1. Ny teninao, Jehovah!
Izay ianaranay,
Dia tsara, tsy miova,
Ka ifalianay
He! Tena mananjara,
Izahay ankehitrio,
Fa lova tsara fara,
No azo amin’io.
2. Ireo zaza teo aloha
Dia tsy nahita izao
Tsy nisy hampifoha,
Natory foana tao;
Nahantra sady ory,
Niferina aina koa,
Tsy fantany akory
Izay tena foto-tsoa.
3. Mamiratra indrindra.
Ny masoandronay,
Milanto sy mirindra
Ny antom-piainanay;
Ny teninao ihany
No mahatonga izao,
He! Sambatra ny tany,
Fa mahalala Anao.
4. lrinay mba hihombo
Izay ianaranay,
Ampio koa mba hitombo
Ny saina anananay;
Ho avy zato heny
Ny voan’ny teninao,
Hiely eran-tany
Ny voninahitrao!