FF 26 – Jesosy reharehako

1- Tsy misy reharehako
Afa-tsy Ianao, Jesosy ô !
Anao ny hery, Anao ny haja
Sy Voninahitra
Ny fasana sy ny fiainan-tsy hita
Indro efa resinao
Izao tontolo izao dia nahita
Fa efa nitsangana Ianao

Fiv: Sambatra aho, Jeso ô,
Manana Anao izay Tompon’ny hery.
Sambatra aho, Jeso ô,
Miankina eo an-tratranao
Ampy ahy ny Fitiavanao
Ampy ahy ny finoako Anao.
Raketiko ao am-po lalandava
Fa reharehako Ianao

2- Nasehonao ilay fahefana
Manda sy aroko,
Ka niala maina teo ilay satana
Izay fahavaloko
Tsy misy maharombaka akory
Izay eo an-tananao
Izany indrindra no ilazako
Fa reharehako Ianao

3- Tsy nisy nahitam-pamonjena
Afa-tsy taminao.
Nanaiky Ianao, tsy mba noterena
Hitondra aina vao.
Ny tananao mahery natsotranao
Mba hitantana
Hahaizako mandeha sy mizotra
Ny làla-marinao.

FF 51 – Ry Mpamonjy olom-bery

1. Ry Mpamonjy olom-bery
Sarobidy sy mahery
Ny fitiavanao ahy
‘Zay mambabo ny fanahy
Noho ilay fitiavanao
Babonao ny foko izao
Ka izao rehetra izao
Tsy hamoizako Anao

2. Ny fitiavanao, ry Tompo,
No mambabo ahy hanompo
Tia ahy hianao
Ka mba tiako tsotra izao
Eny, fantatrao fa tiako
Izao fiainana eto izao
Tiako izao rehetra izao
Nefa mbola tiako Hianao

3. Na dia sarotra sy mafy
Ny hanaraka Anao
Izaho vonona hihafy
F’efa tiako Hianao
‘Zao fiainana izao
Tsy atakaloko Anao
Na dia mamiko aza eto
Mbola tiako Hianao

FF 50 – lanao izay miasa fatratra

1. lanao izay miasa fatratra
Fa mikendry mba hanefa zava-tsarotra
Moa tsy tsapanao ho mahasambatra
Ny asa izay atao am-pitiavana
Mihamaivana, mora entina
Ny fahasahiranana toa mitambesatra
Raha ao ny fo manaiky marina
Ho tia sy handala ny asa rehetra

2. Hoy ny hafatry ny Tompo aminao
Manatona Ahy raha toa sahirana
Fa Izaho tsy manary na mandao
Izay miezaka ka hita reraka
Nefa moa ve, vonon’ianao
Handà ny tenanao, hamoy izao tontolo izao
Dia hanaiky koa mba ho tarihina
Fa sarotra ny làlana sy asa atao

3. Mitsangàna, mandrosoa hiasa e !
Fa malalaka ny Saha izay omena anao
Dia meteza koa hanaiky hanome
Harena, herim-po ilaina aminao
Aza ketraka, matokia izao
‘Lay hery ‘zay manohana ny fiezahanao
ka mitondra soa, manova mba ho vao
ny vokatry ny asa izay nanasatr’anao

FF 49 – Mifona re ry Ray

1. Mifona re ry Ray
Ireto zanakao
Fa diso izahay
Tsy mety ny natao

2. Ny ota sesilany,
Nandramana avokoa
Kanefa re izany
Ifonana tokoa

3. Izay rehetra hita
Natao fa tsy ho to
Izao ny ratsy vita
Nandrotika ny fo

4. Ry Jeso ô anio
Indreto izahay
Manaiky, ka fidio
Ho zanakao, ry Ray

5. Tsy tsapanay tokoa
Ny antranao ry Ray
Fa hay, ny zava-tsoa
Dia takona aminay !

6. Maniry fahafahana
Izao ‘ty fo madio
Ekeo ny fibebahana
Atolotray anio !

Isan’andininy:

Tompo ô! Vonjeo ‘zahay

FF 48 – Andriamanitra fitiavana Ianao !

1. Andriamanitra fitiavana Ianao !
Ka mihevitra ny momba anay ety,
Raha mifoha maraina izahay
Dia tsy afaka am-bavanay ny hoe :
Ampy ho anay ny Fahasoavanao !

Fiv : Raha maraina mibaliaka ny andronay ety
Ianao no masoandro niaviany ;
Raha ny alin’ny ririnina no handalo ety
Ianao no kintana hitantana ny dia
Ka ny vavaka atao
Izay mipololotra am-ponay ao hoe :
lzahay anie hatoky Anao !

2. Andriamanitra fitiavana lanao !
Ka mitantana ny dianay ety ;
Raha mandimby ny andro ny alina
Mbola tokana ny deranay hoe :
Ampy ho anay ny fahasoavanao !
Raha maraina mibaliaka ny andronay ety, sns…

FF 47 – Fiadanana

1. Ianao ‘zay mitady ny fiadanan-tsoa
Amin’izao fiainana izao
Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa
Mikorana ary koa milalao
Kanefa tsy mahita izay mahasoa
Fa vizana foana ny nofo
Inty misy Fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao

Fiv : Jesosy, Jesosy,
(Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No Fiainana atoroko Anao (Jeso)
Jesosy, Jesosy,
(Jesosy Tompo sy Mpamonjy tia)
No hany hampiadana anao
Koa raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy
Hanapaka ny fiainanao
Dia hohitanao’Lay Fiadanana
Haharitra ho mandrakizay

2. Ianao ianjadiam-pahoria-marobe
Amin’izao fiainana izao
Tsy misy hazavana fo toa haizim-be
No mandrakotra ny fiainanao
Ka mila ho kivy sy hamoy fo
Noho ‘reo adim-piainana maro
Inty misy fiainana atoroko anao
Andramo dia hohitanao
Jesosy, Jesosy, sns…

FF 46 – Mba tantanonao, ry Raiko!

1. Mba tantanonao, ry Raiko
Izato làlan-janakao
Ny mifidy toa tsy haiko
Fa maniry indrindra Anao
Hitanao ny adi-tsaina
Mitambesatra ao an-doha
‘Zany tsikin’ny maraina
Toa ela vao hifoha

2. Moa diso ny safidiko
Raha mandroso ka mankao
Sa ‘ty làla-nofinidiko
Dia tsy ilay voasoritrao
Tanteraho ny faniriako
O ! ry Tompo tena tia
Fa ity zavatra iriko
Masina amiko doria

3. Nefa, raha tsy izay no didy
Namboarinao ho ahy
Amboary ny safidy
Sy ny ratrako am-panahy
Atolorinao ny hery
Hampijoro izay nikoa
Ka sitranonao ny fery
Sy ny ratrako ao am-po

FF 45 – Hira fiderana

1. Hira fiderana ho Anao ry Ray
Tsy afaka ato am-bavako mandrakizay
Hira mampifaly, mampitony jaly
Mampiravoravo fo

2. Ny talenta izay efa nomenao ahy
Hiderako Anao n’aiza misy ahy
Mba hamelon’aina, hampitony saina
Hampiray ny miaina

3. Hira tsotra ihany, nefa na dia izany
Ho Anao tokoa no hikaloako
Raiso re, ry Tompo,
F’io no porofom-pitiavako Anao

4; Hira avy ato am-poko, indro fa vetsoiko
Ho Anao ry Raiko izay antsoiko
Hira tena mamy, manambara hatrany
Fa tena tiako Ianao

FF 44 – Ry Madagasikara soa

1. Ry Madagasikara soa
Natolo-Janahary anay
Nosimboahangy manirery
Fa nahasoa ny razanay,
He ! Sarobidy tsara loatra,
Tsy sandana, tsy atakalo
Feno ny fo ka toa mangina
Heriny mivavaka hoe :

Fiv : Andriamanitra ô !
Tondrahy andon’ny lanitra
Vontosy ny tsiron’ny tany
I Madagasikara !

2. Ry Firenena Malagasy
Antsoin’ny Nosy hianao
Andeha malaky, mitsangàna
Alao hery, mandrosoa !
‘Zay maha olona anao re
Atolory, asorony
Aza mandevina talenta
Fa anondroty Firenena e !
Andriamanitra ô ! sns…

3. Andriamanitra ambony,
Fenoy ny fiahianao
Ny mponina rehetra eto
Ary izay asa mahasoa
Ireo nantsoinao hitondra
Mba tsidiho, mba tariho
Ho sambatra tokoa ny Nosy
Raha Hianao no azy e !
Andriamanitra ô ! sns…

FF 43 – Aiza moa ianao ?

1. Jesosy Tompo miantso anao
Manontany izao :
« Aiza moa ianao? »
Ny ondrikeliko noana indreo
Miandry anao re ireo
« Aiza moa ianao ? »

Fiv : ‘Ty aho, Jeso, (ekeo mba) ho irakao
Raiso hanao ny sitrakao tokoa
Jesosy ô ! (omeko) mba ho Anao
Ny foko, tenako sy fanahiko

2. E! làlan-tsarotra ilàna anao
Ady mafy no ao :
« Aiza moa ianao ? »
Reseonao’zao tontolo izao
Mba ho Ahy re izao
« Aiza moa ianao ? »
‘Ty aho, Jeso, sns…

3. Ny hery, aina sy fanananao
No ilaiko izao :
« Aiza moa ianao »
Ny tenanao sy ny fanahinao
No takiako izao
« Aiza moa ianao » ?
‘Ty aho, Jeso, sns…

4. Ny sandriko no hiaro anao
Hisakambina anao
« Aiza moa ianao ? »
Raha ny Fanahy no hitantana anao
Vonona ve ianao ?
« Aiza moa ianao ? »
‘Ty aho, Jeso, sns…