167 – Midera ny Anaranao

1. Midera ny Anaranao
‘Zahay, ry Tompo ô,
Ka hira no ventesinay
Hoe : haja, saotra, hery
Mba raiso ho Anao !

2. He, voahombo Ianao
Nisolo heloka
Ka mendrika hanaovanay
Hoe : haja, saotra, hery
Mba raiso ho Anao !

3. Endrey ny fitiavanao
Endrey ny herinao !
Tra-pamonjena izahay
Ka haja, saotra, hery
Mba raiso ho Anao !

4. Raha tonga ao an-danitra
‘Zahay mpanomponao,
Hitohy re ny hiranay
Hoe : haja, saotra, hery
Mba raiso ho Anao !
—–
(Tiona 1 – J. Ellor)

(Tiona 2 – W. Shrubsole)

828 – Hianao ry Kristy Tompo 447

1. Hianao ry Kristy Tompo,
No hasiniko izao,
Avy aho fa mpanompo,
Hiankohoka Aminao,
Raiso re ny dera, saotra
Tena mendrika ho Anao;
He! Ny foko faly loatra,
Faly mba hanaja Anao.
———–
C’est toi Christ Seigneur,
Que je glorifie maintenant,
Je viens comme serviteur,
Me prosterner devant toi
Reçois louanges, reconnaissances
Car Tu en es digne
Oui, mon cœur déborde de joie,
Heureux de t’honorer

2. ‘Zao no tena faniriako:
Ny ho velona aminao,
Ka hitoeranao ny foko,
Fa tsy holalovanao;
Eny, Tompo ô! Monena,
Mba monena ao tokoa,
‘Zay no tena famonjena,
‘Zay no mahafatra-po.
———–
Voici ce que je désire :
Être vivant en toi
Que tu demeures dans mon cœur
Que tu y restes,
Oui Seigneur habite en moi,
Habite pleinement en moi,
Ce qui est le signe de mon salut,
Et qui satisfait totalement

3. Tsy ho orin-java-tsoa
‘Zay rehetra itoeranao,
Tena sambatra tokoa,
Raha ny fo no lapanao,
Mandrosoa, fa vohako,
Ho Anao ny foko ‘zao
Eny Tompo fa vohako
Koa midira Hianao.
———–

Toujours comblés de biens
Ceux qui T’ont comme demeure,
Bienheureux sommes nous,
Si Tu règnes dans notre cœur
Sois le bienvenue Seigneur,
Je t’ouvre mon cœur
Oui Seigneur , je t’ouvre mon cœur

173 – Hosana no asandratray ho an’i Jesosy

1. Hosana! (in-3)
Hosana no asandratray
Ho an’i Jesosy,
Fa Izy no Mpanjakanay
Sy Tompo tia koa;

Fiv : Hosana no atolotray
Anao, ry Tomponay!
:,: Ity no andro Jobily
Ka hifalianay.:,:

2. Hosana! (in-3)
Hosana ho Anao anie,
Ry Kristy Tomponay!
Fa avy Hianao tokoa
Hanjaka aminay!
Hosana, sns…

3. Hosana! (in-3)
Hosana! Fa ho sambatra.
Izay mpanomponao;
Tsy hisy fahoriana
Ety an-taninao!
Hosana, sns…

4. Hosana! (in-3)
Hosana! Fa miomana
‘Zahay vahoakanao
Hitsena Anao Mpanjakanay
Raha avy Hianao!
Hosana, sns…

5. Hosana! (in-3)
Hosana! Raisonao tokoa,
Ry Tompo tianay,
Ny dera, laza, saotra koa,
Izay aterinay!
Hosana, sns…

172 – Hoderaiko lalandava Jeso ‘lay Mpanavotro !

1. Hoderaiko lalandava
Jeso ‘Lay Mpanavotro !
Noho ny fitiavana ahy,
Maty mba ho soloko.

Fiv : Hoderaiko, hoderaiko
Fa ny rany masina
Nentiny hanavotra ahy :
Afaka ny heloko !

2. Holazaiko lalandava
Ny tantara mamiko,
Zay nitadiavana ahy
Very noho ny heloko !
Hoderaiko, sns…

3. Hohiraiko lalandava
‘Zao ny voninahiny,
Fa ny fahafatesana aza
Resy noho ny heriny !
Hoderaiko, sns…

170 – Ry Jeso, ny fitiavanao no ifalianay

1.Ry Jeso, ny fitiavanao
No ifalianay,
Fa voavono Ianao
Hisolo voina anay !

Fiv : Mba raisonao re
Ny saotra aterinay izao,
Ho fanajana
Anao Mpamonjy tia !

2.Mahery ny fitiavanao
Ka itokianay ;
Izay mikambana Aminao
Dia tsy hangahiahy
Mba raisonao, sns…

3.Ambony ny fitiavanao
Ka tsy mba takatray !
Kanefa noho ny herinao
Hiezaka izahay
Mba raisonao, sns…

4.Hiezaka izahay, Jeso,
Ka mba ho tia Anao,
Ka tsy hatahotra eso koa
Noho ny Aminao !
Mba raisonao, sns…

169 – Ry Tompo Andriamanitra mpanao izao rehetra izao

1. Ry Tompo Andriamanitra,
Mpanao izao rehetra izao!
Midera Anao ny lanitra,
Ny tany koa mitsaoka Anao.

2. Hianao no Ray mandrakizay,
Mpanao izao tontolo izao.
Tongava re, ka mba tahio
Ny vavakay atao anio.

3. Ry Kristy ô, Mpanavotra,
Mpamonjy be fìtia tokoa;
Hianao no Zanaky ny Ray
Ka mendrika haja, saotra koa,

4. Fanahy Masino ô, avia,
Sasao ho voadio izahay
Hanoa sy hanara-dia
Ilay Mpamonjy Tomponay.

5. Anao ny voninahitra
Sy dera tsy mitsahatra
Ry Telo izay Iray, Tsitoha.
Ray, Zanaka, Fanahy koa.

164 – Jesosy irery ihany

1. Jesosy irery ihany;
Filazantsara soa
Nentin’ireo mpanompo,
Torina aminao.
Maizina avokoa
Izao rehetr’izao
Nefa he ny mazava
Naposaka aminao.

2. Jesosy irery ihany
No ivavahana.
Ny Anarany irery
no fanavotana.
Ny olona rehetra
no handohalika
Ety an-tany ka ha-
trany an-danitra.

3. Jesosy tsy miova
omaly sy anio.
Ary mandrakizay fa
tsy mba mamitaka;
Mifona ho antsika
Eo an-kavanan-dRay.
JESOSY IRERY IHANY
Re no isaorana!

165 – Haleloia ! miderà, asandrato

1. Haleloia ! miderà
:,: Asandrato, re ny feo :,:
Miderà ny Ray Tsitoha
:,: ‘zay Mpamorona anareo :,:
Fa Mpanjaka manan-jo
Haleloia, Haleloia!

2. Haleloia ! mihirà
:,: Lehibe sy masina :,:
‘Lay Mpahary anareo.
:,: Ao ny ranomasina :,:
Sy ny biby marobe
‘Ndray mihoby : Haleloia !

3. Haleloia ! mifalia
:,: ‘Lay Mpamonjy be fitia :,:
Sy Mpanavotra anareo.
:,: O, ry olom-bery ô :,:
Manatòna, mihobia
Haleloia, Haleloia !

4. Raiso re, ry Tompo ô,
:,: Ny mpanota toa anay :,:
‘Zay miantoraka Aminao.
:,: Mba henoy ny vavakay :,:
Ho fanatitra madio
‘Zay atolotray anio !

166 – Derao ny Tompo lehibe

1. Derao ny Tompo lehibe
Nahary izao rehetra izao
Haleloia, Haleloia,
Ny lanitra sy tany koa
Samia midera avokoa
Asandrato izao ny dera :
Haleloia, Haleloia, Haleloia !

2. Ry fo voadion’ny ràny soa,
Ankalazao ny Tompo tia !
Haleloia, Haleloia,
Ry voavela heloka ô,
Tsarovy re ny indrafo,
Asandrato izao ny dera :
Haleloia, Haleloia, Haleloia !

3. Miraisa fo ka miderà
Fa izy niahy hatrizay,
Haleloia, Haleloia,
Derao ny Ray sy Zanaka
Sy ny Fanahy Masina
Asandrato izao ny dera :
Haleloia, Haleloia, Haleloia !
Amena

168 – Ry Jeso! Ny Anaranao

1. Ry Jeso! Ny Anaranao
Dia maminay tokoa;
Mihira sy midera Anao
‘Zahay navotanao.

2. Tsy takatry ny hevitra
Ny fitiavanao;
Tsy tambonay tononina
Ny hasoavanao.

3. Ny tsara eran-danitra
Sy eran-tany koa,
Tsy azo anoharana
Ny fitahianao.

4. Ho toy ny loharanao e,
Ny fonay olonao;
Tsy hanam-pitsaharana e,
Ny hiderana Anao!