207 – Mamy ny Teninao

1. Mamy ny Teninao,
Jehovah Masina !
Sy to ny Teninao,
Tsy azo ovana ;
Ny lanitra ho levona
Fa tsy simba ny Teninao !

2. Madio ny Teninao
Ka tsara indrindra,
Dia fahendrena
Ho an’ny adala,
Mahafaka ny maizina
Ka mitondra ny mazava !

3. Soa ny Teninao
Mahatsara ny fo
Fa ao no hitanay
Misy Mpanavotra,
Jeso, Loharanon’aina
Mahasasa ny meloka !

4. Irin’ny foko koa
Ny Teny masina
Noho ny harena
Na fananana be ;
Ny Teninao no tanako
Ho lovako mandrakizay !

206 – Ny Teny masinao Jehovah Tompo ô

1. Ny Teny masinao
Jehovah Tompo ô,
Nampanoratinao
Ireo mpanomponao,
Dia tiako ka tanako
Ho lova sy fananako !

2. Ny Teny masinao
‘Zay noteneninao
Milaza amiko
Ny hasoavanao,
Izay harena atolotrao
Ho entiko hidera Anao !

3. Ny Teny masinao

Andriamanitra ô,
Maneho ny fitia
Nataon’ny Zanakao,
‘Zay maty tany Kalvary
Hamonjy ny mpanota ety

4. Ny Teny masinao
No mampianatra
Ny saiko tsy mahay
Mba hahafantatra
Ny zavatra miafina
‘Zay momba ny hasoavanao

5. Ny Teny masinao
Dia tsy mba mety lo,
Izay ambarany
Tsy misy tsy ho to,
Na levona aza ka tsy ao
Izao rehetra ary izao !

205 – Ny Teninao rehetra

1. Ny teninao rehetra
Ry Tompo tia anay;
No tsy mba manam-petra
Fa to mandrakizay;
Ho levona avokoa,
Izao rehetra izao,
Haharitra tokoa
Zao teninao izao.

2. Ny tenin’ny Baiboly
No sabatra entinay
Handresy ny devoly,
‘Lay fahavalonay;
Raha misy mampahory,
Ka osa izahay
Ny teninao mahery
Manjary tanjakay

3. Fa teny mamy koa
Ho an’ny mpankato
Ka loharano soa
Miboika ao am-po
Ho fanomezan-toky
Ny azon’ny manjo.
Sy hani-mahavoky
Mamelona ny fo

4. Fa teny mampisava
Ny aizim-be aty.
Fanilo manazava
Ny dia ho ary
Manolo-pahendrena,
Mananatra ny fo,
Milaza famonjena
Sy lova tsy ho lo.

507 – Ranomasi-mampahory

1. Ranomasi-mampahory
No alehantsika izao;
Fa ny mino dia hitody,
Koa maharitra izy izao:

Fiv : :,:O! andeha isika hody
Mba ho ao an-tranondRay.:,:

2. Jeso Tompo eo am-pitia
Ka miantso hoe: Avia!
Izy koa no mampita
Ka manao hoe:Matokia!
O! andeha sns…

3. Maro efa tonga any
Ka mifaly avokoa;
Mbola be ny fiantrany,
Misy ho antsika koa.
O! andeha sns…

4. Kristy koa no sambon’aina
Izay mitondra ho ary,
Famonjena azo maina,
Ka ilaozy re ity.
O! andeha sns…

508 – Ny sambonkelinay ety

1. Ny sambonkelinay ety
Mitety rano be,
Misononoka ho ery,
An-dafin’ony be. (in-3)

2. Ny rivo-doza tsy hanjo.
Fa Jeso aminay;
Ny alondrano mankato
Ilay Maherinay (in-3)

3. Mamaky onja izahay,
Fa tsy ho faty ao;
Ny fitodiantsambonay,
He! tazanay izao (in-3)

4. Irinay ny ho tonga ao
Hilaozanay ity;
Mitsena anay tokoa izao
Ny Zokinay ary (in-3)

509 – Jeso Tompo! Vatolampy.

1. Jeso Tompo! Vatolampy,
Vato voafantina,
Mba ho fanorena-mafy
Izay tsy mety levona;
:,: Vato mafy :,:} (in-2)
Dia itokianay.

2. Jeso Tompo! Vatolampy
Voazaha toetra;
Vato tsy mba misy tsiny,
Sady tsara endrika:
:,: Vato soa :,:} (in-2)
Dia ifalianay.

3. Jeso Tompo! Vatolampy,
Vato fehizoronay;
Efa nampiray fanahy
Ny fitianao anay
:,: Fehizoro :,:} (in2)
Vato fampiraisana.

4. Jeso Tompo! Vatolampy,
Tsy miova Hianao;
Manan-jara ny matoky
Ny tsy fivadihanao,
:,: Fa ho faly :,: } (in-2)
Ka tsy hanan-kenatra.

506 – Tsy misy miadana ka afa-po

1. Tsy misy miadana ka afa-po
Izay monina eto an-tany;
Fa izay tia sy mino ny
Tompo Jeso
No hahazo ny soa tsy lany.
———————
Personne sur terre
Ne peut être en paix et comblé
Mais seul celui qui aime et qui croit
au Seigneur Jésus
Recevra les bienfaits inépuisables.

Fiv : Mba irio, mba irio
Ny hananana an’i Jeso.
———————
Désirez, désirez
Avoir Jésus

2. Raha misy mahory mahazo ety
Jeso no hanala izany;
Tsarovy ny avotra tao
Kalvary,
Fa nalatsany tany ny rany
Mba irio, Mba irio,
sns…
———————
Si un malheur survient ici-bas
Jésus enlèvera ta tristesse
Souviens toi du salut
Au mont du calvaire
Car Il y a fait couler son sang.
Désirez, désirez
etc …

3. Izao maniry hanaraka
Anao,
Ry Tompo Mpanafaka ota!
Fa fantatro tsara hatramin’zao
Ny fitiavanao ahy mpanota.
Mba irio, Mba irio,
sns…
———————
Je souhaite Te suivre
Toi Seigneur qui absout les péchés !
Car je suis convaincu que depuis toujours
Tu m’aimes, moi qui suis pécheur.
Désirez, désirez
etc …

Translation by Uthando

366 – Andeha ry hava-malala

1. Andeha ry hava-malala!
Andeha hiaraka izao,
Hitady fonenana tsara
Honenana mandrakizay,
Ao amin’ny tanin’ny Tompo
Ny fahasambarana be,
Ny ota tsy miditra akory,
Tsy misy ny loza manjo.

Fiv : Dia aoka hiaraka isika,
Ry hava-malala izao!
Hitady fonenana tsara
Honenana mandrakizay.

2. Ny trano dia maro tokoa,
Mifaly ny mponina ao,
Tanteraka soa ny aleha,
Fitia omena ny ao;
Miara-midera ny Tompo,
Mpanavotrabe indrafo;
Miara-mandova ny soa,
Mitafy lamba madio:
Dia aoka, sns…

3. Na ety ny lalana aza,
Na maro ny zava-manjo,
Dia aza matahotra akory,
Mandroso no mety hatao;
Anjely tsy tambo isaina
Hirahin-kanampy anao;
Mpanompon’ny Avo Indrindra
Hitoby hiaro anao:
Dia aoka, sns…

367 – Ry zanako mania!

1. Ry zanako mania!
Henoinao izao.
Izaho be fitia
Mangora-po anao;
Ry zanako! Modia,
Sao maty hianao,
Fa be ny bibidia;
Modia re!

2. Ny zavatry ny tany
Sao mahasimba anao
Harena mety lany
Tsy mahavonjy anao;
Izaho irery ihany
No hiadananao;
Ka mbola manontany:
Tsy hody va?

3. Mamiratra jerena
Ny lalan-tsitrapo,
Fa ankoso-bolamena,
Mamitaka ny fo;
Ny sitrapon’ny tena
Mamery ny ainao,
Ario ka miverena,
Modia re!

4. Izaho Tompon’aina,
Nijaly ho anao,
Ka, he, nanolotra aina
Mba hamonjena anao;
Ny rako mitaraina,
Modia hianao;
Ka aza mba malaina,
Modia re!

502 – Finaritra ny vorona ao an’ala

1. Finaritra ny vorona ao an’ala
Sy ao an-karam-bato avobe:
Na dia betsaka ny mpankahala
Mivonon-kahafaty azy re;
Matoky izy, tsy misalasala,
Fa manam-piarovan-dehibe,

2. Jesosy Tompoko no harambato
Sy ala mafy ikirizako;
Na mafy aza sady tsy miato
Izay ataon’ny fahavaloko,
Mamely ahy ary misahato,
Jesosy re no fiarovako.

3. Izay rehetra ta-hamely ahy,
Mikendry , nefa sasa-poana;
Izaho dia ravo am-panahy,
Tsy azony atao ahoana,
Fa misy manda manodidina ahy,
Izay miaro sy manohana.