500 – He! Manda fiarovana

1. He! Manda fiarovana
Andriamanitsika,
Ampinga mahatohana
Izay manjo antsika.
Mamely fatratra,
Satana sompatra,
Mpandoza hatrizay,
Mpamitaka mahay
Tsy manampaharoa.

2. Malemy, tsinontsinona,
Fa mora resy isika;
Fa misy voahasina
Miady ho antsika;
Jesosy re izay,
Ilay iraky ny Ray,
Mpitarika mahay,
Mpamonjy hatrizay
Sy Tompom-pandresena.

3. Na dia ta-handevona
Ireo devoly maro,
Tsy misy atahorana,
Jesosy no Mpiaro.
Ilay rain’ny maizina
Dia nohelohina,
Ka tsy ahoana,
Fa teny tokana
Dia mahalavo azy.

4. Kendreny hofongorana
Ny teny tanantsika,
Kanefa tsy ho foana,
Ny Tompo momba antsika
Na dia ho fongana
Ny laza ananana,
Harena, havana
Tsy mampaninona,
Ny lanitra antsika.