518 – Rehefa vita ny asako ety

1. Rehefa vita ny asako ety,
Ka ny fanahiko raisina ery,
Miara-mitoetra aminao,
Tomponay,
No hasambarako mandrakizay :

Fiv : Mandrakizay, sambatra re,
Azoko ilay fahasambarana be!

2. Rehefa ataoko veloma ny ety
Ka azoko ‘lay Paradisa ery,
Sady mahita ny tavan’ny Ray
No hasambarako mandrakizay :
sns…

3. Miombom-pahasamabarana ary
Amin’ireo olon-tiako taty
Ka tsy misaraka mandrakizay
No hasambarako mandrakizay :
No hasambarako mandrakizay :
sns…

523 – Te-hifindra

1. :,: Te-hifindra :,:
Aho, ry Jesosy ô !
Be manjo aty an-tany,
Fifaliam-be no any
Aminao, ry Tompo ô.

2. :,: Ny anjely :,:
Sy ny olo-masina
Tafahaona ka mihoby ;
Sambatra ny tafatody.
Faly fa noraisina.

3. :,: Faly koa :,:
Aho, ry Mpamonjiko,
Manantena fa hahita
Ny fonenana ao am-pita,
Ka handray ny lovako.

4. :,: Tsy tamana :,:
Aho amin’ny manjo,
Fa vahiny aty an-tany,
Ka maniry mba ho any
Aminao, ry Tompo ô.

5. :,: Ao tsy misy :,:
Ota na aretina !
Tsara raha hodimandry,
Nefa aho te-hiandry
Ny fetr’andro marina.

522 – He, tanim-pahazavana be.

1. He, tanim-pahazavana be.
Tsy misy maizina ao,
Kany tsy mba hitete
Ny ranomasonao.
Izay voavonjy hiangona ao,
Hiara-mihira ny hira vaovao,
Ho sambatra any an-danitra,
Ao amin’ny Mpanavotra.
Moa ao an-danitra ?
Eny, ao an-danitra.
Ka tsy hisaraka ?
Eny, tsy hisaraka !
Ho sambatra any an-danitra
Ao amin’ny Mpanavotra.

2. Ry Rainay feno indrafo,
Be fitiavana,
Omàny ny fanahiko
Handray fiainana.
Izahay, ry Jesosy, maniry Anao,
Fa maty nisolo anay Hianao,
Nanavotra anay mba ho afaka,
Ka tsy ho voaheloka.
Moa dia ho afaka ?
Eny ho afaka !
Ka tsy helohina ?
Eny tsy helohina
Jesosy Mpamonjy nanafaka,
Ka tsy ho voaheloka.

3. O, ry Jesosy Tompo ô !
Tsarovy izahay,
Ka mba ambino hatrizao
Ny fandehananay.
Vonjeo ny ondry manaraka Anao,
Fa otany no namonoana Anao.
Ho faly izahay ao an-danitra
Ao amim-boninahitra.
Moa ao an-danitra ?
Eny, ao an-danitra.
Ka tsy hisaraka ?
Eny, tsy hisaraka !
Hiara-mifaly ao an-danitra,
Ho feno voninahitra.

516 – An-dafin’ ny efitra lava sy maina

1. An-dafin’ ny efitra lava sy maina
No misy ilay tany izay mamin’ny fo,
Ilay tany izay efa nampanantenaina
Ho lovan’ ny mino izay mankato.
Iriko indrindra ny mba ho tafita,
Tsy mety miadana mandra-pahita.

2. Anefa ny lala-mankany no mafy,
Ny rafiko maro manotrika ao;
Ny nofo indrindra no tena mpandrafy,
Ka tery ny lalan-kaleha izao!
Anefa tsaroako tsara ny teny
Milaza fa misy fitsaharana eny.

3. Ka aza mba ketraka, ry mpivahiny,
Hevero fa Jeso no momba anao;
Ilay nampangina ny loza fahiny
Dia mbola mahay mampandresy anao!
Andrasanao kely, ho lany ny fetra,
Ho ringana ny fahavalo rehatra.

4. Izaho hiezaka mafy tokoa
Hahazo ny loka ao alohako ao;
Ny tafio-drivotra mba mahasoa,
Fa hahatongavako fiaingana ao;
Indray mipi-maso ny eto an-tany,
Ny any an-danitra tsy hita lany

515 – Tsara lova, ry Jeso ô!

1. Tsara lova ry Jeso ô
Ny mpanota voavotrao,
Fa fonenana soa
Amboarinao ao,
Hanefanao ny teninao !

Fiv : Ho amin’ io tany io tokoa
No izoran’ ny dianay ;
Jeso Tompo no ao sady efa manao
Trano soa hipetrahanay !

2. Tsara lalana Jeso ô,
Ny vahiny tarihinao ;
Raha misy manjo
Tsy mba kivy ny fo
Fa tohanan’ ny herinao !
Fiv : Ho amin’ io,
sns…

3. Tsara vatsy ry Jeso ô

Ny mpandeha fahananao,
Fa ny teninao soa
Mofon’ aina tokoa
Iveloman’ ny olonao !
Fiv : Ho amin’ io,
sns…

510 – Jeso! ny hamarinanao

1. Jeso! ny hamarinanao
No lamba hitafianay,
Amin’ny andro farany,
Izany hifalianay.

2. Raha hitsangana izahay
Handray ny lova aminao,
Dia tsy ho resy lahatra,
Fa Kristy no Mpanavotra.

3. Io lamba io no mbola vao,
Na levona izao tany izao,
Haharitra tsy rovitra.
Havaozin’ Andriamanitra.

4. Ny hery sy ny antranao
Toroy izao tontolo izao;
Ampandrosoy ny teninao,
Ampanekeo ny rafinao,

5. Ny maty hahare ny feo
Hiantso azy ho velona;
Jeso! ny hamarinanao
No lamba hitafianay.

514 – Ry Jehovah Tomponay!

1. Ry Jehovah Tomponay!
Olom-bery izahay;
Nefa tsy mba foinao,
Fa vonjen’ ny Zanakao :

Fiv : Zanahary, Aba, Ray,
Jeso Kristy, Havanay.

2. Lehibe ny indrafo;
Iza re no nanampo
Famonjena taminao?
Kanjo azonao izao?
Zanahary, sns…

3. Gaga izahay izao!
Be fitia Hianao;
Avotr’ aina azonay,
Hody aminao izahay.
Zanahary, sns…

4. Jeso ô, Mpamonjy soa
Sy Mpamindra fo tokoa!
Avy ny navotanao
Ka midera Anao izao:
Zanahary, sns…

210 – Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao

1. Zava-tsoa tokoa ny fitsipikao;
Tompo Andriamanitra ô!
Teny mahasoa, aina, hery koa
Mba ho an’izay manoa.

Fiv :
(Feo voalohany)
Iravoanay
Fa harena be
(Feo faharoa)
Soa tsy manam-paharoa
Ny fitsipikao
Iravoanay fa harena be
Sarobidy tsy hafoy
Izany didinao
(Feo rehetra)
Famonjena ho an’izay mandre

2. Maizana izahay, kely fantatray,
Nefa ao ny teninao:
Jiro sy fanilon’ny tongotray
Hankanesa Aminao
Iravoanay sns…

3. Raha alaim-panahy itony zanakao
Indro, ao ny teninao
Sabatry ny fo, hanoheranay
Ilay ratsy hatrizay
Iravoanay sns…

4. Fifalianay, odi-tahotray
Ny Baiboly taminao:
Avy ny manjo, nefa kosa, Ray
Ao tokoa ny tavanao
Iravoanay sns…

5. Ry Jesosy ô, Mpampianatray!
Maminay ny teninao;
Taomy izahay, mba hahaizanay
Hankato ny didinao
Iravoanay sns…

209 – Jesosy tena kiady

1. Jesosy tena kiady
Sy reharehanay
Namoha vavahady
Ny tanindrazanay ;
Nampiditra ny Teny
Hampahalala anay
Ny Ray, ny fahendreny
Mba hianaranay

2. Na betsaka mifofo
Ny Baibolinay
Mihaza sy milofo,
Moa ketraka izahay ?
Jesosy no Mpiaro
Ka moa ve ho kivy ve ?
Vao maika mihamaro
Ny mpankasitraka e !

3. Mbola Izy no Filoha
Mpitarika anay,
Hitory ka hamoha
Ireo namanay ;
Vahoaka an-tapitr’isa
no mbola hasondrotray,
Hahita Paradisa
Ho zanaky ny Ray !

4. Ry Jeso, hatanjaho
Ny fiangonana,
Hijoro ho tena taho
Mamoa mandrakizay !
Hianao anie no sandry
‘Zay tena tanjakay
No sady hany andry
‘Zay hijoroanay !

5. Jesosy soa malala,
Tsy foinay Ianao !
Ny fonay dia handala
‘Ty lova taminao
Fanahy ravoravo
Noho ny Teninao
Ry Zanaky ny Avo,
Izao misaotra Anao

208 – Ny teny masinao torina hatrizao

1. Ny teny masinao
Torina hatrizao;
Maharitra tsy lo
Mamabo izany fo,
Fa marina ka tianay
Hiainanay mandrakizay.

2. Ny teny masinao
Mitondra hery vao,
Mandrava ny manjo
Ireo ‘zay ory fo;
Ka mendrika ho tanana
Anaty, ho fanana

3. Ny teny masinao
Dia tsy mba mankaleo;
FA hery velona
Mamelombelona;
Ka satrinay ho re indray
Ry Andriananaharinay.

4. Ny teny masinao
No feo manorina;
Ny teny masinao
No feo manarina,
Ka tianay hanenika
Ny tany sy ny lanitra.