362 – Tsy fantatrao va Ilay namonjy anay?

1. Tsy fantatrao va flat’ namonjy anay?
Ry havako ory izao,
Mitady anao Ilay namonjy anay,
Maniry hamonjy anao;

Fiv : Mihainoa, ny hamonjy anao
Manao hoe: »Manatona anio,
Na dia be aza ny ratsy natao,
Dia mety ho afaka izao. »

2. Fa tonga taty Ilay namonjy anay,
Ka nampijaliana tokoa;
Ny rany izay namonjeny anay
Hamono ny helokao koa:
Mihainoa, sns…

3. Misento anao Ilay namonjy anay,
Ry olo-mahantra aty!
Tomany anao Ilay namonjy anay,
Fandrao ho very ary:
Mihainoa, sns…

4. Henoinao ‘zao ny hamonjy anao,
Hiadam-pinaritra am-po:
Faingàna handray ny homeny anao,
Dia lova tsy mety ho lo:
Mihainoa, sns…

390 – He, Jesosy Tomponao

1. He, Jesosy Tomponao
Malahelo, mitomany,
Fa izao tontolo izao
Mbola mihomehy ihany,
Ka ho ratsy fiafara,
Fa manda ny Tompo tsara!

2. lndro, tevana no ao,
Fa tsy hitan’ny mpanota,
Izay mandihy faly izao
Sy manaram-po manota.
Ry adala, miverena,
Sao ho very famonjena.

3. Mba heveronao izao
Fa ny tenanao ho faty;
Koa ny fifonanao
Aza ataonao matimaty!
He, ny Tompo mitomany!
Sa tsy azonao izany?

4. Latsa-drano maso be
Sy onena ny Mpamonjy;
Koa mifohaza re
Manatona ho tra-bonjy;
Fa Jesosy be fitia
Mitomany ny mania.

392 – O mba raiso izao, misy lovanao ao

1. O, mba raiso izao,
Misy lovanao ao,
Indro! Jeso miandry anao!
Fa ny helokao be
Dia navelany e,
Ka fiainana omeny anao;
Novidiny hianao,
Ka ekeo hatrizao
Izay omen’i Jesosy anao.
O, mba raiso izao,
Misy lovanao ao,
Indro! Jeso miandry anao!

2. Moa hadinonao va
Fa ny olo-mandà
Ho tra-nenina rahatrizay?
Izay ataonao aty
Hotsaraina ary
Ka tsy azo ovana indray.
Ny Mpamonjy anao
No hatony izao,
Ary Izy hihaino anao.
Moa hadinonao va
Fa ny olo-mandà
Ho tra-nenina rahatrizay?

3. Izao tontolo izao
Dia mamitaka anao,
Ka afoizo fandrao manindao.
He, Jesosy nandao
Izao tontolo izao
Ary izy miantso anao.
Izy tonga indray
Ao an-dapan’ny Ray,
Ka ho velona mandrakizay.
Izao tontolo izao
Dia mamitaka anao,
Ka afoizo fandrao manindao.

240 – Alahady, andro tsara,

1. Alahady, andro tsara,
Andro fitsaharanay,
Nitsangananao, ry Tompo!
Andronao, Mpanavotray.
Eny, maminay ny andro,
Andro fiangonanay,
Hiderana Anao Mpamonjy,
Sy ny voninahitrao.

2. Tovy aminay ny teny
Izay nataonao fahizay,
Tamin’ny Apositoly
Fony vory toy izao:
« Raha misy roa na telo
Amin’ny Anarako
Vory mba hiantso Ahy,
Ao no hiangonako. »

3. Mba soraty ao am-ponay,
Tompo ô! Ny didinao,
Hiasanay saina tsara
Eto anatrehanao,
Mba avia, ry Jeso Tompo!
Tomoera aminay,
Hitandremanay ny andro
Izay natokana ho Anao.

389 – Ny perla madio, ny perla vaovao

1. Ny perla madio, ny perla vaovao
No tonga hampanan-karenany very.
Ny perla madio katsaho izao;
Ario ny ota, izay mahavery,
Tapaho ny gadra, izay mahamay!
Fa sao ho anjaranao mandrakizay.

2. Ny ota nataonao, ry havana e,
Miteraka gadra, izay mahafaty;
Kanefa maro miezaka re,
Hahazo ny voan’ny ota, ka maty!
Reseo ny ota, reseo izao,
Katsaho indrindra ny perla vaovao!

3. Avia, mpanota, faingàna izao,
Faingàna ka dia hahazo hijery
Ny perla madio, ny perla vaovao,
Izay tonga hampanan-karena ny very.
Ry Jeso, Izay perla madio vaovao,
Avia hampanan-karena izao!

388 – Tsy maintsy hateraka indray hianao

1. Tsy maintsy hateraka indray hianao
Izay ta-handova
Ny lanitra sy ny fiainam-baovao,
Izay tsy miova
Ny havan’ny Tompo ihany
No tena hahazo izany.

2. Ny fo vatolampy esory izao,
Fa tsy hovonjena;
Katsaho ny fo feno aina vaovao
Fa io no ekena
Horaisina any ambony,
Ka tsy hitomany intsony.

3. Ny Tompo mitondra ny hery vaovao;
Fanahy sy afo,
Izay mampiova ny fonao izao
Ho tonga fo nofo;
Ny olona lasan-ko babo
Ho afaka sady hiravo.

4. Ry Masina ô, ateraho indray
Izay mitaraina,
Velomy ny maty hifoha,
Handray ilay tena aina;
Mba raiso , ry Ray be fitia,
Ny zanaka adala nania!

387 – Ampihetsehin’inona izao ireo vahoaka

1. Ampihetsehin’inona
izao ireo vahoaka,
Ary iza no arahiny
No dia samy maika ery?
:,:Ry jamba ô, fantaronao,
Jeso mandalo anao izao.:,:

2. Jesosy Iraky ny Ray
Dia sady mety no mahay
Manafaka ny rofinao
Sy mampahiratra anao;
:,:Koa mitsangàna hianao,
Jeso mandalo anao izao:,:

3. 0, ry mivesatra entana,
Hatony ny Mpanafaka!
Ry zaza very hatrizay,
Modia ao an-tranon-dRay.
:,:Ry jamba ô, heveronao
Jeso mandalo anao izao:,:

4. Ny làlan-tsarotrao aty
Tsy misy tsy nalehany,
Ny rofy nositraniny,
Ny maty novelominy.
:,:Ny jamba faly nahare:
Indro, Jesosy mandalo re!:,:

5. Ny indrafony mbola injao,
Mitety izao tontolo izao;
Ny tranontsika alehany,
Ny fo mihidy doniny.
:,:Ampandrosoy Izy hoe:
Jeso ô, aza mandalo re!:,:

6. Fa raha tsy ahoanao
Izao fandalovany izao,
Ka nony efa farany
Vao tia ny hovangiany,
:,:Indrisy! Tsy ho hitanao
Jeso Izay efa nandalo tao:,:

386 – He, Jesosy Tompo soa

1. He, Jesosy Tompo soa
No miantso mafy hoe:
« Manatàna avokoa
Ry mpanota marobe!
Fa izay manatona Ahy
Tsy mba horoahiko;
Aza manana ahiahy,
Raisonao ny teniko ».

2. Aza mba misalasala
Ka mihevitra hoe:
Sao ny Tompo tsy hamela
Ahy efa diso be.
Tsia, tsia, ry mpanota,
Matokia marina,
Anenenonao ny ota,
Jeso hanamarina.

3. He, ny rany saro-bidy
No mahafa-keloka
Ny mpanota voavidy
Ka miaiky heloka.
Eny, afaka ny revo
Noho ny Mpanavotra,
Ny devoly manandevo
Efa resy lahatra.

4. Ny Mpamonjy mampifidy,
Tsy manao an-keriny,
Ka antsika ny hifidy
Sy handray ny teniny.
Koa raha misy very,
Dia tsy avy aminy;
Ny manao ny mahavery
Dia tsy mba maminy.

361 – Manatona, ry malala!

1. Manatona, ry malala!
An’i Jeso Tomponao;
Raiso re ny famonjena,
:,:Tsy ho faty hianao.:,:

2. Indro jeso, fa miandry
Mba handray anao izao;
Miverena, aza kivy,
:,: Mazotoa, sy matokia.:,:

3. Aza mba mangataka andro,
Sao, dia tratra hariva ety;
Tahotra sy horohoro
:,: Hampivadi-po anao.:,:

4. Ao ny tany soa homeny
Mampifaly fo ery;
Sady tsy mba misy ratsy,
:,: Mandrosoa ho tonga ary.:,:

385 – Ny Mpamonjy be fitia

1. Ny Mpamonjy be fitia
No miantso hoe: Avia!
Ry mahantra, raiso izao,
Famonjena ho anao.

2. Hoy ny Tompo: Ry mpanota,
Manatona, fa ny ota
Voavela, anaka,
Afaka ny heloka.

3. Teny mamy, re, izany,
Faly ireo mitomany,
Ka araho hatrizao,
Dia ho sambatra hianao.

4. Ry Jesosy, Izay Mpiantra,
Izaho ory sy mahantra,
Ka ampio aho izao,
Fa Mpamonjy Hianao!

5. Efa azoko ny teny
Ka hazoniko ireny;
Hianao, Jesosy ô,
Ampy hiankinako.