna Anao re
Ny zazakely tafavory eto izao;
Izay mandrara mba rarao,
Ho to anie ny teninao:
« Avelao ny zaza hanatona izao »

250 – Atolotray hatao batisa

1. Atolotray hatao batisa
Ny zanakay, Jesosy ô!
Irinay izy mba ho isan’ny
Zaza tezainao.

2. Izahay izao efa nifidy
Anao handray ny zanakay:
Ka raiso izy fa voavidy
Tamin’ny ranao koa.

3. Soraty izy mba handova
Ny lanitra fonenanao,
Ka ny fanahinao hanova
Ny fony ho Anao.

4. Tahio ny fahazazany
Ho fanorena-marina;
Ampianaro azy izany,
Mivavaka aminao.

5. Tantano izy mandra-pita,
Ho tonga ao an-danitra,
Ka aoka izy mba hahita
Anao an-dàlany.

6. Ka amin’ny fotoana feno,
Handaozany ity tany ity,
Omeo toky, iteneno:
« Ndeha hody, anaka. »

249 – Tompon’ny lanitra ô! Mba tahio

1. Tompon’ny lanitra ô! Mba tahio
Izy izay ta-hanatona Anao,
Ka ta-handray ny batisa anio,
Sady maniry mba ho zanakao.

2. Ampifalio ny fony, izay ory
Sady miaiky ny ota natao,
Ary ny ratsy maniry fongory,
Ka mba omeo ny aina vaovao.

3. lzy manaiky hitana ny soa
Sady mandà ny devoly izao;
Aoka hiseho ho mpino tokoa
Amin’ny fomba sy asa vaovao.

4. Afon’ny lanitra ôl Mba avia,
Ka ateraho ny fony izao,
Ary tarihonao mba tsy hania,
Fa te-ho sambatra ao aminao.

5. Andriamanitra Ray be fitia,
Taomy ny maro hanatona Anao,
Ny Fiangonanao, ho be mpitia,
Ho marobe ny ankohonanao’

247 – Ry Tompo ô! Tsinjovinao

1. Ry Tompo ô! Tsinjovinao
Ny mila famonjena,
Ka hatao batisa izao,
Satria manantena
Ny tany namboarinao,
Ho an’izay mpianatrao
Ho lovany tokoa.

2. Fa Hianao dia tsy mandà
Ny ory sy mpanota,
Izay nandatsahanao ny ra
Hanaisotra ny ota;
Ka tonga izahay izao,
Mitady hodiovinao:
Mba raisonao ny fonay.

3. Mifona, Tompo, izahay
Izay efa voaisa
Ho olonao, izay nandray
Ny soan’ny batisa;
Ampaherezonao ny fo,
Mba tsy hafoinao ny to,
Ambara-pahafaty!

246 – Zazakely entinay mba hatao batisa

1. Zazakely entinay
mba hatao batisa izao,
Izy no atokanay
Sy atolotray Anao.

2. Rano tsy mba mahasoa,
Rano tsy mba mahadio;
Ka tahionao izy ‘zao,
Jeso ô, be indrafo!

3. Ary ny Fanahinao
Dia ataovy ao am-po
Mba hitarika azy, sao
Hisy loza izay hanjo.

4. Ry Jehovah be fitia!
Ry Jesosy Tomponay!
Ry Fanahy koa, avia
Mba handray ny zanakay!

245 – Ray ô! Asehoinao

1. Ray ô, asehoinao
Aminay ny antranao,
Raisonao ny zanakay
Atsangano ho Anao !

2. Zanak’Andriamanitra ô,
Mba henoy ny hatakay ;
Trotroinao ny zanakay
Taomy ho mpanomponao !

3. Ry Fanahy Masina ô,
Mitoera aminay,
Indro re ny zanakay
Ampianaro, hazavao !

4. Ry Jehovah ‘zay iray
Nefa telo dia ny Ray,
Zanaka, Fanahy koa ;
Mba tahio ny zanakay !