242 – Misaotra Anao ‘zahay, ry Ray!

1. Misaotra Anao izahay, ry Ray!
Fa tsy nafenina anay,
Izay tena sitrakao tokoa
Mba hahazoanay ny soa.

2. Ka mitariha anay izao
Handray ny toro-hevitrao
Izay lazain’ny teninao
Hanaovanay ny sitrakao.

3. Ampahirato izahay
Hahaizanay mahita anio
Ny zava-mahagaga anay
Ao amin’ny lalànao soa.

4. Ampianaro izahay
Ho tia tokoa ny teninao,
Ka hankatò ny didinao,
Hanaiky hotapahinao.

5. Ny asan’ny Fanahinao
Mba tanteraho aminay
Hampiorina ao anatinay
Izay lazain’ny teninao.

244 – Ry Jeso! Mba henoinao

1. Ry Jeso! Mba henoinao
Ny feonay mpanomponao,
Izay mivavaka aminao
Mitady fitahiana.

2. Vokiso ny fanahinay,
Ny teninao no haninay,
Hahaizanay mamahana
Ny reraka ao an-dalana.

3. Ampaherezonao izao
Ny tànanay mpanomponao
Hanohana ny olonao
Miraviravy tanana.

4. Omeo fo mazoto re!
Tolory fahendrena be;
Tarihonao ny hevitray;
Tendreo koa ny molotray.

5. He! Tsinontsinona izahay,
Malemy sady tsy mahay;
Ka dia ampaherezonao
Hanaovanay ny sitrakao.

241 – Ry Jeso ô! Midina

1. Ry Jeso ô! Midina,
Jereo ‘zahay izao;
Atreho sao variana,
Ka tsy mahita Anao.
Hazoninao ny saina,
Hijery tsara Anao.
Mba tsy ho very maina,
‘Zao fivoriana izao.

2. Ry Jeso! hamasino
Ny toe-piainanay,
Ka dia ampidino
Ny hery ho anay;
Ny bitsika mangina
Ataovinao izao,
Hamelom-paniriana
Hanao ny sitrakao.

3. Ry Jeso ô! Monena,
Midira Hianao,
Ny fonay manantena
Handray Anao izao;
Ka izay misalasala
Ampaherezonao,
Dia taomy hahalala
Ny fitiavanao.

4. Ny hatakay mangina
Henoy ka mba valio,
Koa dia mitenena
Hianao ankehitrio,
Ry Jeso! Mpanazava
Ny dianay aty,
Omany lalandava
Ny fonay ho ary.

240 – Alahady, andro tsara,

1. Alahady, andro tsara,
Andro fitsaharanay,
Nitsangananao, ry Tompo!
Andronao, Mpanavotray.
Eny, maminay ny andro,
Andro fiangonanay,
Hiderana Anao Mpamonjy,
Sy ny voninahitrao.

2. Tovy aminay ny teny
Izay nataonao fahizay,
Tamin’ny Apositoly
Fony vory toy izao:
« Raha misy roa na telo
Amin’ny Anarako
Vory mba hiantso Ahy,
Ao no hiangonako. »

3. Mba soraty ao am-ponay,
Tompo ô! Ny didinao,
Hiasanay saina tsara
Eto anatrehanao,
Mba avia, ry Jeso Tompo!
Tomoera aminay,
Hitandremanay ny andro
Izay natokana ho Anao.

239 – Ry Jeso! Vory izahay

1. Ry Jeso! Vory izahay,
Fa andronao anio.
Dia avy mba hivavaka
Aty an-tranonao.

2. Ka na aiza no aiza ny olonao
No vory toy izao,
Ny herinao mba asehoy,
Efao ny teninao.

3. Ny hira ikambananay
Aty an-tranonao,
Ekeo ho fanandratana
Ny voninahitrao.

4. Ny vavaka tononinay
Eo anatrehanao,
Mba raiso ho fanatitra
Ankasitrahanao.

5. Ny teny fitarainana
Ataon’ny ory koa
Soloy fifaliana;
Hisaoranay Anao.

6.Ny teninao halahatra
Hambininao anie,
Hamelom-pitiavana
Am-pon’izay mandre.

238 – Mivory eto izahay

1. Mivory eto izahay
Hiantso ny Anaranao;
Jehovah Masina ô!
Dia manomeza anay anio
Ny soa avy aminao,
Ho fitahiana.

2. Ny vavaka tononinay
Miakatra any aminao,
Mpamonjy tia anay!
Mba raiso ao an-danitra
Ho zava-mani-pofona
Izay ho tianao.

3. Ny saotra izay aterinay
Mba raisonao, Jehovah ô,
Andriamanitray!
Ny vokatry ny molotray
Dia aoka ho fanatitra
Ankasitrahanao.

4. Ankehitriny, Tompo ô!
Omeo ny Fanahinao
Hitoetra aminay,
Ho fanalana aizina,
Sy fanoloran-kevitra
Ho an’ny olonao.

236 – Avia, Tomponay! Atrehonao ‘zahay

1. Avia, Tomponay!
Atrehonao ‘zahay;
Fiderana no atolotray
Ho Anao, ry Tomponay;
Tongava aty an-tranonay
Handray ny dera atolotray:
Avia, Tomponay!

2. Avia, Tomponay!
Atrehonao ‘zahay;
Enga ka ho tonga olonao
Zao ‘zahay rehetra izao,
Ny vavanay hidera Anao,
Ny fonay mba diovinao;
Avia, Tomponay!

3. Avia, Tomponay!
Atrehonao ‘zahay;
Ampidino ny Fanahinao
Ho àty an-tranonay;
Ampionao koa ny olonao,
Hilaza anio ny teninao:
Avia, Tomponay!

4. Avia, Tomponay!
Atrehonao ‘zahay;
Fiderana no atolotray
Ho Anao, ry Avotray! ray!
Mba raisonao, ny deranay,
Efao, tokoa ny hatakay:
Avia, Tomponay!

235 – Tafavory izahay

1. Tafavory izahay
Eto anatrehanao,
Ry jehovah Tomponay
Mba hivavaka aminao.

2. Te-hianatra izahay
Mba hanao ny sitrakao;
Mihainoa ny vavakay,
Manampia anay izao.

3. Fa mangataka aminao
Fanampiana izahay;
Raha tsy ampianao,
Dia ho diso izahay.

4. ‘Zay rehetra anananay
Entinay midera Anao,
Aoka hazoto izahay
Mba hanao ny sitrakao.

5. Aoka handroso izahay
Mba hanompo tsara Anao
Dia hifaly izahay
Amin’ny fitianao.