265 – Ny fitiavanao

1. Ny fitiavanao
No mahagaga anay
Ry Zanak’Andriamanitra ô!
Ry Jeso Tomponay!

2. Hanavotra aina anay
No nijalianao
Ka famonjena lehibe
No azonay izao

3. Ny mofo sy divay
Izay haninay izao
Dia mampiseho aminay
Ny fitiavanao

4. Avia, Jeso ô!
Avia ankehitrio
Ka ny fanahinay sasao
Ho tsara sy madio

5. Mampaneke anay
Hanao ny sitrakao
Koa aoka tsy ho tianay
Izay tsy tianao

6. Monena aminay
Ry Tompo be fitia!
Ka aza ilaozanao izahay
Mandrakizay doria

264 – He! mahagaga anay

1. He! mahagaga anay
Ny fitiavana
Nasehonao, ry Jeso ô!
Mba ho anay

2. Ny fijalianao
Ilay tao Golgota
Indrisy! lalina takoa
Ny ngidiny

3. Na mafy aza izay
Tsy nandosiranao
Nataonao tsinontsinona
Ny tenanao

4. Ny fitiavanao
Fa tsy ny fantsika
No anton’ny nihantonanao
Tao Golgota

5. Ny ra nalatsakao
No vidin’ny ainay
Ny fijaliana nentinao
No avotray

6. Tsaroanay izao
Derainay avokoa
Ilay fitiavanao anay
Ry Tompo soa!

263 – Mandrenesa ry sofina

1. Mandrenesa ry sofina
Mifalia, ry fo
Ny feon’ny Filazantsara
Manatona anao

2. Ry olon’ota rehetra
Ry ory sy noana
Izay mameno ny kibony
Amin-java-poana

3. Jehovah no mamboatra
Izay mofon’aina
Ho an’izay rehetra
Mety hihinana

4. Kristy sy ny fitahiany
Izany mofo izany
Fa izy no mamelona
Ny maty mosary

5. Avia, ry mosarena
Ka manaràna fo
Ny mofon’aina tsy lany
Fa ampy ho anao!

262 – Indreto izahay

1. Indreto izahay,
Ry Jeso ô,
Manaraka izao
Ny hafatrao ;
Ny fahorianao
Tsaroanay izao
Fa fatratra tokoa
Ny nentinao !

2. Ny mofo haninay,
Ry Jeso ô,
Milaza aminay
Ny tenanao ;
Ny fanavotanao
Mahafaka anay
Ka saotra re izao
Atolotray !

3. Misotro ny divay
Izahay izao
Hahatsiarovanay
Ny antranao !
Ny ra nilatsaka
No manadio anay
Manafaka tokoa
Ny olonao

4. Tarihonao ny fo,
Ry Jeso ô,
Ho tia sy hankatò
Ny didinao
Ka tsy ny sitrakay
Fa ny Anao, Jeso,
No aoka ho maminay,
Ry Tompo ô !

258 – Manaraka ny hafatrao

1. Manaraka ny hafatrao,
Tafangona izahay,
Mba hahatsiarovanay
Anao, ry Tomponay!

2. Tsy azo adinoina
Ny fahorianao,
Ny dinitrao izay toy ny ra
Tsaroanay izao.

3.  Ny hazo-fijalianao
Dia tazanay izao:
Ry Zanakondry masina ô!
Tsaroanay Hianao.

4. Nijaly mafy Hianao
Nisolo voina anay:
Raha mbola velona izahay
Tsaroanay izao.

5. Raha tapitra ny andronay,
Ka tonga Hianao
Mba haka ny fanahinay,
Tsarovinao izahay.

261 – Ankehitrio no isehoanao

1. Ankehitrio no isehoanao
Ry Jeso Tompo, izay malalanay,
Ankehitrio no anandramanay
Ny hafaliam-ben’ny lanitrao !

2. Ampiomany ao am-po izahay
Hampahadio ny eritreritray,
Hahatakaranay ny avotrao
Izay nambaranao tao Kalvary !

3. Eto no anoloranao anay
Ny mofon’aina,  rano velona
Eto no ialanay sasatra
Amin’ny adinay sy rafinay

4. Ry Jeso ô, miandry izahay
Ny fiavian’ny voninahitrao
Ho toy ny andro vao miposaka
Ho toy ny rano mahavelona !

5. « Raiso ny Tenako » no teninao
« Ary ny Rako ho fiainana »
Am-pitiavana no andraisanay
Na dia tsy mendrika aza izahay !

6. Mombà anay, ry Tompo tia ô,
Aza miala amin’ny fonay
Aoka ny tavanao hazava re
Amin’ny lalana alehanay !

259 – Ny latabatrao, ry Jeso,

1. Ny latabatrao, ry Jeso,
Dia atrehinay izao ;
Ny fanahinay vokiso
Amin’ny fitianao !

2. Tsy nitady zo sy laza
Ianao, ry Tomponay,
Foinao ny ainao aza
Nanavotanao anay !

3. Jeso ô, ny ranao soa
No nataonao avotray
Mba hanafaka avokoa
Izay tsy mahadio anay !

4. Manomeza mofon’aina,
Tompo ô, ho tanjakay ;
Mihainoa ny mitaraina
Mamalia ny hatakay !

5. Ny fanahinay ry Tompo,
Raiso fa atolotray ;
Faly izahay hanompo
Sy hanao ny sitrakao !

257 – Ry Jesosy ô! indreto

1. Ry Jesosy ô! indreto
Izahay nasainao eto
Amin’ny latabatrao
Mba talory mofon’aina
O! omeo ranon’aina
Dia ny ra aman-tenanao

2. O! ry Loharanon’ aiko
Tonga aho, fa ilaiko
Hianao Mpamonjiko
Raiso ka diovy aho
Atafo izay mitalaho
Ny sahamarinanao!

3. Ry mpiandry Tsara indrindra
Taomy aho mba hifindra
Ao am-balan’ondrinao
Mamonje ka matahia
Ireto ondrinao mania
Ento any aminao!

4. O! ry Fahazavan’ny saiko
Sady tanjaky ny aiko
Tonga aho, ka vonjeo
Noana ka mitaraina
Mba vokiso mofon’aina
Rano velona omeo!

5. Indro, miankohoka aho
Tompo ô! ka mitalaho
Eto anatrehanao
Aza mba manary ahy
Izay misento sy manahy
Mamelà ny heloko!

6. Ry mpisolo ny mpanota
Izay nandoa ny tambin’ota
Latsa-dra ny tenanao
Raisiko am-panajana
Fa nataonao fanasana
Ireto zava-masinao

260 – Ry Kristy ô! malalako

1. Ry Kristy ô! malalako
Sakafon’ny fanahiko
Manaraka ny hafatrao
Tsarovako ny tenanao

2. Mangorakoraka ny fo
Fa voavono Hianao
Ka saotra no atolotray
Anao, ry Ilay nalatsa-dra

3. Ny tenanao izay raisiko
Fiainako vaovao tokoa
Ny ranao izay sotroiko
No manadio ny foko koa

4. Ry Kristy ô! ampitomboy
Ny fitiavako Anao
Ny toe-piainako fenoy
Ny tena hamasinanao

5. Atolotro anio indray
Mba ho Anao mandrakizay
Ny tenako, ny ananako
Ny heriko, ny asako