58 – Alina masina

1. Alina masina,
Tonga ny Mpanavotra;
Indro teraka ao Bethlehema
Ny Mpanjakan’i Jerosalema,
:,: Izay mpamonjy anao :,:

2. Alina masina,
Ny anjely midina
Ka miara-mihoby hoe :
Indro ny fiadanam-be,
:,: Jeso teraka izao :,:

3. Alina masina,
Nisehon’ny Zanaka;
Ny mazava niposaka,
Ka ny tahotra afaka;
:,: Mifalia izao :,:

255 – Ny ran’ny Zanak’ondry latsaka

1. Ny ran’ny Zanak’ondry latsaka
Namelona ahy tany Golgota !
Ka io no tena vatofantsika
Maharitra ny tafio-drivotra !
———————
Le sang de l’Agneau qui a coulé
À Golgotha m’a donné la vie
C’est la véritable ancre
Qui résiste à la tempête

2. Raha voaratra noho ny otako
Ka lany foana ny heriko
Ny rany masina nalatsaka
No nahitako fahasitranana !
———————
J’ai été blessé à cause de mes péchés
Et j’ai épuisé toutes mes forces
Mais Il a versé son sang sacré
par lequel j’ai trouvé la guérison.

3. Izao hira vao izao no mamiko
Ka tonga tsy misaraka amiko :
Ny ran’ny Zanak’ondry no mahay
Manavotra ahy mba ho an’ny Ray !
———————
J’aime ce chant nouveau
Je ne peux m’en défaire
C’est le sang de l’Agneau qui peut
Me racheter et me faire revenir au Père

4. Raha ketraka sy kivy re ny fo,
Velomiko indray ny hirako
Ny amin’i Jesosy sy ny ra
Ka afaka ery ny tahotra !
———————
Et quand mon cœur est épuisé et découragé
J’entonne de nouveau mon chant
Sur Jésus et son sang
Oui, cela ôte ma peur.

470 – Ny foko, ry Mpamonjy

1. Ny foko, ry Mpamonjy,
Mangetaheta Anao ;
Maniry lalandava
Hikambana aminao !

Fiv : Tsy afaka ao am-poko
Ny faniriana Anao ;
Oneno re ny foko
Ho lapanao !

2. Ny androm-pahoriana,
Raha lapanao ny fo,
Manjary fitahiana
Izay manadio ny fo !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns…

3. Ny ora fifaliana
Raha ao anilanao,
Mamelom-paniriana
Hanao ny sitrakao !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns…

4. Ho lao ny fahotako
Raha akaikezinao,
Tsy misy hadalako
Izay tsy afakao !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns…

5. Finaritra ny saiko
Raha ipetrahanao,
Fa reraka ny aiko
Raha alavirinao !
Fiv : Tsy afaka ao am-poko, sns…

469 – Jeso ô, Mpitia anay

1. Jeso ô, Mpitia anay !
Maminay ny teninao,
Osa ny fanahinay,
Fa mahery Hianao :

Fiv : Mamy, ry Jeso ! (in-3)
Ny fitiavanao.

2. Jeso ô, Mpitia anay !
Mahadio Hianao ;
Ka ny halotoanay,
Aoka ho voasasanao :
Mamy ry Jeso !, sns…

3. Jeso ô, Mpitia anay !
Tompon’aina Hianao ;
Maro ny aretinay,
Nefa samy afakao :
Mamy ry Jeso !, sns…

4. Jeso ô, Mpitia anay !
Aoka hotarihinao ;
Aza mba mandao anay,
Mandra-pahafatinay :
Mamy ry Jeso !, sns…

468 – Irinay Jeso tia

1. Irinay Jeso tia,
Mpanota izahay,
Ka misy alahelo
Aty anatinay;
Irinay ny Mpamonjy
Hiseho ho anay,
Hanafaka ny ota
Mba hifalianay.

2. Irinay Jeso tia
Mba hanazava anay,
Fa maizina ny sainay,
Ka diso izahay;
Irinay Jeso Kristy
Hanolo-tsaina anay,
Irinay Jeso hendry
Mba hianaranay.

3. Irinay Jeso tia
Ho tonga aminay,
Hiantra sy hiaro
Sy hanadio anay;
Na dia malemy aza
Ka reraka izahay,
Rehefa voavonjy,
Matanjaka izahay.

4. Ry Tomponay malala!
Ry Jeso tianay!
Ry Havanay mahery!
Ry Rahalahinay!
Vonjeo izahay mpanota
Miankina aminao,
Tahio izahay mahantra
Mivavaka aminao.

467 – Mba manampia anay

1. Mba manampia anay,
Ry Jeso Tompo soa!
Ka dia ny fiainanay
Hambinina avokoa.

2. Ny tadiavinay
Dia fihavanana,
Tsy isarahana aminao
Izay Fiainana.

3. Ampionao izahay
Mba hahalala Anao,
Ka aoka mba harahinay
Ny nodiavinao.

4. Dia mankalaza Anao
Izahay, ry Tompo ô!
Fa, he, ny fitahianao
Dia tena mahasoa.

466 – Ry Jeso ô ! ry Jeso ô !

1. Ry Jeso ô! ry Jeso ô!
Ny fonay tia Anao,
Ra manomàna anay izao,
Ho any aminao :
Fa sambatra avokoa
Izay tonga ao aminao;
Izahay maniry koa
Ho eo ankilanao.

Fiv : Fa sambatra avokoa
Izay tonga ao aminao;
Izahay maniry koa
Ho eo ankilanao.

2. Ry Jeso ô! ry Jeso ô!
Ampionao izahay
Hihevitra ny lanitrao
Izay hodianay
Fa sambatra, sns…

3. Ry Jeso ô! ry Jeso ô!
Maloto izahay,
Tsy mendrika ny lanitrao,
Diovinao izahay :
Fa sambatra, sns…

4. Ry Jeso ô! ry Jeso ô!
Ny fahavalonay
Mamely ny fanahinay,
Reseo, fa rafinao :
Fa sambatra, sns…

5. Ry Jeso ô! ry Jeso ô!
Sao reraka izahay
Miandry ny hodianay,
Tohanonao ‘zahay :
Fa sambatra, sns…

465 – Ry Jeso ô, ry Jeso,

1. Ry Jeso ô, ry Jeso,
Ny foko lasanao
Ka Ianao irery
No Tompoko izao !
Tsy manan-tahotra aho
Ianao no aroko ;
Ny lalako mazava
Ianao faniloko !

Fiv : Ry Jeso ô, ry Jeso,
Ny foko lasanao
Ka Ianao irery
No Tompoko izao !

2. Mitaona dia mitaona
Ny zava-poana,
Ankoso-bolamena
Mamirapiratra
Anefa, ry Mpamonjy,
Izay ampianao
Dia haharesy tsara
Izao tontolo izao !
Fiv : Ry Jeso ô, ry Jeso, sns…

3. Ny nofoko malemy
Ka be ny sitrapo ;
Be koa ny fitsapana
Mahazo ahy izao
Anefa, Jeso tia,
Raha re ny feonao
Mahazo hery aho
Hanao ny sitrakao !
Fiv : Ry Jeso ô, ry Jeso! sns…

4. Ry Jeso ô, ry Jeso,
Mba tovy amiko
Ilay teny maharavo
Hoe „Sakaizako »
Iriko lalandava
Hiaraka Aminao
Mba hahitako tsara
Ny fitiavanao !
Fiv : Ry Jeso ô, ry Jeso, sns…

5. Ny dianao jereko
Ety an-dàlana
Ambara-pahatratra
Ilay fitsaharana ;
Omeo hery aho
Hanompo tsara Anao
Fa fantatrao, ry Jeso,
Ny foko lasanao !
Fiv : Ry Jeso ô, ry Jeso, sns…

464 – Jeso Tompo manan-kery

1. Jeso Tompo manan-kery,
Miarova anay!
Ry Mpitady ondry very,
Mamonje anay !

2. Jeso Tompo be fitia,
Mitsinjova anay !
Ny fanahinay mania,
Miantrà anay!

3. Jeso Tompo be fiantra,
Mijere anay !
Ny fanahinay mahantra,
Mitahia anay.

4. Jeso Tompo mahalala.
Mananara anay !
Ny fanahinay adala,
Mitariha anay.