FF 12 – Am-pelatananao ry Raiko

1. Am-pelatanana ry Raiko
Ny mombamomba ahy rehetra
Iriko ianao no ho mpibaiko
Ianao anatiko ao mitoetra
Ho andrirahoko tokoa
Hitarika ahy hatrany hatrany
Andriafo tsy mandao Ianao
Jesoa Ianao no hazavana tsy ho lany
Am-pelatananao ihany
Mandrakizay doria doria
Na ny fiainako eto an-tany
Na hatrary ankoatra ary.

2. Ny saiko am-pelatananao
Ny foko efa tsy ahy intsony
Fa voaova ho vaovao
Dia lasanao ry Ray ambony
Ny hasambarako ombieny
Mifaly manana Anao
Ilay fiainako mpanjeninjeny
No voafehinao anatiko ao
Am-pelatananao ihany
Mandrakizay doria doria
Na ny fiainako eto an-tany
Na hatrary ankoatra ary.

171 – Jeso Mpanjaka malaza

1. Jeso Mpanjaka malaza
No Tompo Mpanjakanay ;
Mahery sy tsara indrindra
Ka Izy no aronay !
Mendrika hankalazaina
Noho ny heriny ;
Eran-tany sy lanitra koa
Ny zo aman-dazany !

Fiv : Ry Tompo Mpanjaka mahery ô,
Mihainoa, mihainoa !
Avy manaiky tokoa izahay
Fa Tompon’ny hery rehetra Ianao,
Tsy misy mihitsy ny toa Anao,
Tsy tratry ny saina ny herinao !
Ny fiderana ‘zay entinay, raiso re ;
Ny haja atolotra Anao ety, raiso izao !

2. Tompo Mpandahatra hendry,
Mpanao izao rehetra izao
Ny zara sy tendry ataony
Dia tsara sy mahasoa ;
Mendrika ny hoderaina
Ny fandaharany ;
Atolory ho Azy ny saotra
Fa izy tandrifin’io !
Ry Tompo Mpanjaka mahery ô, sns…

3. Tompo Mpanjaka Tsitoha
Kanefa be indrafo !
Deraina eram-po eran-tsaina,
Deraina mandrakizay !
He, ny mpanompo voavonjy
Samy mihoby hoe :
« Haleloia ho amin’ny avo,
Fa Jeso no Tomponay ! »
Ry Tompo Mpanjaka mahery ô ! sns…