665 – Ry mpisaona malahelo

1. Ry mpisaona malahelo,
Mijere ny Tomponao,
Izay namindra ny malala
Mba ho ao an-danitra;
Mba fafao ny ranomaso;
Andrandrao ny lanitra.
Mitsahara ry mpisento,
Ka derao ny Tomponao!

2. Sento no anjarantsika,
Izy kosa faly izao,
Afa-jaly, afaka ota,
Tapitra ady izy ao,
Tsy mba misy ranomaso
Na izay mahory ao,
Koa aza mitomany,
Fa derao ny Tomponao!

3. Nofo no aterintsika
Ao am-pasana anio;
Ny fanahiny anefa
Tsy mba ao anatin’io.
Jeso no namindra azy,
Lasany ny havanao,
Fa navotany ho Azy,
Ka derao ny Tomponao.

4. Mangataha fahendrena,
Ka isao ny andronao;
Mikatsaha famonjena
Sy fiainana vaovao,
Mba horaisiny tokoa
Honina any aminy,
Ka ekeny ho sakaiza,
Mba ho ao an-tranony.

233 – O! Ray Malala, asehoy

1. O! Ray Malala, asehoy
Ny hasoavanao;
Sasao ho afa-keloka
Izahay ho zanakao:

Fiv : Ho mafy ny fiezakay
Handia ny lalanao,
Tsy hisy hijanonanay,
Raha tsy an-tranonao.

2. O! Ray Malala, mba henoy
Ny feonay zanakao;
Tantano ao an-dalana
Hankany aminao:
Ho mafy, sns…

3. O! Ray Malala, hitanao
Ny hasambaranay;
Ny avotr’ain’ny Zanakao
No itokianay:
Ho mafy, sns…

663 – He, lasa izao ny malala

1. He, lasa izao, ny malala
Nifindra ao an-dapan’ny Ray;
Isika rehefa miala,
Ho faly hahita azy indray.
Isika izao mitomany,
lharan’ny mafy manjo;
:,:Jesosy mahita izany,
Ka Izy hanony ny fo.:,:

2. Matetika re ny mangidy
Avela hihatra aminao,
Ka aoka mba tsy hanadidy,
Fa feon’ny Tompo izao.
Ny zanaka tian’ny rainy
Tsy maintsy anariny re!
:,:Izay mahasoa ataony,
Ombam-pitiavana be.:,:

3. Ny fo mora kivy ario,
Fa tsy mba hanary ny Ray;
Ny mamy tsy hita anio
Haposany rahatrizay,
Hofahony ny ranomaso
Soloarn-pifaliana be;
:,:Ny toky omeny andraso,
Fa ho tanterahiny re!:,:

662 – O, ry Mpamomjy avia Hianao

1. O, ry Mpamonjy avia Hianao,
Indro misento ny fonay izao;
Ny alahelo mamely anay,
Koa mitady Anao izahay!
Iza no aron’izay ory fo,
Sady mpanampy ny manamanjo,
Fa tsy ny Tompo mahery sy to?
Dia Hianao izay be indrafo.

2. Jeso Mpamonjy ô, mba iantrao,
Izay malahelo miantso Anao!
Ny mitomany tsy hitanao va?
Fantatray fa Hianao, tsy handà
Dia manatàna ka mba mijere
Ny ranomaso izay mitete!
Fa Hianao no mahay manome
Fampiononana be dia be.

360 – Mba hevero, ry mpanota!

1. Mba hevero, ry mpanota!
Ny nataon’ny Tomponao:
Izy tsy mba manana ota
Nefa tonga solonao;
He! Ny lanitra nafoiny
Mba hidinany taty;
Olom-bery no antsoiny,
Mba handavo ny ary.

2. Mba hevero, ry mpanota!
Fa nijaly Jeso tia,
Maty tany Golgota
Mba hamory ny mania.
Indro latsa-dra ny Tompo,
Nefa tsy mba tsy mba diso re!
Fa nisolo ny mpanompo
‘Zay nanohitra ela be.

3. Mba hevero, ry mpanota!
Alatsaho ao am-po:
Mahavery re ny ota
Raha tsy voadio ny fo.
Mangataha ankehitriny,
Dia hodiovin’i Jeso,
Fa izany no iriny
Mba handrasanao ny soa.

4. Mba hevero, ry mpanota!
Ny fifonana aminao
Hahafoizanao ny ota
Tena fahavalona.
Manatòna hovonjena
Sao hiharan-doza be!
Manatòna, fa homena
Fifalian-dehibe.

5. Mba hevero, ry mpanota!
Inona ary no hatao?
Aza mety resin’ota,
Tiavo Jeso Tomponao;
Ny lalàny no araho,
Sitrapony tontosay;
Nefa Izy angataho
Homba anao mandrakizay.

232 – Ny alahady andronao

1. Ny alahady andronao,
Jesosy Tompo Masina ô!
Fotoana nitsangananao
Ka maminay mpianatrao.

2. Anio, mivory izahay,
Tahaka ireo mpianatrao;
Ka enga anie ho hitanay
Ny hazavan’ny tavanao.

3. Omeo anay, omeo indray
Ny herin’ny Fanahinao;
Havaozy ao anatinay
‘Lay Pentekosta fahizay.

231 – Ry Tomponay Tsitoha

1. Ry Tomponay Tsitoha,
Ilay iray hatrizay,
Avia, hampifoha
Ny fiangonanay,
Atreho ny mpivory
Fa manantena Anao ;
Fohazy ny matory
Handray ny Teninao !

2. Iraho ny Fanahy
Mba hanavao anay
Ka homba sy hitahy
Ny Teny inoanay !
Na lehibe na kely,
Ampio sy hafanao
Hazoto hampiely
Aty ny lazanao !

3. Ny asam-pamonjena
Izay natombokao,
Ambino tsy hihena,
Tahio sy tontosao !
Ny herin’i Satana
Folahy hatrizao,
Ho afa-pahotana
lzahay navotanao !

4. Arovy ny finoana
Izay naorinao ;
Vonoy ny hevi-poana
Mandà ny Teninao !
lzahay na be na vitsy,
Hazôny tsy hania,
Mba ho Anao mihitsy
Mandrakizay doria !

660 – Sambatra ny nodimandry

1. Sambatra ny nodimandry
Niala teto ka tafandry
Ao ampofoan’i Kristy;
Ravoravo izao ny fony
Ka tsy misasatra intsony,
Mby ao, am-pitsaharany.
Ny asany taty
Manaraka azy ary,
Haleloia!
Tafiditra ao an-dapanao
Ry Jeso, ny malalanao.

2. Saotra, dera, laza, hery,
Mba raiso ho Anao irery,
Ry zanak’ondry tokinay!
Hianao dia nialoha
Hanolotra anjara soa
Ho an’ilay malalanay.
Ny fahafatesanao,
No misy aim-baovao,
Haleloia!
Hahita Anao ny olonao
Hohazavain’ny tavanao.

3. Tsy mba misy alina any,
Jesosy no fahazavany
Sy tena masoandrony,
Azony izay niriny,
Ka sambatra ny mpivahiny,
Fa ao no tanindrazany,
Fa efa tapitra
Ny ali-maizina,
Haleloia!
Fa foana ny fasana,
Maraina no miposaka.