221 – Mivory eto izahay

1. Mivory eto izahay.
Jesosy Tompo ô!
Avaia hanazava anay,
:,: Hinoanay Anao :,:

2. Maniry mafy izahay
Hihaona aminao:
Omeo hosotroinay
:,: Ny rano velona :,:

3. Ny mofon’aina mba zarao
No anay, ry Tompo ô!
Tahio re ny irakao,
:,: Ho voninahitrao :,:

4. Ny fonay dia atolotray
Anao Jesosy ô!
Omeo hery izahay
:,: Hanao ny sitrakao :,:

5. Raha tapitra ny andronay,
Izay voafetranao,
Dia ento mody izahay
:,: Ho any aminao :,:

66 – Ry olona ô, avia!

1. Ry olona ô, avia!
Ry tany, mifalia!
Mbahenoy ny teninay:
Teraka ny Tomponay,
Ao an-tranon’omby ao.
Andeha, mitsaoka Azy izao;
Teraka ny Tompo!
Teraka Jeso!

2. Ry olona ô, avia!
Ry tany mifalia!
Mba henoy, ry havanay!
Misy Zaza hitanay
Zanak’ Andriamanitra
Hamoha indray ny lanitra
Teraka ny Tompo!
Teraka Jeso!

3. Ry Kristiana ô, hobio,
Fa afaka hianao anio;
Resy izao ny rafinao,
Afaka ota hianao,
Fahasoavan-dehibe
No ho anjaranao anie:
Teraka ny Tompo!
Teraka Jeso!

65 – Ry Betlehema kely ô!

1. Ry Betlehema kely ô!
Sondrian-tory ve?
Kanefa injay miseho ao
Ny hazavana be.
Ny toky sy ny tahotra
Mihaona ankehitrio,
Fa Kristy Mpanavotra
No teraka anio

2. Ry kintana maraina ô!
Fitarik’andro soa,
Toria fa tonga aty izao
Ilay Mpanjaka soa!
Ka he! ny voninahitra
Ho an’Andriamanitra!
Fiadanana tsy tapitra
Ho an’ny olona!

3. Endrey, mangina fatratra
Ny fampidinana
Ny fitahian-danitra
Am-pon’ny olona!
Tsy misy tabataba re,
Na horakoraka.
Kanefa Kristy tonga anie
Am-po mangoraka!

4. Rankizy hendry sy madio
Tsarovy Kristy izao
Fa Izy tonga aty anio
Mba ho monjinao.
Na misy aza ny manjo,
Izao Noely izao
No saino fatratra ao am-po
Hampionona anao!

5. Ry Zaza Masina sy soa,
Ry Zanak’i Maria,
Ry Tomponay, Mpamonjy koa,
Midina re aty.
Ny feon’ny lanitra no re,
Indray Noely izay,
Nitondra teny soa hoe:
Hianao no Avotray!

63 – Tany finaritra

1. Tany finaritra
Tarafin-danitra,
Mirana ny mpivahiny ao ;
Injao fihobiana
Am-pandehanana
Mankany ny Paradisa izao !

2. Andro mihelina
Tao-mitsingerina
Ifandimbiasan’ny olona ;
Tsy lefy hanitra
Ny soan’ny lanitra
Mamelon-kira velona !

3. Teny naely
Hiran’anjely :
« O, mifalia ry reraka
Fa fiadanana
No andehanana ;
Fa ny Mpamonjy teraka ! »

62 – He, teraka any Betlehema

1. He, teraka any Betlehema,
Ao Betlehema,
Ny Tompon’i Jerosalema !
:,: Haleloia ! :,:

2. Ny vilona :,: nandriany :,:
Nihoby ny anjeliny !
:,: Haleloia ! :,:

3. Ny magy dia :,: nanatitra :,:
Ny miora sy ny hanitra !
:,: Haleloia ! :,:

4. Voaisotra :,: ny helokao :,:
Fa tonga ny Mpanavotrao !
:,: Haleloia ! :,:

5. Isika dia :,: noraisiny :,:
Hiombon-dova aminy !
:,: Haleloia ! :,:

6. Isika koa :,: hianatra :,:
Ny fideran’ny lanitra !
:,: Haleloia ! :,:

7. Isika ao :,: an-danitra :,:
Ho velona finaritra !
:,: Haleloia ! :,:

8. Ho naman’ny :,: anjelinao :,:
Izahay, ry Jeso Tompo ô !
:,: Haleloia ! :,:

9. Hidera ny :,: Anaranao :,:
Manatrika ny tavanao !
:,: Haleloia ! :,:

61 – Tany Betlehema fahiny

1. Tany Betlehema fahiny,
Nisy Zaza teraka,
Tonga toy ny mpivahiny,
Nefa tena Zanaka.
Izy no Jesosinao,
Ka mba raiso ho anao!

2. Ao ny lapa feno haja
Nisy Azy fahizay;
Saotra, dera, aman-daza
Teo anatrehan-dRay,
Izany no nilaozany
Hamonjeny ny aty.

3. Zaza tsy nanota Izy,
Nefa Zaza toa anao,
Koa raisonao, rankizy,
Mba ho tena havanao;
Ary mba arahonao
Izay fanaony hitanao.

4. Raha sendra mitomany,
Izy hampangina anao,
Izy koa hampahamamy
Izay fifalianao;
Matokia hianao,
Izy no Sakaizanao!

5. Nefa mba henoy, ry Zaza:
Ao an-danitra Izy izao,
Fa ho avy indray hitsara
An’izao tontolo izao;
Koa mba fidionao
Izy ho Mpamonjinao!

64 – Injany, hiran-danitra

1. Injany hiran-danitra
Misasak’alina;
Lokanga volamena e,
Tendren’ny masina!
Ny tany dia nangina re,
Nandre ny hira vao;
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana.

2. Ny hiran’ny anjely re
Tsy mba mitsahatra,
Ary ambony rahona,
Ireo masina
Mitendry ny lokangany
Am-pihobiana!
Ho an’ny olona anie
Ny fiadanana!

3. O! ry mivesatra entana,
Ry malahelo ô!
Mba andrandrao ny lanitra,
Henoy ny hira vao!
Ny hiran’ny anjely re
Dia mampiadam-po.
O! mitsahara hianao
Hihaino azy izao!

4. Ny andron’ olombelona,
He fandalovana!
Kanefa hisy tany vao
Izay haharitra.
Endrey ny fiadanana
Ary rahatrizay!
Ny hiran’ny anjely re
Hiredona indray!

254 – Avia, ry mangetaheta ô

1. Avia, ry mangetaheta ô,
Ka aza dia mba mamoy fo
Fa indro misy rano velona
Izay omena mba hamelona
Anao mahantra sy variana,
Ry zanak’ondry very làlana !

2. Ny mofon’aina no atolony
Anao manaiky mba ho olony,
Ny tenany no ho fihinana
Mba hahazoana fiainana,
Kanefa tsy mba hovidiana anie
Fa tena fanomezan-dehibe !

3. Jesosy Tompo no nanolotra
Ny rany masina ho avotra !
Izany raiso mba ho tanjaka
Sy toky ho anao, ry reraka !
Ry mpivahiny sasatra ao am-po,
Avia re, ka manaràna fo !

253 – Avia, ry Mpanavotra

1. Avia, ry mpanavotra
Tahio ny fandraisana
Sakafo namboarinao
Izao hatoninay izao

2. Ireo zava-masina
Aroso mba hohanina
Ho famelana heloka
Ho aina sy ho tanjaka

3. Tsaroanay ny dianao
Ny ra sy fijalianao
Ny nisoloanao anay
Ny nitsangananao indray

4. Ny tenanao natolotra,
Ny ranao dia nalatsaka,
Sakafo iombonanay
Ho tena sy fanahy iray

252 – Mba avelao ny zaza

1. « Mba avelao ny zaza
Hanatona Ahy re,
Fa an’ny toa azy
Ny fanjakan’ny Ray ! »
Izany Teny tsara
No ifalianay
Ka dia tsy rarana
Ny zazakelinay !

2. Ao amin’ny batisa
Trotroiny izahay
Ka tena voaisa
Ho zanany indray ;
Atsangany handova
Ny fahasambarana,
Fiainan-tsy miova
Sy fiadanana !

3. Sakaizanay malaza
Ry Jeso, Ianao.
Finaritra ny zaza
Miankina aminao !
Ampio, ry Mpamonjy
Ny ondrikelinao
Ho tonga voavonjy
Ao anatrehanao !