FF 27 – ‘Lay alim-pamonjena

1. ‘Lay alim-pamonjena (famonjena)
Tsarovana eto izao
Fa Tompo be harena
no teraka tamin’io
He ! Mahagaga ilay fitia
Nasehon’ Andriamanitra

Fiv : He ! Ravo ny fo
He!mirana koa
Mifaly (falifaly), sambatra doria
Miventy ny hiran’ny lanitra
HALELOIA !

2. ‘Lay alim-pamonjena (famonjena)
Tsarovana eto izao
Fa vita fanekena
Izaho sy ny Tompo soa
Ny tenako atolotro
Ny tenany ho avotro
He ! Ravo ny fo, sns…

3. ‘Lay alim-pamonjena
Tsarovana eto izao
Mpanota sesehena
Mandova fiainan-tsoa
‘Lay alim-pihavanana
Nitondra fiadanana
He ! Ravo ny fo, sns…

4. ‘Lay alim-pamonjena
Tsarovana eto izao
Nitondra fietrena
Tsy mba manam-paharoa
Fitiava-mampitovy zo
Ny miadana sy ory fo

FF 25 – Ny voadiko

Ny ondry mania no maneho anio
,Zao fanekena sy voady izao
Nandinika ny zava-bita, Jesoa
Tsy mendrika hanatona Anao
Kanefa tsaroako ny fitiavanao
Hamonjy ity mpanomponao
‘Lay Teny mahery mananatra
Nampiova ny foko torovana
‘Lay Fanahy Masina inoako
Hampianatra sy hanadio
Ny hoaviko apetrako eo Aminao
Izany no voadiko izao

439 – Mba taomy aho e

1. Mba taomy aho e,
Ry Tompo ô !
Ho tonga zanakao
Madio am-po.
Mba taomy aho e,
Ho tia Anao tokoa !
Ny fo atolotro
Mba raisonao.

2. Tariho aho e,
Ry Jeso ô !
Aza ilaozanao,
Fa be manjo.
Trotroy an-tratranao
Ny ondrikelinao
Ka ento mody izao
Ilay nania.

3. Diovy aho e,
Fanahy ô !
Diniho sy hazavao
Ny toetro.
Diovy aho e,
Ny fo ovay ho vao,
Ka ny fanahiko
Onenonao.

FF 24 – Mahereza ! Ny Tompo momba anao

1. Miainga, mazotoa,
Mikeleza aina koa
Mivavaha, mivavaha,
Ho an’izao tontolo izao
Mijoroa, mitoria,
Mamafaza Teny Soa
Fa ny Tompo be fitia
No manohana anao
Sarotra ny lalanao
Kanefa matokia tokoa
Andrandrao ny masonao
Fa mbola ao ny Tompo soa
Izy no aminao
Ka hampandresy izao
0! mahereza fa ny Tompo
Momba anao

2. Mandrosoa, miasà,
Tano ny finoanao
Aza mba matahotra
Na manahinahy izao
Miadia, mitafia
Ny firaisan-tsaina soa
Fa ny fahavalonao
Dia handositra tokoa
Aza kivikivy foana
Fa ny Tomponao dia ao
Mampahery lalandava
Ary koa tsy mba mandao
Izy no aminao
Ka hampandresy anao
0 ! mahereza fa ny Tompo
Momba anao

438 – Avia, Jehovah Tomponay

1. Avia Jehovah Tomponay,
Handray ny vavakay,
Fa mitaraina izahay,
Valio ny hatakay :

Fiv : :,: Avia :,: handray ny fonay,
:,: Avia :,: ry Tomponay !

2. Savao ny alahelom-po
Mba hifalianay ;
Na mafy aza ny manjo,
Matoky izahay !
sns…

3. Avia, ka taomy izahay,
Ho tonga zanakao ;
Mba averenonao indray,
Fa te-ho olonao :
sns…

4. Manolo-tena izahay
Mba ho mpanomponao;
Ny fonay no atolotray,
Ka raiso ho Anao :
sns…

5. Raha avy ny hodianay
Ho any aminao,
Mba raiso ny fanahinay
Ho ao an-dapanao :
sns…

FF 23 – Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary (A.T.Z.)

1. Andriamanitra ô ! Ry Tompo Zanahary
Be fitiavana, mamonjy sy mamelona
Vatolampy, toky tsy mifindra
Fa maharitra mandrakizay

Fiv : Raha ny eto an-tany
Dia mandalo ihany
Miovaova
Tsy azo ianteherana
Be no efa voa
Ka mamoy fo
Fa izany
No fomban’ny tany
Toa fiainana raha jerena
Kanjo indrisy fa mahonena
Hasambarana miserana ihany

2. 0! ry velona tsarovy ny andronao
Fa mandalo tsy mba manam-pijanonana
Ka tandremo sao variana ianao
‘Zao tontolo izao ho levona avokoa
Raha ny eto an-tany, sns…

3. Mbola ho entin’Andriamanitra hotsaraina
‘Zaho sy ianao, ka tsy ho afa-maina
Fa Jesoa Mpanjaka no hitsara
Ka hanavaka ny tsara sy ny ratsy
Raha ny eto an-tany, sns…

437 – Ry Jeso Kristy Tompo

1. Ry Jeso Kristy Tompo,
O, ampio ny olonao,
Ampianaro mba hanompo
Sy hanao ny sitrakao !
Malemy aho re,
Ka omeo ny herinao
Tsy hivily, tsy hania
Fa hanara-dia Anao !

Fiv : O, vonjeo O, vonjeo
Ka tantano sy jereo !
Aza hafoy izahay
Fa Ianao no avotray !

2. Ny foko mba diovy,
Ry Mpamonjy lehibe !
Ka ambeno sy arovy
Sao dia very aho re !
Iriko indrindra koa
Ny hitombo sy hamoa,
Ka ny voka-tsoa rehetra
Ho Anao, ry Jeso ô !
O, vonjeo O, vonjeo
sns…

3. Mba raisonao, ry Tompo,
Ho anao tokoa izao
Izay anananay rehetra
Ka anarano fo izao !
Fa maty Ianao
Noho ny fitiavanao
Ka tsy hanay hadinoina
Ny fitiavanao anay !
O, vonjeo O, vonjeo
sns…

FF 22 – Tsy mendrika ahy

Tsy mendrika ahy mpanompo
Ny atao hoe  » zanakao  »
Kanefa lanao, ry Tompo
No niantso ahy izao
Izay manatona Ahy
Tsy ho laviko, hoy lanao
Dia tamy aho ka sahy
Nanatona anao

Ianao no Madio
(Mba diovy aho re)
Ianao no Marina
(Mba hamarino aho re)
Ianao no Masina
(Mba hamasino aho re)
Tsy mendrika hitsimpona
Ny latsaka amin’ny latabatrao aho
Kanefa, hoy lanao :
« Izay manatona Ahy
Tsy ho laviko mihitsy »
Noho ny teninao, noho ny teninao
Dia sahiko ny manatona

Ianao no Madio
(Mba diovy aho re)
lanao no Marina
(Mba hamarino aho re)
Ianao no Masina
(Mba hamasino aho re)
Mba diovy aho re
Hamarino aho re
Mba diovy aho re
Mba hamarino re
(Hamarino aho re)
Mba hamasino re
(Hamasino aho re)
Mba diovy
Hamarino
Hamasino re.

436 – Ny foko, ry Jehovah ô!

1. Ny foko, ry Jehovah ô!
Mba ento ho Anao,
Diovy ho fonenanao,
Ho tsara sy vaovao.

2. Fanahin’Andriamanitra ô!
Midina ato koa,
Ovay ny saiko mba hadio
Sy masina tokoa.

3. Ny aiko no navotanao,
Ry Jeso be fitia!
Mba hanompoako Anao,
Ry Tompoko, avia!

4. Ry sofiko, mba mihainoa !
Ry maso, mijere !
Ry tongotra aman-tanako,
Hajao ny Tompo e!

5. Ry tena sy fanahy koa!
Avia hankatô
Ny tenin’ny Mpanavotra,
Izay masina sy tô