251 – Ry Jeso Zana-Janahary

1. Ry Jeso Zana-Janahary
Sy fototry ny aim-baovao!
Mba aniraho ny Fanahy
Izao madinikao izao

2. Ny fahafatesanao nandresy
No aoka hiombonany
Ny herinao tsy mety resy
No mba ho fiarovany

3. Ka ny Anaranao hajaina
Dia mba omeo ny zanakay
Ka io no hialany aina
Sy hitsanganany indray

4. Tantano izy tsy ho osa
Raha lavitra ny diany
Fa raha fohy ihany kosa
Mba raiso ny fanahiny

220 – Ry Jeso Tompo, Avotray

1. Ry Jeso Tompo, Avotray,
Mitomoera aminay;
Aidino ny Fanahinao,
Tahio izahay izao.

2. Ny sitrakao mba ambarao
Ho fantatray ny hevitrao;
Ny fonay amboaronao
Hahay handray ny teninao.

3. Ny vavanay hasinonao
Hahaizanay hisaotra Anao.
Fa be ny soa azonay
Nomenao, ry Mpanavotray.

4. Rahatrizay ny olonao
Hihoby sy hidera Anao,
Fa masina, fa masina,
Fa masina i Jehovah.

60 – He, faly ny fanahiko

1. He, faly ny fanahiko,
Fa avy Ilay Malalako,
Dia Jeso tonga zaza,
Ka mety ho Mpamonjiko,
Na dia tsy mendrika aza
Izaho, ry Jesosy ô!
:,: Raiso ho Anao! :,:

2. Ry Jeso Zazakely ô,
Iriko mafy Hianao,
Avia re, ry Zaza,
Ny foko itoeranao
Na dia ratsy aza
Ka tsy mba mendrika Anao,
:,: Ry Jesosy ô! :,:

3. Endrey ny fitiavanao,
Ry Ray, namoy ny Zanakao;
Izahay, izay fahavalo
Ka ivesaran-keloka,
Avelanao hivalo
Ka hiditra ao an-danitra.
:,: Enga ka ho ao! :,:

4. Endrey ny fifaliana
Tsy tratry ny fisainana
Ataon’ireo anjely
Manerana ny lanitra!
Fa any ny Noely
Hitohy tsy ho tapitra,
:,; Enga ka ho ao! :,:

219 – Ry Mpampianatra mahay

1. Ry Mpampianatra mahay
Fanahy Mpanazava,
Ampianaro izahay
Handroso lalandava.
Ny indrafon’ny Tomponay
Velaro eo imasonay
Ho fantatray mazava.

2. Mivory eto izahay
Handre ny tenin’aina,
Ka hazavao ho fantatray
Ny hevitra lazaina;
Ovay ny sainay sy ny fo
Hamantatra sy hankato
Ny tenin’ny Mpamonjy.

3. Raha hodimandry izahay,
Ka tonga ny anjara,
Bitsiho ao an-tsofinay
No tokin’aina tsara:
Ataovy mora hitanay
Ny tavan’ny Mpanavotray,
Izay hery mahavonjy.

59 – O, mihobia fa teraka

1. O, mihobia fa teraka
Jesosy Tompo, Zanaka,
Mesia nantenaina,
Mpamonjy sitraky ny Ray
Ho avotra mandrakizay
Ka mendrika ho deraina !
Renao izao
Ny anjely mampiely
Teny soa :
Kristy teraka tokoa !

2. He, tonga ny Mpanavotra
Hanafaka ny tahotra
Mamatotra ny tany ;
Mitondra fiadanana
Ka tena mampihavana
Ny lanitra aman-tany ;
Indro tonga
Ny Mpamonjy mahavonjy
Ny mpanota,
Ka manaisotra ny ota !

3. Omeo voninahitra
Ny Ray, Andriamanitra
Izay Tompom-pamonjena !
Ny Zanaka no raisonao
Fa fananganana anao,
Ny lova dia homena.
Amen, Amen !
Teny soa mamy koa :
Isika lavo
Tonga zanaky ny Avo !

218 – Mba miangavy, Tompo ô!

1. Mba miangavy, Tompo ô!
Iraho ny Fanahinao,
Vangio ny mpanomponao
Ampianaro izy izao!

2. Ampaladio ny sofinay
Handraisanay ny teninao,
Tendreo koa ny lelanay,
Hahaizanay hidera Anao.

3. Hiely be ny lazanao
Ambara-pahatonganao
Hitsara izao tontolo izao,
Hampody ny navotanao.

4. Fanahy, Zanaka sy Ray,
Mba raiso ny fisaoranay;
Ka raha hiala aty izahay,
Hidera Anao rahatrizay.

217 – Ry Jesosy Tomponay!

1. Ry Jesosy Tomponay!
Indreto izahay mivory,
Nefa tsy mahay mandray
Izay ambaranao akory;
Ka iraho ny Fanahy
Mba hanampy sy hitahy.

2. Maizin-tsaina izahay,
Fa taranaka mpanota;
Simba ny fanahinay,
Tena voasaron’ota,
Tompo tsara ô, tongava,
Aposahy ny mazava.

3. Ry Mazava lehibe,
Taominao ny fo malaina,
Tairo mba hifoha re,
Ka handray ny tenin’aina;
Ny fivavakay valio,
Ny ataonay mba tahio

216 – Ny teninao ry Tompo ô

1. Ny teninao ry Tompo ô,
Dia ranon’aina soa
Izay mahalonakany fo
Mangetana tokoa,
Jereo ny tanimbolinao,
Fa tena mila io.
Ho feno voa ho Anao
Hatramin’ny anio.

2. Ny teninao dia sabatra
Maranitra tokoa.
Mitsara sy mamantatra
Ny fonay sy ny voa,
Hetseho izao tontolo izao
Handray ny teninao,
O, asehoy ny herinao,
Hamorona aim-baovao.

3. Ny teninao izay tokinay,
Fanilon-dianay,
Noraisinay ho lovanay
Sy fifalianay,
Ampianaro izahay
Hanoa ny didinao,
Ataovy izay hitiavanay
Ny teny masinao.

215 – Ny teny masina sy to

1. Ny teny masina sy to
Nampilazainao, Tompo ô!
No manankery mahavoa
Ny fahavalonao tokoa
Ka dia itokianay
Na aiza no alehanay.

2. Mitaona ny fanahinay
Ny teninao Mpanavotray,
Mananatra sy manambara
Ny ratsy ary koa ny tsara;
Mpilaza mahafatra-po
Ny teninao, ry Tompo ô!

3. Ny teninao no sabatray
Sy mpampionona anay;
Ny teninao no mofon’aina
Sy mpanazava fo sy saina:
Mpiaro sady tanjakay
Ny teninao, ry Tomponao!

4. Ampinganay ny teninao
Ao amin’izao tontolo izao,
Ka raha levona ny tany,
Ny teny mbola ao ihany,
Dia izy iankinanay
Ho antoky ny avotray.

214 – Finaritra, ry Tompo ô!

1. Finaritra, ry Tompo ô!
Ny mankafy ny teninao
Sy mankato ny didy.
Ny helony esorinao,
Ny sainy hohavaozinao.
Ka afaka hifidy
Ny lova sarobidy.

2. Ny teninao no rakitra
Sy tokin’ny mpandefitra,
Fa teny manan-kery.
He ! Ao dia voasoratra
Ny aminao Mpanavotra,
Fa Hianao irery
No avotry ny very

3. Ny teninao no vatsinay
Manohana ny dianay
Sakafo mahasoa
Sy ampy hivelomanay,
Ka ao am-parany indray
Ho azonay tokoa
Ny lovan’ny mpanoa.