TS 13 – Avia, aoka isika hihoby ho an’i Jehovah

(Salamo 95)
1. Avia, aoka isika hihoby ho an’i Jehovah;
Aoka isika hanao feo fifaliana ho an’ny Vatolampy famonjena antsika.
Aoka hankeo anatrehany amin’ny fiderana isika;
Aoka hanao feo fifaliana ho Azy amin’ny fihirana isika.

2. Fa Andriamanitra lehibe Jehovah,
Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ny andriamanitra rehetra Izy.
Eo an-tànany ny fitoerana lalina amin’ny tany;
Ary Azy ny tendrombohitra avo.

3. Azy ny ranomasina, fa Izy no nanao azy,
Ary ny tany maina dia noforonin’ny tànany.
Avia, ka aoka hiondrika sy hiankohoka isika;
Aoka isika handohalika eo anatrehan’i Jehovah, Mpanao antsika;

4. Fa Izy no Andriamanitsika;
Ary olona fiandriny sy ondry tandremany isika.
Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe:
Aza manamafy ny fonareo tahaka ny tao Meriba,

5. Sy tahaka ny tamin’ny andro tao Masa fony tany an-efitra
Izay nakan’ny razanareo fanahy Ahy,
Sy nizahany toetra Ahy,
Na dia efa hitany aza ny asako.

6. Efa-polo taona no nahamonamonaina Ahy tamin’izany taranaka izany,
Ka hoy Izaho: Olona maniasia amin’ny fony izy Ka tsy mahalala ny lalako;
Ka dia nianiana tamin’ny fahatezerako Aho hoe:
Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 12 – Ry Raiko ô! Tariho

1. Ry Raiko ô! Tariho.
Fa maizina ny alehako.
Ary be ny rahona sy ny
kotroka ao ambony:
Indro, mivezimbezina aho,
fa variana; Raiko ô
tariho aho hody re;

Fiv : Raiko ô! Raiko ô!
Mombà ny zanakao.

2. Ry Raiko ô! Tsy hita
Ny faran’ny alehako,
Ary maniry ny fitsaharana
ny foko ‘zay omenao.
Raha mbola eto aho, sintony
sao mivily; Raiko ô!
Mba tano aho ho Anao;
Raiko ô! sns…

3. Ry Raiko ô! Tariho,
Fa be ny tsilo sy ny fandrika
Ao an-dalambe,
ka ketraka,
Nefa nantsoinao aho tsara;
Raiko ô!
Mba raisonao ny tanako:
Raiko ô! sns…

4. Ry Raiko ô! Manindry
Ny hazo-fijaliana
Mavesatra,
Izay entiko isan’andro;
Tohany aho, ry Raiko ô!
fa reraka aho; Raiko ô!
Mba manampia ahy ‘zao:
Raiko ô! sns…

TS 11 – Midera anao izahay, Andriamanitra ô

1. Midera anao izahay, Andriamanitra ô,
Manaiky anao ho Tompo izahay;
Ny tany rehetra dia mitsaoka Anao,
Rain’ny mandrakizay.

2. Midera Anao ny anjely rehetra
Ny lanitra sy ny mahery rehetra ao aminy
Midera Anao, lalandava
Ny Kerobima sy ny Serafima manao hoe:

3. Masina, masina, masina,
Andriamanitra, Tompon’ny maro
Manerana ny lanitra sy ny tany
Ny fiandrianan’ny voninahitrao.

4. Midera Anao,
Ny apostoly rehetra,
Midera Anao,
Ny mpaminany rehetra.

5. Midera Anao,
Ny maritiora rehetra.
Ny fiangonana eran’izao tontoloizao
Manaiky Anao.

6. Ho Ray manam-piandrianana tsy hitafetra,
Sy ny Zanakao-lahy tokana be voninahitra
Ary ny FanahyMasina,
Mpampionona ny fo.

7. Hianao no Mpanjakan’ny voninahitra,
Ry Jeso Kristy ô,
Hianao no Zanaky ny Ray,
Zanany mandrakizay,

8. Raha nanalo-tena hamonjy ny olona Hianao,
Dia tsy nolavinao ny hateraky ny virijina
Rahefa nandresy ny herin’ny fahafatesana Hianao
Dia novohanao ny fanjakan’ny lanitra mba hidiran’ny mino rehetra

9. Mipetraka ao an-tanana an kavanan’Andriamanitra Hianao,
Ao amin’ny voninahitry ny Ray.
Mino izahay fa ho avy Hianao
Ho Mpitsara anay.

10. Izany no ifonanay aminao hanampy anay mpanomponao,
lzay navotanao tamin’ny ranao soa indrindra.
Ataovy ho isan’ny olo-nao ‘zahay
Any amin’ny voninahitra mandrakizay.

11. Tompo ô,vonjeo ny olonao,
Ary tahio ny lovanao.
Manapaha azy,
Ary asandrato ho ambony mandrakizay

12. Isan’andro isan’andro
Dia mankalaza Anao ‘zahay,
Ary mihoby ny Anaranao
Izahay mandrakizay.

13. Mba miarova anay, Tompo ô,
Tsy hanota izao anio izao,
Mamindrà fo aminay, Tompo ô,
Mamindrà fo aminay.

14. Tompo ô, aoka ho tonga aminay ny famindramponao
Araka izay itokianay Anao.
Tompo ô, Hianao, no itokiako,
Aoka tsy ho menatra aho mandrakizay

TS 10 – He! Hianareo rehetra izay mangetaheta

(Isaia 55:1-3 , 6-8)
1. He! Hianareo rehetra izay mangetaheta,
Mankanesa amin’ny rano!
Ary ianareo izay tsy manam-bola,
Avia, mividia, ka homàna!

2. Eny, avia, mividia divay sy ronono,
Nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina,
Ary ny vokatry ny fisasaranareo amin’izay tsy mahavoky?

3. Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara,
Dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ny fanahinareo
Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko,
Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo;

4. Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
Dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’i Davida.
Mitadiava an’i Jehovah, dieny mbola hita Izy,
Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.

5. Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
Ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny,
Fa hamindra fo aminy Izy.

6. Eny, ho amin’Andriamanitsika,
Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
Ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 9 – Haleloia. Miderà an’i Jehovah, ry any an-danitra

(Salamo 148)

1. Haleloia. Miderà an’i Jehovah, ry any an-danitra;
Miderà Azy any ambony.
Miderà Azy, ry anjeliny rehetra;
Miderà Azy, ry miaramilany rehetra.

2. Miderà Azy, ry masoandro amam-bolana;
Miderà Azy, ry kintana mazava rehetra.
Miderà Azy, ry lanitry ny lanitra,
Ary ianareo rano ambonin’ny lanitra.

3. Aoka hidera ny anaran’i Jehovah ireo;
Fa Izy no nandidy, dia ary ireo.
Nampitoetra ireo ho mandrakizay doria Izy;
Nomen-dalàna ireo ka tsy mba mihoatra.

4. Midera an’i Jehovah eto an-tany,
Hianareo dragona sy ianareo rano lalina rehetra,
Ny afo sy ny havandra, ny oram-panala sy ny zavona,
Ny rivotra mahery izay mankatò ny teniny,

5. Ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra,
Ny hazo fihinam-boa sy ny sedera rehetra,
Ny bibi-dia sy ny biby fiompy rehetra,
Ny biby mandady na mikisaka ary ny voro-manidina,

6. Ny mpanjaka amin’ny tany sy ny vahoaka rehetra,
Ny mpanapaka sy ny mpitsara rehetra amin’ny tany,
Na ny zatovolahy, na ny zatovovavy,
Na ny antitra, na ny tanora,

7. Samia midera ny anaran’i Jehovah avokoa,
Fa ny anarany ihany no misandratra;
Ambonin’ny tany sy ny lanitra
Ny voninahiny.

8. Ary manandratra tandroka ho an’ny olony Izy,
Dia fiderana ho an’ny olony masina rehetra,
Eny, ho an’ny Zanak’Isiraely, firenena akaiky Azy.
Haleloia.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 8 – Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy

(Salamo 136:1-9 , 24-26)
1. Miderà an’i Jehovah, fa tsara Izy;
Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Midera an’Andriamanitra Avo Indrindra;
Fa mandrakizay ny famindram-pony

2. Miderà ny Tompon’ny tompo;
Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

3. Izay nanao ny lanitra tamin’ny fahendrena
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Izay namelatra ny tany ho ambonin’ny rano,
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

4. Izay nanao ireo fanazavana lehibe
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

5. Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina
Fa mandrakizay ny famindram-pony,
Izay naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin’ny fahavalontsika
Fa mandrakizay ny famindram-pony,

6. Izay manome hanina ny nofo rehetra
Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Miderà an’Andriamanitry ny lanitra;
Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 7 – Tao amin’ny lalina no niantsoako Anao

(Salamo 130)
1. Tao amin’ny lalina
No niantsoako Anao, Jehovah ô

2.Tompo ô, henoy ny feoko;
Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon’ny fifonako.

3. Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô,
Iza no hahajanona, Tompo ô?

4. Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka,
Mba hatahorana Anao.

5. Niandry an’i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
Ary ny teniny no nanantenako.

6. Ny fanahiko miandry ny Tompo mihoatra noho ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina,
Dia ny fiandrin’ny mpiambina ny maraina.

7. Manantenà an’i Jehovah, ry Isiraely;
Fa eo amin’i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;

8. Ary Izy no hanavotra ny Isiraely
Ho afaka amin’ny helony rehetra.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 6 – Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao

(Salamo 119 – 41:56)
1. Aoka ho tonga amiko ny famindram-ponao, Jehovah ô,
Dia ny famonjenao, araka ny teninao.
Dia hamaly izay miteny ratsy ahy aho,
Satria matoky ny teninao.

2. Ary aza dia esorina amin’ny vavako ny teny marina;
Fa miandry ny fitsaranao aho.
Dia hitandrina ny làlanao mandrakariva aho,
Dia mandrakizay doria.

3. Ary handeha amin’ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.
Hilaza ny teni-vavolombelonao eo anatrehan’ireo mpanjaka aho
Ka tsy ho menatra.

4. Ary hiravoravo amin’ny didinao aho
Satria tiako ireny.
Hasandratro ny tanako ho amin’ny didinao satria tiako ireny:
Hosaintsainiko ny didinao.

5. Tsarovy ny teny natao tamiko mpanomponao
Izay nampanantenanao ahy
Izao no mampiononona ahy amin’ny fahoriako;
Ny teninao no mamelona ahy.

6. Ny mpirehareha maniratsira ahy:
Tsy mba miala amin’ny lalànao aho.
Mahatsiaro ny fitsipikao izay hatramin’ny taloha aho, Jehovah ô,
Dia mionona aho.

7. Fahatezerana mirehitra no nahazo ahy
Noho ny amin’ny ratsy fanahy izay mahafoy ny lalànao.
Ny didinao no ataoko an-kira
Ao amin’ny trano fivahiniako.

8. Mahatsiaro ny anaranao nony alina aho, Jehovah ô,
Ka mitandrina ny lalànao.
Izao no ahy:
Mitandrina ny didinao aho.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.

TS 5 – Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko

(Salamo 103)
1. Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny Anarany masina
Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko;
Ary aza misy hadinoinao ny fitahiany rehetra

2. Izay mamela ny helokao rehetra,
Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
Izay manavotra ny ainao tsy hidina any an-davaka,
Izay manarona famindram-po sy fiantrana anao,

3. Izay mahavoky soa ny vavanao;
Ny fahatanoranao mody indray toy ny an’ny voromahery
Jehovah manao fahamarinana
Sy fitsarana amin’izay rehetra ampahorina.

4. Efa nampahafantatra an’i Mosesy ny lalan-kalehany Izy;
Ny Zanak’Isiraely nampahafantariny ny asany.
Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po.

5. Tsy mandaha-teny mandrakariva Izy,
Na mitahiry fahatezerana mandrakizay.
Tsy mba manao amintsika araka ny fahotantsika Izy,
Na mamaly antsika araka ny helotsika.

6. Fa tahaka ny hahavon’ny lanitra ambonin’ny tany
No haben’ny famindram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana
No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

7. Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany
No fiantran’i Jehovah izay matahotra Azy;
Fa Izy mahalala ny toetsika
Ka mahatsiaro fa vovoka isika.

8. Tahaka ny ahitra ny andron’ny zanak’olombelona;
Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny,
Satria tsofin’ny rivotra izy ka lasa,
Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany.

9. Fa ny famindram-pon’i Jehovah dia hatramin’ny taloha indrindra
Ka ho mandrakizay amin’izay matahotra Azy
Ary ny fahamarinany mihatra amin’ny taranaka.
Dia amin’izay mitandrina ny fanekeny Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.

10. Jehovah efa nampitoetra ny seza fiandrianany any an-danitra;
Ary ny fanjakany manapaka izao tontolo izao.
Misaora an’i Jehovah, ianareo anjeliny, dia ianareo izay mahery indrindra
Sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon’ny teniny.

11. Misaora an’i Jehovah, ny miaramilany rehetra,
Dia ny mpanompony izay manao ny sitrapony.
Misaora an’i Jehovah, ny asany rehetra eran’ny fanjakany;
Misaora an’i Jehovah, ry fanahiko.

Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
Ary ny Fanahy Masina;
Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
Andriamanitra mandraki-zay. Amen.