257 – Ry Jesosy ô! indreto

1. Ry Jesosy ô! indreto
Izahay nasainao eto
Amin’ny latabatrao
Mba talory mofon’aina
O! omeo ranon’aina
Dia ny ra aman-tenanao

2. O! ry Loharanon’ aiko
Tonga aho, fa ilaiko
Hianao Mpamonjiko
Raiso ka diovy aho
Atafo izay mitalaho
Ny sahamarinanao!

3. Ry mpiandry Tsara indrindra
Taomy aho mba hifindra
Ao am-balan’ondrinao
Mamonje ka matahia
Ireto ondrinao mania
Ento any aminao!

4. O! ry Fahazavan’ny saiko
Sady tanjaky ny aiko
Tonga aho, ka vonjeo
Noana ka mitaraina
Mba vokiso mofon’aina
Rano velona omeo!

5. Indro, miankohoka aho
Tompo ô! ka mitalaho
Eto anatrehanao
Aza mba manary ahy
Izay misento sy manahy
Mamelà ny heloko!

6. Ry mpisolo ny mpanota
Izay nandoa ny tambin’ota
Latsa-dra ny tenanao
Raisiko am-panajana
Fa nataonao fanasana
Ireto zava-masinao

614 – O! Ray jereo ny zanakao!

1. 0! Ray j ereo ny zanakao!
Mivavaka aminao;
Henoy ny fitarainanay
Izay atao, izao.

2. 0 Ray! Vonjeo ny zanakao,
Fa osa izahay;
Ny tananao no herinay,
Handresy izahay.

3. 0 Ray! Tahio ny zanakao,
Ny soa aminao,
Ka arotsahy aminay
Ny fitahianao.

4. 0 Ray! Misaotra Anao, izahay
Ka dera no atao;
Ny soa azonay atÿ
Isaoranay Anao.

5. 0 Ray! Vahiny izahay,
Tsy taninay ity;
Ka raha hody raisonao,
Ho aminao ary.

613 – Mpiandry lehibe!

1. Mpiandry lehibe!
Vorio ny ondrinao
Hiray fisoko avokoa,
Hiadana aminao.

2. Sakaiza herinay!
jereo ny ondrinao
Mitebiteby, ory fo,
Ka miandrandra Anao.

3. Manahy izahay,
He! Ala be izao;
Andrao ho very foana aty,
Vonjeo ny ondrinao.

4. Henoy, ry Tokinay!
Vohay ny tranonao’,
Raha avy ny hodianay
Hitoetra aminao.

260 – Ry Kristy ô! malalako

1. Ry Kristy ô! malalako
Sakafon’ny fanahiko
Manaraka ny hafatrao
Tsarovako ny tenanao

2. Mangorakoraka ny fo
Fa voavono Hianao
Ka saotra no atolotray
Anao, ry Ilay nalatsa-dra

3. Ny tenanao izay raisiko
Fiainako vaovao tokoa
Ny ranao izay sotroiko
No manadio ny foko koa

4. Ry Kristy ô! ampitomboy
Ny fitiavako Anao
Ny toe-piainako fenoy
Ny tena hamasinanao

5. Atolotro anio indray
Mba ho Anao mandrakizay
Ny tenako, ny ananako
Ny heriko, ny asako

604 – Ento aho ry Jehovah

1. Ento aho, ry Jehovah,
Mpivahiny raha ety;
Tano aho, fa malemy,
Raha tsy hazoninao,
Mofon’aina,:,:
Ho fihinako, anie.

2. Mba savao ny loharano
Hahazoako ny soa;
Aoka hitari-dàlana Ahy
Izay andri-rahonao,
Ry Tsitoha:,:
Fiarovana Hianao.

3. Raha hita an’i Jordana,
Am pandrio ny tahotro;
Ry Mpandresy fanimbana,
Ento any Kanana aho!
Fiderana:,:
No hatolotro Anao.

256 – Mivoaka ao Golgota

1. Mivoaka ao Golgota
Ilay renirano soa,
Iantsoana ny mpanota
Ho any avokoa ;
Ny ratran’ny Mpamonjy
No loharanon’io,
Ka ony mahavonjy
Sy tena mahadio !

2. Mamelona ny tany
Ity ony soa ity,
Izay rehetra ombany
Miadana ery !
Vahoaka an-tapitr’isa
Izay misotro ao
Mahita Paradisa
Sy fiainana vaovao !

3. Ny fo izay maratra
Ka entina mankeo,
Ny ory sy mahantra
Izay manatona eo :
Mahita fanafody
Ka sitrana avokoa !
Ny ota sy ny rofy
Dia afaka tokoa !

4. Fanahy be ahiana,
Avia misotro ao,
Fa  io no mampangina
Ny alahelonao !
Fanahy ô, hatòny
Ity ony soa ity
Fa io no mahatòny
Ny faniriana aty.

5. Hianao, ry Tompon’aina,
Isaoranay tokoa,
Nanaiky horatraina
Handefa ony soa !
Ny ranao tao Golgota
No iankinanay
Fa mahadio ny ota,
Mamelona aina anay !

602 – Ry Andriamanitry ny famonjena

1.  Ry Andriamanitry ny famonjena
Sy kintana antenain’ny firenena,
Henoy ny fangataham-pandresena,
Ry Ray Tsitoha!

2. Ilay fitopatopan’ny alondrano
Sy rehrehan-drafinay fohano
Ny olonao mahantra mba tantano,
Ry Ray mpiaro!

3.  Raha osa, Hianao mahay mitàna,
Raha reraka asiam-pahotàna,
Ny herinao tsy resin’i Satana,
Ry Ray Mahery!

4. Ampionao izahay handresy rafy,
Ampionao mba haharitra ny mafy,
Ampionao tsy ho ketraka mihafy,
Ry Ray Mpanampy!

230 – Mba trotroy ny olona ory

1. Mba trotroy ny olona ory,
Ry Jesosy Tompo ô!
Tsy hirenireny saina,
Fa handray ny teninao;
:,: Olona osa, olona osa
Ento mora, Tompo ô! :,:

2. Jeso, Tomponay Tsitoha!
Taomy ny sakaizanay,
Mba ho tonga mpino koa
Sy hiankina aminao,
:,: Mba tariho, mba tariho
Izy ho mpanomponao :,:

3. Faly izahay, Jesosy,
Tratr’izao anio izao,
Tafavory ka hihaino
Ny Filanzantsaranao,
:,: Raisonao re, raisonao re
Izao fisaoranay izao! :,:

229 – Jesosy ô! Mba hasoavinao

1. Jesosy ô!
Mba hasoavinao
Ny asanay, izay atombokay
Amin’ny anaranao;
Ka mba ombay
Fa satria sitrakao,
Fa ny anaranao
No anton’ny atao.
Dia hotanterahinay
Mba ho fifalianay
Sy ho voninahitrao.

2. Jesosy ô!
Derainay Hianao,
Fa feno famonjena olona
Ny Anara-masinao!
Ny herinao
Tompo ô! Manavao
Izao tontolo izao
Ny teny masinao
Dia iankinanay;
Hianao isaoranay
Eto sy rahatrizay.

3. Jesosy ô!
Ny fanorenana
Iainanay sy hahafatesanay
Dia ny Anaranao,
Fa Izy no
Manome toky be,
Ka hitsangananay
Ho velona indray;
Dia mba horaisinao
Izahay navotanao
Amin’ny Anaranao.